Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efesianina, Taratasy ho An’ny

Efesianina, Taratasy ho An’ny

Boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina nosoratan’ny apostoly Paoly fony izy nigadra tany Roma, tamin’ny taona 60-61 tany ho any. (Ef 1:1; 3:1; 4:1; 6:20) Nampitondrainy an’i Tykiko ilay izy (Ef 6:21, 22), sy ilay taratasy ho an’ny Kolosianina. (Kl 4:7-9) Nitovitovy ny fotoana nanoratany an’ilay taratasy ho an’ny Kolosianina sy ilay ho an’ny Efesianina, ka mitovitovy koa ny voalaza ao amin’izy ireo. Hoy i Charles Lewis: “Ny 78 amin’ireo andininy 155 ao amin’ny Efe[sianina] no hita ao amin’ny Kol[osianina], fa somary misy maha samy hafa kely azy fotsiny.” (Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky II, p. 959) Nitovitovy ny toe-javatra tany Kolosia sy tany Efesosy, matoa mitovy ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo fiangonana tany.

Nilain’ny Kristianina tany Efesosy. Tsy misy an’ilay hoe “any Efesosy” ny Efesianina 1:1 ao amin’ny Papyrus Chester Beatty (P46) sy ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 ary ny Sora-tanana Sinaiticus. Misy azy io anefa ny sora-tanana hafa sy ny dikan-teny fahiny rehetra. Neken’ireo mpanoratra ny tantaran’ny Eglizy fahiny koa fa natao ho an’ny Efesianina io taratasy io. Misy kosa mihevitra hoe ilay taratasy nalefa ho any Laodikia izy io. (Kl 4:16) Tsy misy hoe “ho an’ireo any Laodikia” anefa ireo sora-tanana fahiny, ary i Efesosy irery no tanàna voaresaka ao amin’ireo sora-tanana mirakitra an’io taratasy io.

Torohevitra momba ny fitiavan-karena. Natao ho an’ny Efesianina mihitsy ilay taratasy rehefa vakina. Tena nilain’izy ireo ilay torohevitr’i Paoly, rehefa jerena ny toe-javatra tany Efesosy, tanàna lehibe indrindra tany Azia faritany romanina. Tanàna nanan-karem-be, ohatra, izy io, ka nihevitra ny mponina tany fa ny harena no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainana. Nasongadin’i Paoly anefa fa ny tena harena dia “ny harenan’ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra] tsy manam-paharoa”, “ilay harena be voninahitra” tehirizin’Andriamanitra ho lovan’ny olona masina, “ny harena tsy hita fetran’i Kristy”, ary “ny harenan’ny [voninahitr’Andriamanitra].” (Ef 1:7, 18; 2:7; 3:8, 16) Lasa nanana fomba fijery voalanjalanja momba ny harena àry ny Kristianina tany.

Ialao ny fitondran-tena maloto. Nanaram-po tamin’ny fitondran-tena maloto sy baranahiny ny ankamaroan’ny mponina tany Efesosy. Anisan’ny toetra taloha izany, hoy i Paoly. Tokony hanaisotra izany toetra taloha izany àry ny Kristianina, ka hitafy ny “toetra vaovao.” Tia nanao resaka vetaveta ny mponina tany Efesosy, fa tsy mba nanameloka izany. Tsy tokony hanahaka azy ireny anefa ny Kristianina, hoy i Paoly, ary tsy tokony ho faly miresaka momba ny fijangajangana sy hanao vazivazy vetaveta.​—Ef 4:20-24; 5:3-5.

Tempoly samy hafa tanteraka. Tany Efesosy ny tempolin’i Artemisy, izay noheverina ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto an-tany. Nivavaka tamin’i Artemisy ny olona “eran’i Azia sy ny tany onenana” sady nanaja fatratra an’ilay tempoly nalaza tany. Tsy mahagaga àry raha nanao fanoharana momba ny tempoly ara-panahy i Paoly. Ireo Kristianina voahosotra no “tempoly masina” ary mitoetra ao amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah.​—As 19:27; Ef 2:21.

