Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dobon’ny Lakandrano

Dobon’ny Lakandrano

Dobo na fitehirizan-drano, izay azo inoana fa teo atsimon’ny Tanànan’i Davida, eo amin’ny toerana ihaonan’ny Lohasahan’i Hinoma sy ilay lohasaha mamakivaky ny afovoan-tanàna (Tyropoeona). (Ne 3:15) Toa nantsoina hoe “dobo ambany” koa izy io.​—Is 22:9.

“Dobon’i Sela” no ao amin’ny Nehemia 3:15, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Misy manam-pahaizana milaza fa “Siloa” (midika hoe “Mpandefa”) no tokony ho eo fa tsy “Sela”, ka lakandrano nitarihana rano nankany amin’ny dobo iray no tiana holazaina. (Is 8:6) Misy Baiboly tsy mandika an’ilay hoe “Sela” fa avelany amin’izao fotsiny. “Dobon’ny Lakandrano” anefa no nandikan’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’ilay fitambaran-teny.

Nisy sisana lakandrano fahiny hita teo atsimon’ny loharanon’i Gihona, manaraka ny moron’i Kidrona, ary mifarana eo amin’ny fitehirizan-drano tranainy iray, izay antsoina ankehitriny hoe Birket el-Hamra. Misarona vato fisaka ny ampahany sasany amin’ilay lakandrano, kanefa toa nisy vavany teny an-tsefatsefany teny mba hitarihana rano hanondrahana an’ilay lohasaha. Natao miraika kely ilay lakandrano, ka mety ho izany no tian’ny Isaia 8:6 holazaina amin’ny hoe “ny ranon’i Siloa izay misononòka.” Nilaza i Nehemia fa teo akaikin’ny Zaridainan’ny Mpanjaka sy ny Tohatoha-bato nidina avy teo atsimon’ny Tanànan’i Davida no nisy ny Dobon’ny Lakandrano. Mifanaraka tsara amin’izany ny toerana misy an’i Birket el-Hamra.