Efay
(Efày) [Voro-manidina].
Netofatita (Je 40:8) avy tamin’ny fokon’i Joda. (1Ta 2:50-54) Anisan’ny lehiben’ny tafika tsy natao sesitany tany Babylona (607 T.K.) ireo zanany lahy. Nankany amin’i Gedalia tany Mizpa ny zanak’i Efay sy ireo lehiben’ny tafika ary ny miaramilany. Nanome toky azy ireo i Gedalia fa hahita soa izy ireo. (Je 40:7-9) Toa novonoin’i Ismaela koa ireo zanak’i Efay rehefa novonoiny i Gedalia.—Je 41:3.