Edena
(Edèna) [Fahafinaretana].
1. Faritra nisy an’ilay zaridaina namboarin’ny Mpamorona ho fonenan’ny mpivady voalohany. Toy ny valan-javaboary izy io. Toa ampahany fotsiny tamin’ilay faritra nantsoina hoe Edena ilay zaridaina, satria voalaza fa “tao Edena tany atsinanana” ilay izy. (Ge 2:8) Nanjary nantsoina hoe “zaridainan’i Edena” anefa izy io. (Ge 2:15) “Edena, zaridainan’Andriamanitra” (Ezk 28:13) sy “zaridainan’i Jehovah” kosa no niantsoana azy, tatỳ aoriana.—Is 51:3.
Paradeisôs no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay teny hebreo gan izay midika hoe “zaridaina.” Izany no mahatonga ny olona hampifandray ny hoe “paradisa” amin’ny zaridainan’i Edena.
Hoy ny Genesisy 2:15: “Naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena.” Toa milaza ilay andininy fa noforonina tany ivelan’ilay zaridaina ralehilahy. Ilay hoe “naka” anefa dia mety hidika fotsiny hoe namolavola sy namorona an-dralehilahy avy tamin’ny vovoky ny tany Andriamanitra, ary namponina azy tao amin’ilay zaridaina, izany hoe ilay toerana namoronana azy ihany. Nasaina niasa sy nikarakara an’ilay zaridaina ralehilahy. Feno hazo sy zavamaniry isan-karazany tao: Teo ny nahafinaritra ny maso, ary teo koa ny fihinana. (Ge 2:9, 15) Nalalaka be àry ilay zaridaina.
Nisy biby maro isan-karazany koa tao amin’ilay zaridaina. Nentin’Andriamanitra teo amin’i Adama “ny biby fiompy rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra ary ny bibidia rehetra”, ary nasainy nomena anarana daholo. Anisan’ny asa voalohany nampiandraiketina an’i Adama izany. (Ge 2:19, 20) Nisy renirano “nivoaka avy tao Edena”, ary io no nanondraka ny tany tao. (Ge 2:10) Nitanjaka ny olona ka azo inoana fa tsy nafana loatra na nangatsiaka loatra ny toetrandro fa nahafinaritra kosa.—Ge 2:25.
Inona ilay voankazo voarara tao Edena?
Afaka nihinana ‘izay laniny’ tamin’ny voankazo tao Edena ralehilahy. (Ge 2:16) Ny hazo “fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ihany no tsy navela nihinanan’ny mpivady voalohany. Nilaza i Eva fa niteny tamin’i Adama i Jehovah hoe tsy azo atao na dia ny ‘mikasika’ an’ilay hazo aza, ary ho faty izy ireo raha mandika sy tsy manaja ny lalàn’Andriamanitra. (Ge 2:17; 3:3) Maro ny fanazavana naroso momba ilay voankazo voarara. Misy, ohatra, milaza fa firaisana ara-nofo ilay izy fa aseho an’ohatra amin’ny hoe “paoma.” Misy koa milaza fa fahalalana ny mety sy ny tsy mety fotsiny izy io, na fahalalana ananan’ny olona efa matotra sy nahita fiainana ka azo ampiasaina amin’ny fomba tsara na amin’ny fomba ratsy. Tsy firaisana ara-nofo mihitsy anefa ny voan’ilay hazo satria nanome baiko ny Mpamorona hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Ahoana no hahafahany hiteraka sy hitombo taranaka raha tsy manao firaisana izy ireo? Tsy ny fahalalana ny mety sy ny tsy mety koa ilay voankazo, satria tsy maintsy ho efa nanana an’io fahalalana io ny olona tsy nisy ota matoa nasaina nankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy hoe fahalalana azon’ny olona efa matotra koa anefa izy io. Tsy fahotana mantsy ny hoe matotra, ary azo antoka fa tsy manery ny olona ho zaza saina foana ny Mpamorona.
Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe karazana hazo inona ilay izy. Azo inoana anefa fa manondro ny zon’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe “tsara” HAZO, II.) Nandrara an’ilay mpivady voalohany tsy hihinana tamin’ilay voankazo Andriamanitra, ary nomelohiny izy ireo rehefa tsy nankatò. Ny tsy fankatoavana, izany hoe ny fihinanana tamin’ilay voankazo voarara, àry ilay fahotana tany am-boalohany.—Ge 3:3.
sy “ratsy” ho an’ny zavaboariny ilay hazo. Ny Mpamorona ihany no manana izany zo izany. Takiny àry ny hanaovana izay lazainy fa tsara sy ny hifadiana an’izay lazainy fa ratsy. Hahazo sitraka foana amin’ilay Andriamanitra Mpanjakan’izao rehetra izao ny zavaboary, raha manao izany. (JereoMisy mpanakiana milaza fa tsotra loatra ilay tantara momba izay nitranga tao Edena. Izany mihitsy anefa no tokony ho izy, satria mety tsara amin’ilay fiainana tsotra ilay fitsapana tsotra nitranga tao. Tsotra ny fiainan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy tamin’izy ireo vao noforonina. Tsy novesaran’ireo olana sy zava-manahirana vokatry ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo. Tsotra ilay fitsapana, nefa nampiseho mazava tsara sy tamin’ny fomba mahavariana an’ireto fahamarinana tsy azo lavina ireto: Andriamanitra no manana zo hitondra; tsy mandeha ny fiainan’ny olona raha tsy misy an’Andriamanitra; ary manana adidy aminy ny olona. Marina fa tsotra ny tantara momba izay nitranga tao Edena, nefa ambony lavitra sy mendri-kaja raha oharina amin’ireo tombantombana momba ny niandohan’ny olombelona. Lazain’ireny tombantombana ireny mantsy fa tsy nipetraka tao amin’ny zaridaina ny olona tamin’ny voalohany fa tao anaty lava-bato, ary bado sy tsy nahay ny atao hoe tsara sy ratsy. Tsotra ilay fitsapana tao Edena nefa nampiseho tsara an’ilay toro lalana nambaran’ny Zanak’Andriamanitra, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.”—Lk 16:10.
Tsy natao hanelingelina ny fiainan’ilay mpivady voalohany mihitsy ilay hazo voarara tao Edena, sady tsy natao hiteraka adihevitra. Raha nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra momba azy io i Adama sy Eva, ary nanaraka an’ireo toromarika nomeny, dia tsy ho simba mihitsy ilay zaridaina fonenan’izy ireo fa ho nahafinaritra sy kanto foana. Asehon’ilay tantara fa ilay Fahavalon’Andriamanitra no nampisy adihevitra momba ilay hazo. Izy koa no naka fanahy ny olombelona mba handika ny didin’Andriamanitra. (Ge 3:1-6; ampit. Ap 12:9.) Nanan-tsafidy i Adama sy Eva ka afaka nanao izay tiany. Nifidy ny hanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra izy ireo, ka nafoiny ny Paradisa sy ny fitahiana rehetra mety ho azony tao. Tsy izay ihany anefa! Tsy nahazo nihinana tamin’ny hazo hafa iray tao Edena izy ireo. Manan-jo hiaina mandrakizay anefa izay olona mihinana amin’io hazo io. Noroahin’i Jehovah àry ny olona, “ary napetrany teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.”—Ge 3:22-24.
Toerana nisy an’i Edena. Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. Manampy hahalalana izany anefa ny voalazan’ny Baiboly momba ny renirano iray “nivoaka avy tao Edena.” “Nisampana” ho renirano efatra izy io avy eo: I Eofrata, Hidekela, Pisona, ary Gihona. (Ge 2:10-14) Be mpahalala i Eofrata (heb.: Perat). I “Hidekela” kosa voaresaka ao amin’ny soratra tranainy, ary Reniranon’i Tigra no ahalalana azy ankehitriny. (Ampit. Da 10:4.) Tsy fantatra kosa ny mombamomba an’i Pisona sy Gihona.—Jereo KOSY No. 2; HAVILA No. 1.