Nirongatra ny asan-jiolahy ary nihamaro ireo mpanao heloka bevava tany Efesosy. Tsy azo nosamborina mantsy izay jiolahy nialokaloka tao amin’ny faritra nanodidina ny tempolin’i Artemisy satria toerana masina ilay tempoly. Lasa tanànan’ny mpangalatra, mpamono olona sy ny toy izany ilay faritra. Nety tsara àry ny torohevitr’i Paoly momba ny halatra, lolompo, filelalelana, ary fanaovan-dratsy.​—Ef 4:25-32.

Fifandraisana amin’ny demonia. Nanjaka tany Efesosy ny fifandraisana amin’ny demonia. Nalaza eran-tany mihitsy hoe mpampiasa herin’ny maizina tany. Tena nahery ny demonia tany, ary nahataona olona maro ny mpampiasa herin’ny maizina. Nanao fahagagana sy nandroaka fanahy ratsy noho ny herin’ny fanahin’Andriamanitra àry i Paoly, mba hanoherana ny asan’ny demonia sy hanampiana ny Efesianina tso-po hiala amin’ireny fanao ratsy ireny.​—As 19:11, 12.

Nilain’ny Kristianina ny torohevitr’i Paoly hoe tokony hiady amin’ny fanahy ratsy izy ireo, satria nanjakan’ny asan’ny maizina tany Efesosy. Ireto ny porofon’izany:

Nalaza eran-tany “ireo taratasy efesianina.” “Toa litera na teny natambatra izy ireo, ary novaovana ny feo rehefa nanonona azy ka nahasitrana aretina na nandroaka fanahy ratsy, hono. Mety ho nosoratana teo amin’ny horonana koa izy ireo, ary nentin’ny olona teny aminy mba hataony ody fiaro amin’ny fanahy ratsy na loza. Hoy àry i Plutarque: ‘Noteren’ny mpilalao ody hanonona sy hanao tsianjery an’ireo taratasy efesianina, araka ny filaharana efa atorony, ireo olona nisy demonia.’”​—Fanazavana ny Asan’ny Apostoly, nataon’i A. Barnes, 1858, p. 264.

Tena maizin-tsaina ny olona tany Efesosy, araka ny soratra hita ao amin’ilay tanàna efa ravarava. Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’ireo Kristianina tany i Paoly mba ‘tsy handeha intsony tahaka an’izao tontolo izao, izay mandeha araka ny fahafoanan’ny sainy, sady maizin-tsaina.’ (Ef 4:17, 18) Ninonino foana sady zatra nisikidy sy nitady fambara ny mponina tany, araka ny voalazan’ireo soratra eo amin’ny rindrina sy trano.

Efesianina maro no lasa Kristianina noho ny fitoriana sy fahagagana nataon’i Paoly. Hitan’izy ireo koa fa tsy nahavita namoaka demonia akory ny Jiosy mpamoaka demonia. Maro tamin’ireo lasa Kristianina no nanao ny asan’ny maizina taloha, satria hoy ny Baiboly: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina [na 37 200 dolara, raha denaria ilay farantsa].” (As 19:19) Anisan’ny zavatra voalohany nataon’izy ireo ny namotika ny bokiny momba ny fifandraisana amin’ny demonia. Ohatra tsara ho an’izay tsy te hifandray amin’ny demonia intsony na tsy te hotafihiny àry izy ireo. Nanjakan’ny asan’ny maizina sy ny demonia tany Efesosy, ka tena tsara ilay torohevitr’i Paoly hoe tokony hiady amin’ny fanahy ratsy ny Kristianina tany, ary hitafy ny “fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.” Mety ho notafihin’ny demonia koa ny Kristianina sasany niala tamin’ny asan’ny maizina. Nanampy azy ireo hanohitra an’ireny àry ny torohevitr’i Paoly.​—Ef 6:11, 12.

