Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ebenezera

Ebenezera

(Ebenezèra) [Vato Manampy].

1. Toerana iray teo akaikin’ny nandresen’ny Filistinina indroa ny Israely ka nahafatesana Israelita 34 000, anisan’izany i Hofinia sy Finehasa. Lasan’ny fahavalo koa ny Vata misy ny fifanekena. Nanafaingana ny nahafatesan’i Ely mpisorona ny fandrenesana izany. (1Sa 4:1-11, 17, 18; 5:1) Misy manam-pahaizana milaza an’i Ebenezera ho i Majdel Yaba, 4 km any atsimoatsinanan’i Afeka any amin’ny Lemak’i Sarôna (toerana nitobian’ny Filistinina).

2. Anaran’ny vato natsangan’i Samoela ho fahatsiarovana ny nandresen’ny Israely ny Filistinina noho ny fanampian’Andriamanitra. (1Sa 7:12) Maherin’ny 20 taona taorian’ilay fitantarana ao amin’ny 1 Samoela 6 no nitrangan’izany. (1Sa 7:2) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’io vato io. Toa kilaometatra vitsivitsy tany atsimoatsinanan’i Ebenezera No. 1, “teo anelanelan’i Mizpa sy Jesana”, anefa no nisy azy io.