Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dopka

Dopka

(Dôpkà) [mety hidika hoe Noroahina; Natosika].

Toerana voalohany nitobian’ny Israelita rehefa niala tao amin’ny Tany Efitr’i Sina izy ireo, mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. (No 33:12, 13) Tsy voalazan’ny Baiboly hoe taiza marina no nisy an’i Dopka. Manam-pahaizana maro anefa no mihevitra azy io ho ilay faritra any Ejipta atao hoe Mafkat, any amin’ny 34 km eo ho eo any atsinanan’i Abou Zénima ankehitriny, eo amin’ny Saikinosin’i Sinay. Avy amin’ny anaran’ny vato torkoazy trandrahina hatry ny ela tsy lavitra an’i Sarabit el-Khadim ny hoe Mafkat.