Edoma
(Edôma) [Mena], Edomita (Edômita).
Nantsoina koa hoe Edoma i Esao, kambana amin’i Jakoba. (Ge 36:1) Nomena an’io anarana io izy, satria nivarotra ny zony amin’ny maha lahimatoa azy ho takalon’ny lantihy mena. (Ge 25:30-34) Mena koa ny vatany tamin’izy teraka (Ge 25:25), ary feno tany mena ny faritra sasany nonenan’izy sy ny taranany.
Seira sy Edoma. Nanomboka nanorim-ponenana tany Seira “tany amin’ny faritr’i Edoma” (Ge 32:3) i Esao (Edoma), tamin’i Jakoba nipetraka 20 taona tany Harana. Mbola tsy maty àry i Isaka rainy (Ge 35:29) no toa efa nanatanteraka ny faminanian-drainy i Esao. Nanalavitra ny faritra lonaka nanodidina an’i Hebrona mantsy izy. ‘Ny sabany koa no nivelomany’, ary nanana 400 lahy teo ambany fiadidiany izy. (Ge 27:39, 40; 32:6, 8) Mbola nipetraka na nanana toby tany amin’ny faritr’i Hebrona ihany anefa izy, fa rehefa maty ny rainy (1738 T.K.) vao tena nifindra tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira izy. Efa nihamaro mantsy ny zanany sy ny fananany.—Ge 36:6-8.
Tanin’ny Horita i Seira fahiny (Ge 14:6; 36:20-30), saingy noroahin’ny taranak’i Esao ireo lehibem-poko horita ka nalain’izy ireo ilay tany. (De 2:12) Nantsoina koa hoe Edoma i Seira tatỳ aoriana.—No 24:18.
Ny mombamomba ilay tany. Nisy 160 km teo ho eo ny lavan’i Edoma nanomboka teo amin’ny sisin-taniny (mifanila amin’ny an’i Moaba) tany avaratra, teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda, ka hatrany Elata (Elota) teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba tany atsimo. (De 2:1-8, 13, 14; 1Mp 9:26) Ny Tany Efitr’i Arabia no teo atsinanany. Anisan’ny tapany andrefana kosa i Araba sy ny Efitr’i Zina ary ny faritra be tendrombohitr’i Negeba, izay nanomboka teo amin’ny tendrony atsimoandrefan’ny Ranomasin-tsira ka hatrany Kadesi-barnea. Lasa sisin-tany atsimoatsinanan’i Joda àry ny tapany andrefan’i Edoma.—Js 15:1; ampit. No 34:3.
Teny atsinanan’i Araba anefa no tena nisy ny Edomita, satria nisy rotsakorana ihany ny tandavan-tendrombohitra teny (1700 m ny haavon’ny tendrombohitra sasany). Iva kokoa mantsy ny faritr’i Negeba teny andrefan’i Araba, ka nisy tonga hatrany amin’ireo tendrombohitr’i Edoma ny rahona nitondra orana avy any Mediterane. Hitan’ny mpikaroka tokoa fa nisy faritra lavalava azo volena teny amin’ny toerana avo indrindra teo amin’ilay lembalemba mitomandavana. Hitan’izy ireo koa fa nisy tanàna kely sy toerana voaro mafy teo amin’io faritra io fahiny, fa tsy nisy kosa nianatsimo nankany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba. Misy sahan’oliva lehibe ankehitriny ao Tafileh, 30 km eo ho eo atsimon’ny Ranomasina Maty (Ranomasin-tsira). Loharano valo anefa no mamatsy rano an’i Tafileh, fa tsy ny rotsakorana, izay 28 sm eo ho eo monja isan-taona.
Tsy nanana tany lonaka firy i Edoma, nefa nanana varahina sy vy be dia be. Nisy fitrandrahana sy fandrendrehana metaly teny akaikin’i Feinan ankehitriny, 48 km eo ho eo atsimon’ny Ranomasina Maty. Nisy alan-kesika lehibe koa tany Edoma, araka ny porofo hitan’ny mpikaroka.
Naniraka olona hilaza tamin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hoe “eto an-tsisin’ny taninao” ny Israelita tao Kadesi-barnea. Niera izy mba havela handalo tany Edoma. Noresahiny tamin’izay ireo saha sy tanimboaloboka ary lavadrano tany.—No 20:14-17.
