Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Divay sy Toaka

Divay sy Toaka

Maromaro ny teny tany am-boalohany ilazana ny divay (heb.: tirôhsh [Ge 27:28, 37; Ho 2:8, 9, 22]; heb.: hemer [De 32:14; Is 27:2] sy ny teny aram.: hamar [Da 5:1, 2, 4, 23] mifanitsy aminy; ary gr.: gleokôs [As 2:13].) Ny teny hebreo hoe yayin anefa no tena fampiasan’ny Baiboly. Ahitana voalohany azy io ny Genesisy 9:20-24, izay milaza fa nanao tanimboaloboka i Noa taorian’ny Safodrano ary nisotro divay ka mamo. Ahitana voalohany ny teny grika hoe ôinôs (mifanitsy amin’ny hoe yayin [heb.]) kosa ny tenin’i Jesosy hoe tsy tokony hatao ao anaty siny hoditra efa tonta ny divay vaovao mbola tsy niotrika tsara. Mbola mamoaka gazy mantsy ilay izy ary mitombo ny alkaola ao anatiny, ka mety hamaky an’ilay siny.​—Mt 9:17; Mr 2:22; Lk 5:37, 38.

Ny teny hebreo hoe shekar matetika no ilazana ny toaka toa vita avy amin’ny ampongabendanitra, antrendry, aviavy, na ny toy izany. (No 28:7; De 14:26; Sl 69:12) Nadika hoe “ranon’ampongabendanitra vao natao” ny hoe ʽasis (To 8:2), nefa nadika koa hoe divay. (Is 49:26; Jl 1:5) Mety ho ny teny hebreo hoe sôveʼ kosa no nadika hoe labiera.​—Is 1:22; Na 1:10.

Fanaovana divay. Aogositra sy Septambra no fotoam-piotazana voaloboka tany Palestina, arakaraka ny voaloboka sy ny toetany. Efa tapitra izany tamin’ny “Fetin’ny Trano Rantsankazo”, izay nankalazaina tamin’ny Tisry (Septambra-Oktobra). (De 16:13) Nararaka tao anaty fanantazana vita tamin’ny vatosokay ny voaloboka avy notazana, ary nohitsakitsahin’ny lehilahy tsy nikapa sady nihirahira. (Is 16:10; Je 25:30; 48:33) Tsy potika àry ny tahony sy ny voany, ka zara raha nivoaka ny zavatra simika atao hoe tanin tao amin’ny hodiny. Ambony karazana ny divay azo avy amin’izany, sady tsara erỳ ny tsirony rehefa nikoriana tao an-tenda. (To 7:9) Tsy nohitsakitsahina ny voaloboka indraindray, fa noporetina tamin’ny vato be.​—Jereo FAMIAZANA.

Faran’izay tsara ny divay azo avy amin’ny ranom-boaloboka voalohany amin’ireo voaloboka nohitsakitsahina, raha tsy afangaro amin’ny ranom-boaloboka be dia be manaraka. Manomboka miotrika ny ranom-boaloboka ao anaty fanantazana, adiny enina aorian’ny fanaporetana an’ireo voaloboka. Miotrika moramora ilay izy mandritra ny volana maromaro. Tokotokony ho 8 ka hatramin’ny 16 isan-jato ny tahan’ny alkaola ao anaty divay, nefa azo ampitomboana izany raha ampiana toaka. Mivadika ho vinaingitra (asidra asetika) kosa ilay divay raha miotrika ela loatra na azon-drivotra, na tsy dia mamy ireo voaloboka.​—Rt 2:14.

Naotrika tao anaty siny lehibe na siny hoditra ny divay. (Je 13:12) Natao izay hivoahan’ny gazy karbonika (vokatry ny fiovan’ny siramamy ho alkaola) avy tao amin’ireo siny, nefa natao koa izay tsy hidiran’ny oksizenina avy any ivelany sao simba ilay divay. (Jb 32:19) Mihamadio ny divay rehefa tsy ahetsiketsika satria mihandrona eny ambany ny faikany, ka mihatsara ny fofony sy ny tsirony. (Lk 5:39) Nafindra tao anaty zavatra hafa avy eo ny divay.​—Is 25:6; Je 48:11; jereo FAIKAN-DIVAY.

