Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ebala, Tendrombohitra

Ebala, Tendrombohitra

(Ebàla).

Tendrombohitra iray antsoina hoe Jebel Eslamiyeh (Hara ʽEvala) ankehitriny, any amin’ny faritr’i Samaria. Tendrombohitra mifanatrika i Ebala sy Gerizima ka ny Lohasahan’i Sekema (Lohasahan’i Naplouse) no manasaraka azy ireo. Eo amin’io lohasaha tery sy mahafinaritra io no misy ny tanànan’i Naplouse, akaikin’i Sekema fahiny. Ny faritra ivaiva amin’ny tehezan’ilay tendrombohitra ihany no anirian’ny voaloboka sy oliva, fa somary ngazana sy be vato ny eny ambony. Sokay rakotra tany fotsy (tsaoka) ny Tendrombohitra Ebala, toy ireo tendrombohitra hafa any Samaria. Eo avaratratsinanan’ny Tendrombohitra Gerizima no misy azy io, ary maherin’ny 900 m ambonin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane ny tampony. Samy any andrefan’ny Reniranon’i Jordana i Ebala sy Gerizima.​—De 11:29, 30.

T. Ebala tazana avy eo amin’ny T. Gerizima

Tazana eny avaratra, avy eo an-tampon’i Ebala, ny ampahany lehibe amin’i Galilia sy ny Tendrombohitra Hermona. Tazana eny atsimo kosa ireo tendrombohitra eny akaikin’i Jerosalema, ary eny andrefana ny Lemak’i Sarôna sy ny Ranomasina Mediterane. Tazana hatrany Haorana any ampitan’i Jordana kosa ny eny atsinanana. Efa nitoby teo amin’ilay lohasaha teo anelanelan’ireo tendrombohitra ireo i Abrama (Abrahama), teo akaikin’ireo hazoben’i More.​—Ge 12:6.

Nilazan’i Mosesy ny Israelita fa rehefa hampidirin’i Jehovah ao amin’ilay tany halehany izy ireo, dia tsy maintsy ‘tononin’izy ireo eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ilay fitahiana, ary eo amin’ny Tendrombohitra Ebala kosa ilay ozona.’ (De 11:29, 30) Nasain’i Mosesy naka vatobe maromaro tsy voapaika koa izy ireo mba holalorina sokay ary hatsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ebala. Tsy maintsy nanorina alitara teo izy ireo, mba hanaovana sorona ho an’i Jehovah. Hoy i Mosesy avy eo: “Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity lalàna ity, ka ataovy mazava tsara.”​—De 27:1-8.

Rehefa tafita an’i Jordana ny Israelita, dia nitsangana teo amin’ny “Tendrombohitra Ebala” ny fokon’i Robena sy Gada, Asera, Zebolona, Dana ary Naftaly mba “hanonona ozona.” Ny foko hafa kosa nitsangana teo amin’ny “Tendrombohitra Gerizima mba hanonona fitahiana ho an’ny olona.” Notanisaina ny fitahiana ho azon’ireo mankatò ny lalàn’Andriamanitra, sy ny ozona hanjo an’izay tsy mankatò. (De 27:12-14) Tsy maintsy nanao hoe: “Amena!”, izany hoe “Ho tanteraka anie izany!” ny olon-drehetra, rehefa notononina ireo ozona ho an’ireo tsy mankatò. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa nekeny hoe mendrika homelohina ny mpanao ratsy.​—De 27:15-26.

Narahin’i Josoa ny tenin’i Mosesy rehefa resin’ny Israely i Ay, ka nanorina alitara ho an’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Ebala izy. Nadikany tamin’ny vato (mety ho ny vaton’ny alitara, nefa tsy voatery ho izany) “ny lalàn’i Mosesy izay nosoratany teo anatrehan’ny zanak’Israely.” “Novakiny mafy nony avy eo izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona, araka izay rehetra voasoratra tao amin’ny boky misy ny lalàna.” Nanao izany izy teo anatrehan’ny fiangonan’Israely (anisan’izany koa ireo vahiny), araka ny nandidian’i Mosesy. Nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala ny antsasaky ny fiangonana, ary ny antsasany teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima, fa ny Vata misy ny fifanekena sy ny Levita kosa teo anelanelan’izy ireo. (Js 8:30-35) Nifanatrika ny tehezan-tendrombohitr’i Ebala sy Gerizima, ka nahatonga ny feo ho re tsara. Tsara homarihina fa efa tao amin’ilay Tany Nampanantenaina izany rehetra izany no nitranga. Teo akaikin’io toerana io koa i Jehovah no nampanantena fa hanome an’ilay tany ho an’i Abrama (Abrahama) razamben’ny Israely.​—Ge 12:6, 7.

Lazain’ny lovantsofina jiosy fa nitodika tany Gerizima ireo Levita nijoro teo anelanelan’ireo tendrombohitra roa rehefa nanonona fitahiana iray, ary namaly hoe: “Amena!” ny olona tafangona teo Gerizima. Voalaza koa fa nitodika tany Ebala indray izy ireo rehefa nanonona ozona iray, ary namaly hoe: “Amena!” ny olona tafangona teo. Tsy lazain’ny Soratra Masina anefa ny tsipirian’ny fomba nanatanterahana an’io fotoan-dehibe io.

Ny Tendrombohitra “Gerizima” no lazain’ny Deoteronomia 27:4 fa tokony hananganana an’ireo vato ireo, araka ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. I “Ebala” anefa no ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, sy ny Vulgate latinina, ny Peshitta syriàka, ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Asehon’ny Josoa 8:30-32 fa teo amin’ny Tendrombohitra Ebala i Josoa no nanangana ireo vato nanoratana indray “ny lalàn’i Mosesy.”​—Jereo GERIZIMA, TENDROMBOHITRA.