Efaha, I
(efàha).
Fatran’ny zavatra maina impolon’ny omera (Ek 16:36), na ampahafolon’ny homera. Bata iray (fatran’ny ranon-javatra) na 22 L ny efaha iray. (Ezk 45:11) Ilazan’ny Baiboly fatrana lafarinina (Le 5:11), vary orza (Rt 2:17), voam-bary natono (1Sa 17:17), ary varimbazaha (Ezk 45:13) ny “efaha.” Antsoina hoe “efaha” koa ny famarana efaha. (Le 19:36; Am 8:5) Nisy sarony firamainty boribory ny efaha famarana iray, ary nisy vehivavy atao hoe “Faharatsiana” tao anatiny.—Za 5:6-11.