Fampiasana azy. Efa ela ny olona no nisotro divay rehefa nisakafo. (Ge 27:25; Mpto 9:7) Nampiarahina tamin’ny mofo sy sakafo hafa izy io matetika. (1Sa 16:20; To 5:1; Is 22:13; 55:1) Nandrosoan’i Melkizedeka “mofo sy divay”, ohatra, i Abrahama. (Ge 14:18-20) Nisotro divay i Jesosy indraindray rehefa nisakafo. (Mt 11:19; Lk 7:34) Fanao ny nandroso divay rehefa nisy fanasana (Es 1:7; 5:6; 7:2, 7, 8), fampakaram-bady (Jn 2:2, 3, 9, 10; 4:46), na fety hafa (1Ta 12:39, 40; Jb 1:13, 18). Nanana tahirin-divay ny mpanjaka (1Ta 27:27; 2Ta 11:11), ary fisotron’ny mpanjaka sy governora ny divay. (Ne 2:1; 5:15, 18; Da 1:5, 8, 16) Matetika no nivatsy divay ireo nanao dia lavitra.​—Js 9:4, 13; Mpts 19:19.

Entam-barotra be mpitady ny divay (Ne 13:15), ary nalaza be ny “divay avy any Helbona” (tena tian’ireo mpanjakan’i Persa) sy ny “divain’i Libanona.” (Ezk 27:18; Ho 14:7) Divay sy zavatra hafa no karaman’ireo nanangona sy nikapa hazo hanorenana ny tempoly. (2Ta 2:8-10, 15) Fanomezana tena tsara ho an’ny olona ambony ny divay (1Sa 25:18; 2Sa 16:1, 2), ary anisan’ny ampahafolon-karena nomena ny mpisorona sy Levita. (De 18:3, 4; 2Ta 31:4, 5; Ne 10:37, 39; 13:5, 12) Anisan’ny zava-tsoa natolotra ho an’i Jehovah koa ny divay rehefa nanao fanatitra ho Azy.​—Ek 29:38, 40; Le 23:13; No 15:5, 7, 10; 28:14; 1Sa 1:24; 10:3; Ho 9:4.

Tatỳ aoriana vao nampiana divay ny sakafon’ny Paska, angamba taorian’ny sesitany avy tany Babylona. Nisy divay àry tamin’ny Paska farany nankalazain’i Jesosy sy ny apostoliny, ary nampiasa azy io izy rehefa nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Mifanitsy tsara amin’ny ran’i Jesosy natao sorona ny “ram-boaloboka” mena. Nantsoin’i Jesosy hoe “itony vokatry ny voaloboka itony” ilay divay nampiasainy tamin’io alina io, ary tena divay ilay izy satria efa fito volana talohan’izay angamba no vita ny fiotazana voaloboka.​—Ge 49:11; Mt 26:18, 27-29.

Manadio ratra sy mamono otrikaretina ny divay araka ny hita tamin’ny tenin’i Jesosy, izay notaterin’i Lioka mpitsabo. (Lk 10:34) Resahin’ny Baiboly koa fa manasitrana aretim-bavony sy aretin-tsinay sasany izy io. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Aza misotro rano intsony fa divay kely sotroina, noho ny vavoninao sy noho ny tsy fahasalamanao matetika.” (1Ti 5:23) Tsara io torohevitra io. Hoy mantsy ny Pr. Salvatore Lucia, mpampianatra momba ny fitsaboana tao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia: “Ny divay no zava-pisotro tranainy indrindra sy fanafody be mpampiasa foana teo amin’ny tantara. ... Vitsy ihany ny zavatra ankoatra ny divay nampirisihana ny ankamaroan’ny olona hoe hatao fanafody.”​—Divay Atao Sakafo sy Fanafody, 1954, p. 5; jereo ARETINA SY FITSABOANA.

Mampitony ny alkaola ary manadonto atidoha, fa tsy manaitaitra ny saina araka ny hevi-diso ananan’ny sasany. ‘Izay efa ho faty no aoka homena toaka, ary izay vontom-pahoriana no homena divay’, hoy ny ohabolana, mba ‘tsy hahatsiarovany ny fahoriany’, fa tsy hoe mba hanaitairana ny sainy ka hahatsapany kokoa ny fijaliany. (Oh 31:6, 7) Fanaon’ny Romanina fahiny ny nanome divay misy zava-mahadomelina ny mpanao heloka bevava, mba tsy ho reny loatra ny fanaintainany rehefa vonoina ho faty izy. Mety ho izany no antony nanomezan’ny miaramila romanina divay niharo zava-mahadomelina an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana.​—Mr 15:23.

