Efesosy
(Efesôsy).
Tanàna nanan-karena fahiny, sady foiben’ny fivavahana sy ny varotra tany amoron-tsiraka andrefan’i Azia Minora, mifanatrika amin’ny nosy Samo. Maromaro ny havoana tany Efesosy ka ny Tendrombohitra Pion sy ny Tendrombohitra Koressos no misongadina indrindra. Teo amin’ny tehezan’ireny sy teo am-pototr’ireny no nanorenana ny tanànan’i Efesosy. Nandalo teo amin’io seranana io ireo entam-barotra avy tany Roma nankany Atsinanana. Teo amin’ny fihaonan’ireo lalambe an-tanety nivezivezen’ny entam-barotra tany Azia Minora koa izy io, satria teo amin’ny vinanin’ny Reniranon’i Caystre no nisy azy, sady nahafahana nankany amin’ireo deboka nolalovan’ireo reniranon’i Gediz (Hermus fahiny) sy Menderes (Meandra fahiny). Maro ny lalana nampifandray an’i Efesosy sy ireo tanàna lehibe tany amin’ny faritr’i Azia.
Noheverina fa tonga hatrany Efesosy taloha ny hoalan’ny Ranomasina Égée, saingy nikisaka tsikelikely nankany an-dranomasina ny morontsiraka, ka lasa lavitry ny ranomasina ankehitriny io tanàna rava io. Nahatonga ny olona hihevitra an’izany ny asa soratr’i Pline Zokiny (Romanina mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany) sy ny an’i Strabon (Grika mpahay jeografia fahiny). Nilaza anefa i J. Wood, fa tany amin’ny 6,5 km avy teo amin’ny Ranomasina Égée no nisy an’ilay tanàna taloha, rehefa jerena ireo zavatra nofongariny tao Efesosy. Raha marina izany, dia mety hoe teo amin’ny vinanin’ny Reniranon’i Caystre ny sambo no niditra, tamin’ny andron’i Paoly, rehefa ho any amin’ny seranana iray tany afovoan-tany. Nesorina tsy tapaka izay fako natahorana hanentsina ny rano teo amin’ilay seranana. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia lasa feno antsanga avy tamin’i Caystre ilay seranana sy ilay vinany.
Tempolin’i Artemisy. Niavaka indrindra tao amin’ilay tanàna ny tempolin’i Artemisy, izay nalahatry ny olona fahiny ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito eto an-tany. Tamin’i Paoly tany, tamin’ny taonjato voalohany, dia tempoly naorina indray no tao Efesosy. Natao araka ny taotrano ionianina izy io, toy ilay tempoly teo taloha izay nodoran’i Érostrate tamin’ny 356 T.K.
Hita tamin’ny fikarohana natao teo, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, fa niorina teo ambony lampivato ilay tempoly. Tokotokony ho 73 m ny sakan’ilay lampivato, ary 127 m ny lavany. Ilay tempoly kosa 50 m teo ho eo ny sakany ary 105 m teo ho eo ny lavany. Nisy andry 100 vita tamin’ny marbra tao, ary efa ho 17 m ny haavon’ny andry tsirairay. Nirefy 1,8 m ny savaivon’ny fototr’ireo andry, ary voaravaka sary sokitra hatreny amin’ny 6 m teo ho eo ny andry sasany. Tokony ho 21 m ny sakan’ny toerana masina tao amin’ilay tempoly, ary 32 m ny lavany. Miendrika efamira ny alitara tao anatiny ka 6 m teo ho eo ny lafiny tsirairay. Toa teo andamosin’io alitara io no nisy ny sarivongan’i Artemisy.
Hita avy tamin’ilay fikarohana fa voaravaka loko mangirangirana sy sary sokitra ilay tempoly. Vita tamin’ny marbra fotsy lehibe ny kapila nanaovana ny tafony. Nalaza hoe volamena no natao solon-drihitra teny anelanelan’ireo marbra nanaovana an’ilay tempoly.
Kianja sy kianja filalaovana tantara an-tsehatra. Nisy kianja tany amin’ny 1,5 km teo ho eo tany atsimoandrefan’ny tempolin’i Artemisy, ka i Néron no nanorina azy io indray (taona 54-68). Nifaninana tao angamba ny atleta fahiny ary niady tao ny gladiatera. Nilaza ny apostoly Paoly fa niady tamin’ny bibidia izy tao Efesosy. (1Ko 15:32) Raha ady ara-bakiteny izany, dia niady tamin’ny bibidia tao amin’io kianja io tokoa angamba izy ary tsy maintsy niaro tena.
Tsy ampy 800 m teo atsimon’io kianja io no nisy an’ilay kianja filalaovana tantara an-tsehatra nirotahan’ireo Efesianina nampirisihin’i Demetrio. Nisy lempona teo amin’ny T. Pion, ary teo no nisy an’io kianja filalaovana tantara an-tsehatra io. (As 19:23-41) Voaravaka andry, sy efitrefitra fametrahana sarivongana ary sarivongana tsara tarehy ny teo anoloana. Miendrika antsasa-paribolana ny fomba nandaharana an’ireo fipetrahana vita tamin’ny marbra, ary nisy laharany 66 tamin’izany, ka nahazaka mpijery 25 000 teo ho eo. Tena re tsara ny feo teo amin’ilay kianja. Hatramin’izao dia re eny amin’ny laharan-tseza farany ambony ny feo iva lazaina eny amin’ny sehatra.—SARY, Boky Faha-2, p. 748.