Tsara toerana i Edoma. Nangataka ny handeha tamin’ny “lalan’ny mpanjaka” tany Edoma i Mosesy sy ny Israelita. (No 20:17) Nantsoina hoe Lalamben’ny Mpanjaka io lalana io. Mety ho niainga avy teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba izy io, ary namakivaky an’i Edoma nanaraka ny sisin’ilay lembalemba teo atsinanan’i Araba ka tonga hatrany Damaskosy any Syria. Nandalo an’ireo tanàn-dehibe tany Edoma izy io. (Ge 36:33; 2Mp 14:7) Nisy lalana koa niainga avy teo Negeba ka niantsinanana nandalo an’i Maʽan teo an-tsisin’ny Tany Efitr’i Arabia. Teo izy io no nifandray tamin’ny lalan-kafa nianavaratra sy nianatsimo. Lalana fivezivezen’ny entam-barotra sarobidy avy any Ejipta, Arabia, Syria, ary Mezopotamia izy ireny. Azo inoana fa anisan’ny nampanan-karena an’i Edoma ny hetra notakina tamin’ireo mpivaro-mandeha nitaingina rameva na ampondra. Mety ho nividy sakafo sy nipetraka tany amin’ny tranom-bahiny koa ireo mpandeha reraky ny dia tany an-tany efitra.
Toy ny manda fiarovana mafy ho an’i Edoma ny tehezan-kavoana mitsatoka be tandrifin’i Araba. Sarotra koa ny nanafika an’i Edoma raha avy tany Moaba, satria lalina be ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda. (Mariho anefa ny Am 2:1.) Mora notafihina kosa ny ilany atsinanana tandrifin’ny tany efitra, ka nasiana toerana voaro mafy mba hiarovana an’i Edoma tamin’ny fanafihan’ny Midianita sy ny foko hafa mpifindrafindra monina. Voahodidina hantsana vatovary mena avo be koa ireo tsefatsefaky ny tendrombohitra sy lembalemba ka sarotra aleha. Marina àry ny voalazan’i Jehovah hoe ‘nipetraka teny an-tsefatsefa-bato sy nonina teny amin’ny havoana avo’ ny Edomita ka tsy nanana ahiahy, toy ny voromahery teny amin’ny akaniny.—Je 49:7, 16.
Ny mponin’i Edoma. Taranak’i Sema ny Edomita satria taranak’i Esao. Taranak’i Hama koa anefa izy ireo, satria Kananita (Hetita sy Hivita) ny roa tamin’ny vadin’i Esao. Ny vadiny iray ihany no azo lazaina hoe taranak’i Sema satria zanak’i Ismaela zanak’i Abrahama. (Ge 36:2, 3) Milaza ny manam-pahaizana sasany fa midika fotsiny hoe “mponina an-dava-bato” ny hoe Horita. Mety ho taranaky ny Horita nonina tany Seira àry ilay vehivavy hivita vadin’i Esao, dia i Oholibama zanakavavin’i Ana. (Ampit. Ge 36:2, 20, 24, 25.) Azo lazaina hoe havan’ny Israelita ny Edomita, toa an’ireo Moabita sy Amonita taranak’i Lota (mariho ny Da 11:41), ary voafora koa izy ireo. (Je 9:25, 26; ampit. Ezk 32:29.) Nilaza i Jehovah fa ‘rahalahin’ny’ Israelita ny Edomita, ary tsy tokony halain’ny Israelita ny tanin’izy ireo satria efa nomeny ho fananan’ny taranak’i Edoma ny Tendrombohitra Seira.—De 2:1-8.
Lehibem-poko no nitondra an’ireo foko edomita tamin’ny voalohany, fa tatỳ aoriana vao mpanjaka. Tsy nifandovana akory ny fanjakana, fa avy tamin’ny foko samy hafa ireo mpanjaka nifandimby, na lehibem-poko no lasa mpanjaka. (Ge 36:15-19, 31-43) Milaza ny mpitsikera sasany fa tsy marina ny filazan’ny Genesisy 36:31 hoe “talohan’ny nisian’ny mpanjaka teo amin’ny zanak’Israely” no nisy “mpanjaka nitondra tany Edoma.” Natsofoka tatỳ aoriana, hono, io filazana io. Efa fantatr’i Mosesy, mpanoratra ny Genesisy, anefa ilay fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Jakoba (Israely) hoe “hisy mpanjaka maro haterakao.” (Ge 35:11) Nilaza mialoha koa i Mosesy fa hanana mpanjaka ny Israely any aoriana.—De 28:36.
