Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Edrehy

Edrehy

(Edrèhy).

1. Tanànan’i Oga mpanjakan’i Basana. (Js 12:4; 13:12) Rehefa avy nandresy an’i Sihona Amorita ny tafik’Israely notarihin’i Mosesy, dia “niakatra” nianavaratra ka nihaona tamin’ny tafik’i Oga ary niady “tamin’izy ireo tao Edrehy.” Toa tany amin’ny ilany atsimo tamin’ny sisin-tanin’i Basana io toerana io. I Oga no iray tamin’ny Refaima goavam-be farany, ary mety ho tena lehibe ny tafiny. Nilaza tamin’ny Israelita anefa i Jehovah mba tsy hatahotra. Novonoin’izy ireo àry i Oga sy ny zanany lahy, ary ny vahoaka, ka nalainy ny taniny. (No 21:33-35; De 3:1-10) Nomena ho lovan’ny fokon’i Manase i Edrehy tatỳ aoriana. (Js 13:31) Maro no mihevitra an’i Edrehy ho i Derʽa, tokotokony ho 50 km any atsinanana atsimoatsinanan’ny tendrony atsimon’ny Ranomasin’i Galilia, any akaikin’i Yarmok. Anisan’ny zavatra fahiny hita eo ny tanàna iray efa rava, nolavahana tao anaty vatolampy any ambanin’ny tany. Ampahany aminy ihany no efa nofongarina.

2. Tanàna voaro mafy an’i Naftaly. (Js 19:32, 35, 37) Misy milaza azy io ho i Tell Koreibeh, tokotokony ho 7 km any avaratra avaratrandrefan’i Hazora.