Doela
(Doèla) [Fahalalan’Andriamanitra; Mahalala Andriamanitra].
Rain’i Eliasafa. Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Gada i Eliasafa, rehefa nirenireny tany an-tany efitra ny Israely. (No 1:14; 7:42, 47; 10:20) Miantso an’i Doela hoe “Regoela” ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Peshitta syriàka, ao amin’ny Nomery 2:14. Mety ho fahadisoan’ny mpanao dika soratra izany satria mitovy be ny litera hebreo mifanitsy amin’ny “D” sy “R.” “Doela” anefa no hita ao amin’ny Nomery 2:14, ao amin’ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina sy ao amin’ny Vulgate latinina ary ao amin’ny sora-tanana zato mahery amin’ny teny hebreo.