Ebeda
(Ebèda) [Mpanompo; na fanafohezana ny hoe Obadia, izay midika hoe “Mpanompon’i Jehovah”].
1. Rain’i Gala. Nitarika ny mponina tao Sekema hikomy tamin’i Abimeleka io Gala io. Tsy nahomby anefa ilay fikomiana.—Mpts 9:26, 29, 39-41.
2. Zanakalahin’i Jonatana. Niaraka tamin’i Ezra i Ebeda sy ny 50 lahy, avy tamin’ny fianakaviamben’i Adina, rehefa niala tany Babylona i Ezra ka niverina tany Jerosalema.—Ezr 8:6.