Resahin’ny fanazavana fanampiny ao amin’ny Joba 42:17 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa ilay Jobaba, mpanjaka edomita resahin’ny Genesisy 36:33, no Joba. Avy any amin’ny tany Oza anefa i Joba. Oza koa no anaran’ny foko aramianina iray fahiny sy anaran’ny zanak’i Nahora Aramianina. (Jb 1:1; ampit. Ge 10:23; 22:20, 21.) Resahin’ny Fitomaniana 4:21 hoe “mipetraka any Oza” i Edoma. Nosoratana taonjato maro taorian’ny nahaveloman’i Joba anefa io andininy io. Tsy midika akory izy io hoe i Edoma no Oza, satria avahan’ny Jeremia 25:20, 21 tsara i Edoma sy “ny mpanjaka rehetran’i Oza.” Angamba tian’izy io holazaina kosa hoe nitatra hatrany Oza ny fanjakan’i Edoma.—Jereo OZA No. 4.
Mety ho Edomita i Elifaza Temanita, iray tamin’ireo telo lahy “naman’i Joba” namangy sy nanakiana azy tamin’izy narary. (Jb 2:11; ampit. Ge 36:11, 34.) Resahin’ny Jeremia 49:7 fa toerana fanovozana fahendrena i Temana, tanàna edomita. Nifandray foana tamin’ireo olona avy any Atsinanana ny Edomita, ka izany no mety ho nahatonga azy halaza ho nanam-pahendrena.
Taorian’ny nialan’ny Israely tany Ejipta ka hatramin’ny faran’ny tantaran’ny Joda. Raiki-tahotra i Edoma sy Kanana ary ny faritra manodidina, rehefa reny fa ripaka ny tafik’i Farao ary niampita ny Ranomasina Mena tamin’ny fomba mahagaga ny Israelita. (Ek 15:14, 15) Ny Amalekita, izay foko edomita lehibe, no voalohany niady tamin’ny Israely tany an-tany efitry ny Saikinosin’i Sinay. Nanohitra an’ireo Israelita foana izy ireo taorian’izay. (Ek 17:8-16; ampit. Ge 36:12, 16; jereo AMALEKA, AMALEKITA.) Nangataka tamim-panajana tamin’ny mpanjakan’i Edoma ny handeha tamin’ny Lalamben’ny Mpanjaka i Mosesy, rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra ny Israelita. Tsy nanaiky anefa ilay mpanjaka, fa vao mainka aza nanangona tafika mahery hisakanana azy ireo. (No 20:14-21) Nihodidina an’i Edoma àry ny Israelita, taorian’ny nahafatesan’i Arona teo amin’ny Tendrombohitra Hora teo akaikin’ny sisin-tanin’i Edoma. (No 20:22-29) Nitoby teo akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda izy ireo, ary nianavaratra nandalo ny sisin-tany atsinanan’i Moaba.—No 21:4, 10-13; Mpts 11:18; ampit. De 2:26-29.
Nitso-drano ny Israelita i Mosesy talohan’ny nahafatesany. Nilaza izy hoe “tonga avy tany Sinay” sy “nanjelanjelatra avy tao Seira [Edoma]” ary “namirapiratra avy tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Parana” i Jehovah. Nitovitovy tamin’izany koa ny nolazain’i Baraka sy Debora ary Habakoka mpaminany, momba an’Andriamanitra. (De 33:2; Mpts 5:4, 5; Ha 3:3, 4) Noresahin’izy ireo ny fomba nisehoan’i Jehovah tamin’ilay firenena vao niforona. Toy ny hoe nampiasa hazavana nanjelanjelatra teny an-tampon-tendrombohitra izy mba hanazavana an’ilay firenena.