Nisy arabe rarivato vita tamin’ny marbra, teo anoloan’ilay kianja filalaovana tantara an-tsehatra. Nankany amin’ny seranana io arabe io. Efa ho 500 m ny halavan’ilay arabe ary 11 m teo ho eo ny sakany. Nisy lala-mitafo maro andry teny amin’ny andaniny roa tamin’ilay arabe, ka 4,5 m ny sakan’ilay lala-mitafo. Fivarotana sy trano maro isan-karazany no teo andamosin’ireo lala-mitafo. Nisy vavahady lehibe teo amin’ny fiandohan’ilay arabe sy teny amin’ny farany.
Fanompoan’i Paoly tany Efesosy. Angamba tamin’ny taona 52 i Paoly sy Akoila ary Prisila no tonga tao Efesosy, tanàna teo amin’ny fihaonan’ireo lalambe fahiny. Nitory avy hatrany tamin’ireo Jiosy tany amin’ny synagoga i Paoly. Niangavy azy hijanona elaela ny tao Efesosy, nefa nandeha ihany izy, ary nilaza fa mbola hiverina raha sitrapon’i Jehovah. (As 18:18-21) I Akoila sy Prisila kosa nijanona tao Efesosy, ary nihaona tamin’i Apolosy, Jiosy teratany avy any Aleksandria, any Ejipta. Ny batisan’i Jaona ihany no fantatr’i Apolosy, ka “nohazavain’izy mivady marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.”—As 18:24-26.
Rehefa niverina tany Efesosy i Paoly (toa tamin’ny ririnina taona 52/53), dia nahita lehilahy maromaro vita batisa, saingy tamin’ny batisan’i Jaona. Naverina natao batisa izy ireo rehefa avy nohazavaina taminy ny fahamarinana momba ny batisa. (As 19:1-7) Nampianatra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy nandritra ny telo volana i Paoly tamin’izay. Nisy fanoherana nipoitra anefa ka nifindra tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano i Paoly sy ireo tonga mpino. Nandaha-teny isan’andro tao izy nandritra ny roa taona. (As 19:8-10) Betsaka koa ny fitoriana isan-trano nataon’i Paoly.—As 20:20, 21.
Maro ny Efesianina tonga mpino noho ny fitorian’i Paoly sy ny fahagagana nataony tamin’izy nanasitrana sy namoaka demonia. Nihamaro ny olona liana rehefa tsy nahavita namoaka demonia izy fito lahy zanak’i Skeva, lehiben’ny mpisorona jiosy. Nandoro ny bokiny teo imasom-bahoaka ireo zatra nampiasa herin’ny maizina taloha. Nahatratra farantsa volafotsy 50 000 (raha denaria dia 37 200 dolara) ny teti-bidin’ireo boky nodorana raha atambatra. (As 19:11-20) Tena nalaza tamin’ny fanaovana mazia i Efesosy, ka nilaza mihitsy ireo Grika sy Romanina mpanoratra fa “asa soratra efesianina” ireo boky na horonana nisy fombafomba fitenin’ny mpanao mazia sy teny averimberina rehefa mifandray amin’ny fanahy ratsy.
Maro ny Efesianina tsy nivavaka tamin’i Artemisy intsony, ka nilaza tamin’ireo mpanefy volafotsy namany i Demetrio hoe atahorana hanafoana ny asa tanan’izy ireo sy ny fivavahana tamin’i Artemisy ny fitorian’i Paoly. Tezitra ireo mpanefy volafotsy ireo ka niantsoantso hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” Nisahotaka ny iray tanàna, ary naharitra adiny roa ny korontana tao amin’ilay kianja filalaovana tantara an-tsehatra, izay nahazaka olona 25 000.—As 19:23-41.
Niala tao Efesosy i Paoly taorian’izay. Tao Mileto izy tatỳ aoriana no naniraka olona hampaka ny anti-panahy tany Efesosy. Notantarainy indray tamin’izy ireo ny fanompoany tany amin’ny faritr’i Azia. Nomeny toromarika mahakasika ny fomba hamitana ny andraikitry ny anti-panahy izy ireo avy eo. (As 20:1, 17-38) Nilaza izy tamin’izay fa nijanona “telo taona” tany Efesosy, ary isa noboriborina ilay hoe telo taona eo.—As 20:31; ampit. As 19:8, 10.
Niaritra zavatra maro ny Kristianina tao Efesosy nandritra ny taona maro. Navelan’ny sasany ho lefy anefa ny fitiavan’izy ireo voalohany.—Ap 2:1-6; jereo ARTEMISY; DEMETRIO No. 1; EFESIANINA, TARATASY HO AN’NY.