Disana
(Disàna) [mety hidika hoe Antilopa].
Taranak’i Seira sady lehibem-pokon’ny Horita tany Edoma. (Ge 36:20, 21; 1Ta 1:38) Milaza ny Genesisy 36:28 fa i Oza sy Arana no zanakalahin’i “Disana.” Lazaina fa zanak’i “Disona” kosa izy ireo ao amin’ny 1 Tantara 1:42, ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ary ny Peshitta syriàka. Toa fahadisoan’ny mpanao dika soratra izy io, nefa efa voahitsy ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy (DIEM, Kat., Prot., TV) sy ao amin’ny Vulgate latinina nohavaozina tamin’ny andron’ny Papa Clément Faha-8.