Nodidiana ny Israelita hoe: “Aza mankahala Edomita, fa rahalahinao izy.” (De 23:7, 8) Nanohitra azy ireo foana anefa ny Edomita, anisan’izany ny Amalekita. Nandresy azy ireny i Saoly. (1Sa 14:47, 48) Edomita anefa i Doega lehiben’ny mpiandry ondriny. Izy io no nitati-bolana tamin’i Saoly momba an’i Davida. Izy io koa no nampirisihin’i Saoly hamono ny mpisorona rehetra tao Noba, rehefa tsy nety nanao izany ny miaramilan’i Saoly.—1Sa 21:7; 22:9-18.
Resin’i Davida Mpanjaka tao amin’ny Lohasahan-tsira ny Edomita. (2Sa 8:13; jereo LOHASAHAN-TSIRA.) Tsy fantatra ny nahatonga ilay ady, nefa azo antoka fa ny Edomita no nanafika voalohany. Nihevitra angamba izy ireo fa mora notafihina ny faritra atsimon’i Joda satria nanafika tany Syria i Davida. Ny 1 Tantara 18:12 sy ny teny mampiditra ny Salamo 60 kosa milaza fa i Abisay sy Joaba no nandresy ny Edomita. Tsy mahagaga anefa raha tsy mitovy ny filazana hoe iza no nandresy azy ireo. I Davida mantsy no mpanjaka, i Joaba no jeneraly, ary nanarakaraka an’i Joaba i Abisay. Samy nanana ny fomba fijeriny an’ilay toe-javatra àry ireo mpanoratra Baiboly, toy ny mpanoratra tantara ankehitriny ihany. Tsy mitovy koa ny filazana hoe firy ny Edomita maty, satria azo inoana fa lafiny samy hafa tamin’ilay ady no tian’ny mpanoratra tsirairay hasongadina. (Ampit. 1Mp 11:15, 16.) Nametrahan’i Davida toby miaramila eran’i Edoma, ary nofehezin’ny Israely foana ny Edomita. (2Sa 8:14; 1Ta 18:13) Nitambesatra mafy teo amin’ny vozon’i Edoma (Esao) àry ny ‘zioga’ nampitondrain’i Jakoba.—Ge 27:40; ampit. No 24:18.
Nanambady vehivavy edomita i Solomona. (1Mp 11:1) Nifehy an’i Elota (Elata) sy Eziona-gebera, tanàna edomita teny amoron’ny Ranomasina Mena, izy, ka afaka nanamboatra sambo tao amin’ireo tanàna ireo. (1Mp 9:26; 2Ta 8:17, 18) Tsy afaka nanala ny zioga nampitondrain’ny Israely i Edoma, satria saika ny lahy rehetra tany no efa novonoina. Afa-nandositra ihany anefa i Hadada taranaka mpanjaka, ka nitarika olona hikomy tamin’i Solomona.—1Mp 11:14-22.
Tsy fantatra raha mbola teo ambany ziogan’ny Israely ihany ny Edomita, 100 taona taorian’ny nandresen’i Davida azy ireo. Mety ho talohan’ny nanafihan’i Joda sy Israely ary Edoma an’i Moaba (2Mp 3:5-9; jereo MOABA, MOABITA), ilay fanafihan’ny “taranak’i Amona sy ny taranak’i Moaba ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira [Edoma].” (2Ta 20:1, 2, 10, 22) Mbetika i Edoma niaraka tamin’i Joda, mbetika izy niady taminy. Tsy nisy mpanjaka tany Edoma tamin’ny andron’i Josafata. Lehibem-paritra nofehezin’ny mpanjakan’ny Joda kosa no nitondra tany, ka afaka nankany amin’ny seranan-tsambo teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba ny olona avy any Joda. (1Mp 22:47, 48) Nitoby teo amoron’ny lohasaha falehan-driaka maina iray ny mpanjakan’ny Joda sy ireo mpiray dina taminy, rehefa hanafika an’i Moaba. Lasa tondraka ilay lohasaha, araka ny efa nambaran’i Jehovah mialoha. Mety ho oram-baratra teny amin’ny lembalemba no nahatonga izany. Misy riaka be mikoriana hatrany Araba koa ireo lohasaha ankehitriny, rehefa misy oram-baratra. Mety ho nanao fahagagana fotsiny koa anefa i Jehovah tamin’izay.—2Mp 3:16-23.
