Dodanima
(Dôdanìma).
Ny anarany no voatonona fahefatra amin’ireo zanakalahin’i Javana, ao amin’ny Genesisy 10:4. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina kosa manao hoe “Rodanima.” Ny 1 Tantara 1:7 amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta koa ahitana hoe “Rodanima.” “Dodanima” kosa anefa no hita ao amin’ny sora-tanana hebreo maro sy ny Peshitta syriàka ary ny Vulgate latinina.—Jereo RODANIMA.