Edera
(Edèra).
1. Taranak’i Beria avy amin’ny fokon’i Benjamina. Nonina tany Jerosalema izy.—1Ta 8:1, 15, 16, 28.
2. Taranak’i Mosy anisan’ny fianakavian’ny Levita taranak’i Merary. Nisy asa fanompoana nanendrena azy tamin’ny andron’i Davida.—1Ta 23:21, 23-25; 24:30.
3. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. (Js 15:21) Raha ampifamadihana ny renisoratra hebreo roa farany amin’ny hoe Edera, dia lasa mitovy amin’ny renisoratra hita ao amin’ny hoe Arada. “Ara” fa tsy “Edera” koa no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Sora-tanana Vaticanus No. 1209), ka milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i Edera ihany ilay Arada (Tel ʽArad), tokotokony ho 28 km any atsinanan’i Beri-sheba.
4. [Andiam-biby]. Tilikambo teo akaikin’ny toerana nananganan’i Jakoba (Israely) ny tranolainy, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Rahely. Tsy fantatra hoe taiza no tena nisy azy io, nefa azo inoana hoe teo anelanelan’i Betlehema sy Hebrona. Hita avy amin’ilay anarana fa fialofan’ireo mpiandry ondry izy io sady tilikambo fiambenana azon’izy ireo nitazanana ny andiam-bibiny. (Ge 35:19, 21, 27) Mbola teny ny tranolain’i Jakoba tamin’i Robena ‘nandoto ny farafaran’i Jakoba’, ka nanao firaisana tamin’i Bilaha vadikelin-drainy.—Ge 35:22; 49:3, 4.
Ilay teny hebreo nadika hoe “tilikambo Edera” (migdal-ʽeder) dia mitovy amin’ny teny hebreo nampiasain’i Mika (4:8) tamin’izy niresaka momba ny “tilikambon’ny andiam-biby.” Mety ho ny toerana nitobian’i Jakoba no tiany holazaina rehefa niresaka momba an’ireo vahoakan’i Jehovah “mikotringa” izy. (Mi 4:7) Rehefa naverina tamin’ny laoniny i “Ziona”, dia ho tsara ambina izy ireo, toy ny hoe tazanina avy eny ambony “tilikambo” ka voaro amin’ny loza. Mitovy amin’ny sarin-teny hafa nampiasain’i Mika ao amin’ny faminaniany io fanoharana io. Nolazainy fa “hiandry ny ondriny” ny Mesia (Mi 5:2-4), ary ny vahoakan’i Jehovah dia toy ny “ondry” lovan’Andriamanitra.—Mi 7:14.