Dizahaba
(Dizahàba) [mety hidika hoe Toeran’ny Volamena].
Toerana iray tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Tononina miaraka amin’ny anaran-toerana hafa izy io, ka izany no manampy hahalalana hoe taiza i Mosesy no nanafatrafatra farany ny Israelita. Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io.—De 1:1.