Nikomy i Edoma ka tsy nanaiky hofehezin’ny Joda intsony, tamin’ny andron’i Jorama Mpanjaka zanak’i Josafata. Nanangana mpanjaka indray i Edoma. Resin’i Jorama anefa ireo Edomita, saingy mbola nikomy foana. (2Mp 8:20-22; 2Ta 21:8-10) Resy indray teo amin’ny Lohasahan-tsira ny Edomita, tamin’ny andron’i Amazia Mpanjaka (858-830 T.K.). Azon’i Amazia koa i Sela, tanàn-dehibe tany Edoma. Nanjary nanompo an’ireo sampin’i Edoma anefa izy. (2Mp 14:7; 2Ta 25:11-20) Nampody an’i Elata tamin’ny Joda i Ozia (Azaria) zanany.—2Mp 14:21, 22.
Niady tamin’ny Joda i Syria tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.), ka nampodiny tamin’i Edoma i Elata, seranan-tsambo teo amoron’ny Ranomasina Mena. (2Mp 16:5, 6) Tsy nofehezin’ny Joda intsony ny Edomita ka niaraka tamin’ny firenen-kafa, anisan’izany i Asyria, mba hanafika an’i Joda.—2Ta 28:16-20; ampit. Sl 83:4-8.
Tsy nahita tantara nosoratan’ny Edomita ny mpikaroka. Miresaka momba azy ireo anefa ny tantaran’ny firenen-kafa. Milaza, ohatra, ny taratasy papyrus ejipsianina iray (mety ho tamin’ny taonarivo faharoa T.K.), fa nisy foko arabo mpifindrafindra monina avy any Edoma tonga tany amin’ny faritry ny Vinany, mba hitady tanimbilona ho an’ny ombiny. Nilaza koa i Farao Merneptah sy Ramsès III fa nifehy an’i Edoma izy ireo, toy ny nataon’i Adad-nirari III mpanjakan’i Asyria. Nirehareha i Tiglato-pilesera III (niara-belona tamin’i Ahaza), tatỳ aoriana, hoe nandoa hetra taminy i “Kaoshmalako mpanjakan’i Edoma.” I Esara-hadona mpandimby an’i Sankeriba kosa nilaza fa nifehy an’i Kaoshgabri mpanjaka edomita izy.—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 291.
Faminaniana momba an’i Edoma. Nilaza fanamelohan’i Jehovah an’i Edoma i Joela sy Amosa mpaminany, tamin’ny andron’i Ozia Mpanjaka. Tezitra foana tamin’ny Israely mantsy i Edoma, ka tsy niantra mihitsy fa namely azy tamin’ny sabatra. (Am 1:6, 11, 12) Notoheriny foana ny vahoakan’i Jehovah, ka tsy nanan-jo hanana an’ilay tany nomen’Andriamanitra azy intsony izy. (Jl 3:19; Am 9:11, 12) Nampahatezitra mafy an’i Jehovah ireo Edomita, tamin’ny Babylonianina nandresy an’i Joda sy Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Hita fa tena nankahala an’ireo Israelita ny Edomita ary te hamaly faty, matoa nampirisika an’ireo mpandrava an’i Jerosalema (Sl 137:7) sy faly tamin’ny fahavoazan’ny Joda. Natolony hovonoin’ny Babylonianina koa ireo afa-nandositra. Niara-nandroba ny tanin’i Joda sy Israely ny Edomita sy ny firenen-kafa. Nikasa haka an’ireo tany ireo koa ny Edomita, ary nirehareha nanao teny nanohitra an’i Jehovah. Nasain’i Jehovah naminany àry i Jeremia sy Ezekiela ary Obadia fa tsy haharitra ny fifalian’i Edoma, ary hanjo azy koa ny loza nanjo an’i Joda. (Ft 4:21, 22; Ezk 25:12-14; 35:1-15; 36:3-5; Ob 1-16) Naminany i Isaia fa hamely an’ireo Edomita mpitan-tsabatra ny sabatr’i Jehovah, rehefa hampihatra ny rariny sy ny didim-pitsarany izy. Ho toy ny biby atao sorona ny rehetra, na kely na lehibe, ka haringana tanteraka.—Is 34:5-8.
