Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Doega

Doega

(Doèga) [mety hidika hoe Mitebiteby; Matahotra].

Edomita nitana andraikitra ambony satria lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 21:7; 22:9) Olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy i Doega. “Voatana teo anatrehan’i Jehovah” izy tany Noba, angamba noho ny voady nataony, na noho ny fahalotoana, na nahiahina hoe nisy habokana. Teo izy rehefa nomen’i Ahimeleka Mpisoronabe an’i Davida ny mofo aseho sy ny sabatr’i Goliata. Rehefa nilaza tamin’ny mpanompony i Saoly fa nikomy taminy izy ireo, dia notantarain’i Doega ny zavatra hitany tany Noba. Nampanantsoin’i Saoly ny mpisoronabe sy ireo mpisorona tao Noba, ka nanontaniany i Ahimeleka. Nasainy namono an’ireo mpisorona ireo àry ny mpihazakazaka, nefa tsy nety izy ireo. I Doega indray no nomen’i Saoly baiko, ka novonoiny tsy nisy indrafo ireo mpisorona 85 tao Noba. Naripany tsy nisy niangana koa ny mponina tao, na antitra na tanora, mbamin’ny biby fiompy.​—1Sa 22:6-20.

Miresaka momba an’i Doega i Davida ao amin’ny Salamo faha-52, raha jerena ny teny mampiditra an’io toko io. Hoy izy: “Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza, sady mamitaka. Ny ratsy no tianao noho ny tsara, ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. Tianao daholo izay teny mitondra loza, ry lela mpamitaka ô!”​—Sl 52:2-4.