Anjara asan’i Kristy. Nanantena ny ho mpiara-mandova amin’i Kristy ny Kristianina tany Efesosy. Nampahery azy ireo àry ny nilazan’i Paoly hoe i Kristy dia natao “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary ny anarana rehetra nomena, tsy eto amin’ity tontolo ity ihany, fa any amin’ilay ho avy koa.” (Ef 1:21) Noresahin’i Paoly ny toerana ambony nanandratana an’i Jesosy Kristy, sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra amin’ireo lasa tafaray aminy sy Kristy. Anehoan’Andriamanitra fitiavana sy fahendrena koa izy ireo ary amindrany fo. Hampiraisina hanaiky an’i Kristy ny zava-drehetra any an-danitra sy eto an-tany, ary hangonina eo anivon’ny fiangonana ny Jiosy sy ny hafa firenena mba ho “olom-baovao iray.” Izany no ‘zava-miafina masin’Andriamanitra’ ampahafantarina amin’ny alalan’ny vaovao tsara momba an’i Kristy.​—Ef 2:15.

[Efajoro, pejy 410]

HEVITRA MISONGADINA: EFESIANINA

Asongadina fa hisy fitantanan-draharaha hampihavana sy hampiray ny olona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy

Gadra tany Roma i Paoly no nanoratra ho an’ny fiangonana tany Efesosy, tanàna teo amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora

Fikasan’Andriamanitra ny hampihavana sy hampiray amin’ny alalan’i Jesosy Kristy

Hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ny nanendreny mialoha an’ireo hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (1:1-7)

Ilay fitantanan-draharaha hatsangan’Andriamanitra no hampiray aminy amin’ny alalan’i Kristy ireo voafidy ho any an-danitra sy ireo hiaina eto an-tany (1:8-14)

Nivavaka i Paoly mba ho azon’ny Efesianina tsara sy hankasitrahany ilay fanantenana niantsoan’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’i Kristy (1:15-23; 3:14-21)

Maty tao amin’ny fahotany taloha ireo hiara-manjaka amin’i Kristy; fanomezan’Andriamanitra ny famonjena azy fa tsy tambin’izay nataony (2:1-10)

Nofoanana tamin’ny alalan’i Kristy ny Lalàna; lasa vatana iray ihany ny Jiosy sy ny hafa firenena, anisan’ny ankohonan’Andriamanitra, ary tempoly honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny (2:11–3:7)

Mampiharihary ny lafiny samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra ny fifandraisany amin’ny fiangonana (3:8-13)

Fomba ampiraisan’Andriamanitra ny Kristianina: Iray ny vatana, iray ny fanahy masina, iray ny fanantenana, iray ny Tompo dia i Jesosy Kristy, iray ny finoana, iray ny batisa, ary iray ilay Andriamanitra sady Ray (4:1-6)

Manampy ny rehetra hanana zavatra inoana iray ihany ireo lehilahy ho fanomezana; miara-miasa tsara ny vatana manontolo satria milaza ny marina sy maneho fitiavana, ary i Kristy no lohany (4:7-16)

Tafio ny toetra vaovao, mifanaraka amin’ny ohatr’i Kristy sy ny fampianarany

I Kristy fa tsy izao tontolo izao no modely; ilaina àry ny toetra vaovao (4:17-32)

Manahafa an’Andriamanitra; manehoa fitiavana toy ny an’i Kristy (5:1, 2)

Ialao ny teny sy fitondran-tena maloto; asehoy fa zanaky ny mazava ianareo (5:3-14)

Hararaoty ny fotoana; ampiasao hiderana an’i Jehovah (5:15-20)

Manajà an’i Kristy, ka ekeo ny lehilahy, ray aman-dreny, ary tompo; tiavo ireo eo ambany fiandraiketanareo (5:21–6:9)

Tafio ny fiadiana fiarovana rehetra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly

Mitolona amin’ny fanahy ratsy isika; manampy antsika hahatohitra an’ireny mpanakorontana sy mpampiady ireny Andriamanitra (6:10-13)

Miaro tanteraka antsika ny fiadiana fiarovana avy amin’Andriamanitra; ampiasao tsara izy ireny ary mivavaha mafy; mitalahoa ho an’ny olona masina rehetra (6:14-24)