Ho lao toa an’i Sodoma sy Gomora i Edoma, ka tsy hisy honina intsony. (Je 49:7-22; ampit. Is 34:9-15.) Rariny raha halan’i Jehovah i Edoma, ka antsoina hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “vahoaka nomelohin’i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Ml 1:1-5) Azo ilazana an’ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra hatry ny ela àry ny hoe Edoma, raha jerena ny Isaia 63:1-6. Izany no antony ilazana ao fa avy any Edoma (midika hoe “Mena”) sy Bozra, tanàna lehibe indrindra tany Edoma, Andriamanitra, ilay Mpiady Lehibe. Nanitsakitsaka ny famiazam-boaloboky ny fahatezerany Izy ka voapentimpentin’ny ra ny akanjony. Angamba tsilalaon-teny avy amin’ny teny hebreo hoe batsir, izay midika hoe “fiotazam-boaloboka”, ny hoe Bozra eto.—Ampit. Ap 14:14-20; 19:11-16.
Tantarany tatỳ aoriana sy ny niafarany. Nasain’i Jehovah nilaza tamin’ny mpanjakan’i Edoma i Jeremia, mba hanaiky hitondra ny ziogan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. (Je 27:1-7) Tsy voalaza raha nanaiky ny Edomita na tsia. Nisy Jiosy natao sesitany nialokaloka vetivety tany Edoma, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Niverina tany Joda izy ireo rehefa lasa ny tafika babylonianina, nefa nandositra tany Ejipta tamin’ny farany. (Je 40:11, 12; 43:5-7) Tsy ela taorian’izay dia nampisotroina tamin’ny kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah i Edoma (Je 25:15-17, 21), teo antenatenan’ny taonjato fahenina T.K., tamin’ny andron’i Nabonida mpanjakan’i Babylona. Nilaza i C. Gadd, manam-pahaizana momba ny tantara sy haisoratra babylonianina, fa nisy miaramila jiosy tao amin’ny tafik’i Nabonida nandresy an’i Edoma sy Tema. Hoy i John Lindsay momba izany: “Nisy tanteraka ihany àry ny tenin’i Iaveh nosoratan’ny mpaminany hoe: ‘Ny tànan’ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’i Edoma’ (Ezek. 25:14). Nisy tanteraka koa ny tenin’i Obadia hoe ireo ‘mpiray dina tamin’i’ Edoma sy ‘vita fanekena taminy’ ary ‘tsara fihavanana taminy’, no ‘namitaka’ sy ‘naharesy’ azy ary ‘namela-pandrika tao ambaniny.’ Mety ho ny Babylonianina izany. Namela an’ireo Edomita hahazo anjara tamin’izay nobaboina tany Joda mantsy izy ireo, tamin’ny andron’i Nebokadrezara. Tsy navelany hahazo izay entam-barotra notsiriritiny intsony anefa i Edoma, tamin’ny andron’i Nabonida (jereo Obad 1 sy 7).”—Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1976, p. 39.
Nosoratana 100 taona teo ho eo taorian’ny nanafihan’i Nabonida an’i Edoma ny bokin’i Malakia, izay milaza fa efa nataon’Andriamanitra ‘lao ny tendrombohitr’i Edoma ary ny lovany nataony fonenan’ny alikadia any an-tany efitra.’ (Ml 1:3) Nikasa hiverina hanorina an’ireo tanànany rava ny Edomita, saingy tsy nahavita izany.—Ml 1:4.
Ny Nabateanina no nonina tany Edoma tamin’ny taonjato fahefatra T.K., ka tsy afaka niverina tany intsony ny Edomita. Tany Negeba, tany atsimon’i Joda indray àry izy ireo no nipetraka. Nianavaratra hatrany Hebrona izy ireo, ary lasa nantsoina hoe Idomea ny faritra atsimon’i Joda. Nilaza i Josèphe fa nifehy azy ireo i Joany Hirkana I teo anelanelan’ny 130 sy 120 T.K., ka nanery azy ireo hanaraka ny Fivavahana Jiosy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 257, 258 [ix, 1]; XV, 253, 254 [vii, 9]) Nifangaro tsikelikely tamin’ny firenena jiosy izy ireo taorian’izay. Tsy nisy intsony ny firenena edomita, taorian’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 A.K.—Ob 10, 18; jereo IDOMEA.