Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ditin’ny Hazo Matambelo

Ditin’ny Hazo Matambelo

[Heb.: bedôlah].

Ditin-kazo manitra hoatran’ny miora ny paoziny, ary indraindray anampohana miora. (Jereo koa MIORA.) Izy io dia ditin’ny hazo Commiphora africana (any avaratrandrefan’i Afrika sy Arabia) sy hazo iray karazany amin’io (any avaratrandrefan’i Inde), izay hazo madinika kely ravina sy misy tsilony maniry any amin’ny faritra mafana. Mamoaka ditiny manitra mora mivaingana ny hoditr’ilay hazo rehefa tapahina. Tantera-pahazavana ilay dity hoatran’ny perla.

Zava-tsarobidy tao amin’ny faritr’i Havila voahodidin’i Pisona (anisan’ny renirano efatra nisampana avy tamin’ny renirano nivoaka avy tao Edena) ny volamena, ditin’ny hazo matambelo, ary vato oniksa. (Ge 2:11, 12) Toy ny “ditin’ny hazo matambelo no fahitana” ny mana nangonin’ny Israelita tany an-tany efitra (No 11:7), na toy ny “ranomandry mitsiratsiraka teny amin’ny tany.” (Ek 16:14) Somary fotsy tokoa ny ditin’ny hazo matambelo. “Ahitra mani-pofona” ny matambelo, hoy i Josèphe, tamin’izy niresaka mana.​—Rakitry ny Ela Jiosy, III, 28 (i, 6).