Milaza kosa i Calvin sy Delitzsch fa tany akaikikaikin’ny tendron’i Hoala Persika, any Mezopotamia Ambany, eo amin’ny toerana ifanakaikezan’i Tigra sy Eofrata no nisy an’i Edena. Lazain’izy ireo koa fa lakandrano eo anelanelan’i Tigra sy Eofrata i Pisona sy Gihona. Raha marina anefa izany, dia lasa sakelidrano mivarina ao amin’ny renirano iray izy ireo, fa tsy sampana avy amin’ny renirano iray. Ny soratra amin’ny teny hebreo kosa manondro toerana any amin’ny faritra be tendrombohitra any avaratry ny lemak’i Mezopotamia, any amin’ny faritra misy an’ireo loharano iavian’i Eofrata sy Tigra ankehitriny. Manamarika toy izao àry Ny Baiboly Vatofantsika (1964), ao amin’ny Genesisy 2:10: “Antsoina hoe ‘farany’ (Js 15:5; 18:19) ny vinany, amin’ny teny heb[reo]; manondro ny any ambony kokoa amin’ny renirano àry ilay endriny milaza maro hoe rôʼs izay nadika hoe ‘lohany’ [na ‘sampany’]. ... Izany mihitsy koa no dikan’ilay teny ak[adianina] hoe reso, izay iray fiaviana amin’ny hoe rôʼs.” Tsy iray intsony ankehitriny ny loharano iavian’i Eofrata sy Tigra, ary tsy fantatra intsony i Pisona sy Gihona. Nanova be ny firafitry ny vohon-tany mantsy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, ka nanjary tototra ny renirano sasany, ary nisy vaovao niforona.
Efa hatramin’ny ela be ny olona no nihevitra fa ny toerana nisy ny zaridainan’i Edena dia any amin’ny faritra be tendrombohitra, any amin’ny 225 km eo ho eo any atsimoandrefan’ny Tendrombohitra Ararata, eo atsimo kelin’ny Farihin’i Van, any amin’ny faritra atsinanan’i Torkia. Mety ho voahodidin’ny tendrombohitra na fefy voajanahary hafa i Edena. Voalaza mantsy fa teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena ihany no nasiana kerobima, dia teo amin’ilay lalana nivoahan’i Adama sy Eva avy tao amin’ilay zaridaina.—Ge 3:24.
Tsy nisy ‘niasa sy nikarakara’ intsony ilay zaridaina niendrika paradisa, rehefa voaroaka tao i Adama. Azo inoana àry fa naniriniry ho azy fotsiny ny zavatra tao, ary biby sisa no nipetraka tao, mandra-pahatongan’ny Safodrano izay nanapotika tanteraka an’ilay toerana. Tsy hain’ny olona intsony ny toerana nisy an’i Edena. Izay lazain’ny tenin’Andriamanitra sisa no ahalalana hoe tena nisy izy io.—2. Toerana tanisaina miaraka amin’i Harana sy Kane, ary lazaina fa foibe ara-barotra nifampiraharaha tamin’i Tyro. Nampahalaza an’i Edena ny varotra fitafiana tsara sy karipetra ary tady. (Ezk 27:23, 24) Voalaza fa fanafohezana an’ilay anarana hoe Beti-edena resahin’ny Amosa 1:5, ny hoe Edena. Anisan’ireo mponina tany amin’ireo tanàna resin’ny tafika asyrianina ny “zanak’i Edena.” (2Mp 19:12; Is 37:12) Misy milaza fa io Edena io (Beti-edena) ilay faritany kely atao hoe Bit-adini manamorona ny Reniranon’i Eofrata.—Jereo BETI-EDENA.
3. Iray tamin’ireo Levita nanaiky handray anjara tamin’ilay fanavaozana nataon’i Hezekia Mpanjaka. Voatendry hiasa teo ambany fiandraiketan’i Kore “mpiandry vavahady teo atsinanana” i Edena, taorian’izay. Andraikiny ny nizara ny fanomezana masina tamin’ireo mpisorona, araka ny fizarana nisy azy ireo avy.—2Ta 29:12; 31:14, 15.