Anisan’ny zava-tsoa nomen’i Jehovah ny olombelona ny divay. “Mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty” izy io, ary ‘mampifalifaly’ ny fo. (Sl 104:15; Es 1:10; 2Sa 13:28; Mpto 2:3; 10:19; Za 10:7) Tsy nisotro divay àry i Daniela rehefa nisaona. (Da 10:2, 3) Miverimberina ao amin’ny Baiboly ny hoe ‘samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy aviaviny’ ny olona. Divay betsaka no tiana holazaina amin’ny hoe ‘voaloboka’ eo, ka midika izany fa hiadana sy tsy hanana ahiahy ny olona rehefa hitondra ny tany i Jehovah. (1Mp 4:25; 2Mp 18:31; Is 36:16; Mi 4:4; Za 3:10) Nampanantena Izy fa anisan’ny fitahiana homeny ny vahoakany tafaverina an-tanindrazana ny divay. (Jl 3:18; Am 9:13, 14; Za 9:17) Ho tanteraka amin’ny hoavy koa ny sasany amin’ireo faminaniana ireo.

Tsy tokony hatao be loatra. Tokony hahalala onony amin’ny zava-drehetra isika, hoy ny Baiboly. Mahasoa, ohatra, ny tantely nefa lasa mankarary raha be loatra. (Oh 25:27) Nomen’i Jehovah koa ny divay sy toaka, nefa tokony hahalala onony izay misotro an’ireo. Tsy ankasitrahan’i Jehovah izay miboboka an’ireo sy tsy miraharaha ny toro lalany. Mety ho ratsy fitondran-tena sy ho faty koa ny olona toy izany, araka ny asongadin’ireo didy sy ohatra hita ao amin’ny Baiboly.​—Oh 23:29-31; jereo FAHAMAMOANA.

Mety tsy ho fahendrena sy hankarary ny misotro toaka indraindray, na dia kely fotsiny aza. Mety tsy hisotro koa ny olona iray amin’ny fotoana sasany, satria tia sy miahy ny hafa izy ary tsy te hanafintohina azy ireo.​—Ro 14:21.

Tsy navelan’i Jehovah hisotro divay na toaka ny mpisorona sy Levita nanompo tao amin’ny tranolay masina na tempoly, sao hovonoina ho faty. (Le 10:8, 9; Ezk 44:21) Nahazo nisotro kosa izy ireo rehefa tsy nanompo, nefa tokony hahalala onony. (1Ta 9:29) Norarana tsy hisotro divay sy toaka koa ny Nazirita raha mbola nanefa ny voadiny. (No 6:2-4, 13-20; Am 2:12) Tsy nahazo nisotro divay sy toaka, ohatra, ny renin’i Samsona tamin’ny bevohoka azy, satria ho Nazirita ilay zaza raha vao teraka. (Mpts 13:4, 5, 7, 14) “Tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny manam-pahefana ny manao hoe: ‘Aiza ny toaka?’” rehefa miantsoroka ny andraikiny, sao izy “hanadino ny didy efa navoaka ary hamadika ny rariny tokony ho an’ny ory.” (Oh 31:4, 5) Tsy tokony ho “mpimamo mila ady” ny mpiandraikitra kristianina, ary “tokony ho mato-tsaina” sy “tsy mpiboboka divay” ny mpanampy amin’ny fanompoana.​—1Ti 3:3, 8.

Heviny an’ohatra. Nataon’i Babylona fahiny ‘mamon’ny divay’ ny firenena rehetra, rehefa nampiharany ny didim-pitsaran’i Jehovah. Midika izany fa niharan’ny fahatezeran’i Jehovah izy ireo. (Je 51:7) Tezitra amin’ny fahavalony i Jehovah, ka voalaza fa terena hisotro ‘divay misy roatrany’, ‘divain’ny fahatezerana’ ary “divain’ny fahatezeran’Andriamanitra” izy ireo. (Sl 75:8; Je 25:15; Ap 14:10; 16:19) Tsy misy ifandraisany amin’ny fahatezeran’Andriamanitra kosa ilay ranon-javatra mangidy, na ny ‘divain’ny fijangajangan’i Babylona Lehibe’ izay ampisotroiny ny firenena rehetra.​—Ap 14:8; 17:2; 18:3, 13.