Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Disona

Disona

(Disôna) [mety hidika hoe Antilopa].

Anarana lehilahy iray na roa samy hafa angamba, ao amin’ny tetirazana hita ao amin’ny Genesisy 36:20-28 sy 1 Tantara 1:38-42.

Milaza ny Genesisy 36:20, 21 (sy ny and. 29, 30) fa lehibem-poko ireto lehilahy fito “taranak’i Seira Horita” ireto: Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera ary Disana. Tanisaina miaraka amin’ny zanany lahy avy izy ireo, eo amin’ny andininy faha-22-28. Anisan’ny zanak’i Ana i Disona, araka ny andininy faha-25. Misy milaza fa zafikelin’i Seira na zana-drahalahin’i Disona Lehibem-poko io Disona io. ‘Zanakalahin’i’ Seira mantsy, hono, no dikan’ilay hoe ‘taranak’i Seira’ eto, ka zanak’olona iray ihany izy fito ireo.

Ny hafa indray mihevitra fa taranak’i Seira fotsiny ireo lehibem-poko fito ireo, fa tsy hoe zanany naterany akory. Milaza àry izy ireo fa i Disona Lehibem-poko (Ge 36:21, 26) ihany ilay Disona eo amin’ny andininy faha-25, fa tsy zana-drahalahiny. Notanisaina miaraka amin’ireo lehibem-poko enina, hono, i Disona na dia zanakalahin’i Ana Lehibem-poko aza, noho izy lehibem-poko koa fa tsy hoe noho izy rahalahin’izy ireo.