Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dinta

Dinta

[Heb.: ʽalokah].

Kankana fisaka mpitsentsitra ra. Mizarazara ny vatany, kelikely ny lohany sy vodiny saingy botabota ny manakaiky ny vodiny, ary 1 sm mahery ka hatramin’ny 10 sm mahery ny halavany. Misy tendrony boribory fitsentsefana eo amin’ny lohany sy vodiny, fa ny an’ny lohany kosa miampy valanorano anaikerana.

Be dinta ny renirano maro any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Miraikitra amin’ny lavak’orona, lohatraoka na tampinarany ny zanaky ny karazan-dinta iray (Limnatis nilotica), rehefa voatelina miaraka amin’ny rano. Mitombo haingana izy ireo ary sarotra esorina. Lasa sempotra ilay olona na biby, very ra, ary mety ho faty mihitsy aza.

Ny Ohabolana 30:15 ihany, izay miresaka faniriana tsy mety afa-po, no ahitana hoe dinta (heb.: ʽalokah). Hoy izy io: “Ny dinta dia manan-janakavavy roa, izay miantsoantso hoe: ‘Omeo! Omeo!’” Ny faniriany tsy mety afa-po ny hoe ‘zanany vavy’ eo, ary amin’ny endriny milaza maro ilay izy satria tena mahery, hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i F. Cook. Misy kosa milaza hoe ny molotra roa amin’ny tendrony fitsentsefana ireo ‘zanany vavy roa.’ Mety hahalany ra intelon’ny lanjany ny dinta, satria sakanan’ny rorany tsy hivaingana ny ra tsentsefiny ka mikoriana foana.