Drakma
(dràkma).
Vola madinika volafotsy grika mbola nampiasaina tamin’ny taonjato voalohany. (Lk 15:8, 9) Nisy sarin’ny lohan’i Athéna andriamanibavy ny drakma nampiasaina tany Atena, ary sarina vorondolo ny tao ambadika. Nihena ho 3,4 g teo ho eo angamba ny lanjan’ny drakma tamin’ny andron’i Jesosy, ka mitentina 0,65 dolara izao. Nampitovin’ny Grika ny sandan’ny drakma sy denaria tamin’ny taonjato voalohany. Ny fitondrana romanina kosa nilaza fa telo ampahefatry ny denaria ny drakma iray. Drakma roa (didrakma) no hetran’ny tempoly naloan’ny Jiosy isan-taona.—Mt 17:24.
Samy hafa ny drakma volafotsy grika sy ny “drakma” (darkemôhn) volamena resahin’ny Soratra Hebreo, izay mitovy amin’ny darìka persianina (8,4 g; 94,50 dolara).—Ezr 2:69; Ne 7:70-72.