Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efoda, I

Efoda, I

(efôda).

Fitafian’ny mpisorona. Voaresaka ao amin’ny toromarika nomen’Andriamanitra an’i Mosesy ny efodan’ny mpisoronabe. (SARY, Boky 1, p. 539) Toy ny aron’akanjo misy aloha sy aoriana izy io. Natao tamin’ny ‘kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara’ ilay efoda, “izay asan’ny mpanao peta-kofehy.” Natao tamin’ireo kofehy ireo koa ny fehikibo ‘teo amboniny’, mba hangejana an’ilay efoda teo amin’ny andilana angamba. Nisy vato oniksa roa tao anaty tranom-bato volamena, teo amin’ny soroky ny efoda. Natao sokitra teo amin’ireo vato ny anaran’ny zanak’Israely, ka nasiana anarana enina avy ny vato tsirairay. Nisy rojo volamena roa mirandrana toy ny tady, niraikitra tamin’ireo tranom-bato ireo ary nihazona ny saron-tratra. Nisy kofehy manga natsofoka tamin’ireo mason-drojo volamena roa teo amin’ny zorony ambany tamin’ilay saron-tratra, ary nafatotra tamin’ny sisiny ambany tamin’ilay lamban-tsoroka tamin’ny efoda, teo ambonin’ny fehikibo. Toa hatreo ambany kelin’ny andilana ilay efoda, fa tsy hatreny an-dohalika.​—Ek 28:6-14, 22-28.

Nanao akanjo lava vita tamin’ny lamba rongony ny mpisoronabe. Nataony teo ambonin’izy io ny akanjo manga tsy misy tanany “mifanolotra amin’ny efoda”, ary avy eo vao ny efoda. (Ek 29:5) Tsy isan’andro izy no nanao ny efoda, fa rehefa hanontany an’i Jehovah momba ny raharaha lehibe mahakasika an’ilay firenena ihany. Nanaovany koa tamin’izay ilay saron-tratra nisy ny Orima sy ny Tomima. (No 27:21; 1Sa 28:6; Ezr 2:63) Nisasa ny mpisoronabe rehefa avy nanolotra fanatitra noho ny ota, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona. Toa nosoloany an’ireo akanjony tsara tarehy avy eo ny akanjo fotsy madio ary nanaovany ny efoda, vao nanolotra fanatitra dorana izy.​—Le 16:23-25.

An’ilay mpisoronabe tao Noba angamba ilay efoda nentin’i Abiatara mpisorona nankany amin’ny tobin’i Davida. Novonoin’i Doega mantsy i Ahimeleka Mpisoronabe rain’i Abiatara, sy ireo mpisorona lefitra. (1Sa 22:16-20; 23:6) Nasain’i Davida nentin’i Abiatara ny efoda, mba hahafahany hanontany an’i Jehovah hoe inona no hatao.​—1Sa 23:9-12; 30:7, 8.

Efodan’ny mpisorona lefitra. Nanao efoda koa ny mpisorona lefitra, na dia ny efodan’ny mpisoronabe ihany aza no tena noresahin’i Jehovah tao amin’ny toromariny momba ny akanjon’ny mpisorona. “Akanjo lava”, “fehikibo lamba”, “fehiloha”, ary “kilaoty lava” ihany no voalaza fa tokony hanaovan’ireo mpisorona lefitra zanakalahin’i Arona. (Ek 28:40-43) Toa tatỳ aoriana vao nanao efoda ny mpisorona lefitra. Tsy mpisorona lefitra i Samoela nefa nanao efoda tamin’ny mbola kely, tamin’izy nanompo an’i Jehovah tao amin’ny toerana masina. (1Sa 2:18) Nanao efoda koa ireo mpisorona 85 nasain’i Saoly Mpanjaka novonoin’i Doega. (1Sa 22:18) Mety ho famantarana fotsiny ireny efoda ireny hoe mpisorona ireo nanao azy, fa tsy notakin’ny Lalàna akory ny hanaovana azy ireny rehefa nanao ny andraikiny izy ireo. Mitovy amin’ny didin’ny efodan’ny mpisoronabe ihany angamba ny efodan’ny mpisorona lefitra, saingy natao tamin’ny lamba rongony fotsy tsotra sady tsy nasiana peta-kofehy. Bad no teny hebreo ilazana ny “lamba rongony” nanaovana ny efodan’i Samoela sy ny an’ireo mpisorona 85, fa shesh na “lamba rongony tena tsara” kosa no nanaovana ny efodan’ny mpisoronabe.​—Ek 28:6; 1Sa 2:18; 22:18.

Nanao efoda rongony teo ambony akanjo tsy misy tanany vita tamin’ny lamba tena tsara i Davida, rehefa nentina nankany Jerosalema ilay Vata misy ny fifanekena mba hatao teo an-tendrombohitra Ziona, teo akaikin’ny tranony. Fotoam-pifaliana tamin’izay ka nandihy teo anatrehan’i Jehovah izy.​—2Sa 6:14; 1Ta 15:27.

Efodan’i Gideona. Nanaovan’i Gideona efoda ny volamena azony babo rehefa resiny ny Midianita. (Mpts 8:26, 27) Misy anefa milaza hoe be loatra raha volamena 1700 sekely (19,4 kg) no nanaovana efoda, fa nanao sarivongana volamena koa, hono, i Gideona. Tsy midika hoe sarivongana anefa ny hoe “efoda.” Olona nanam-pinoana koa i Gideona ka tsy ho nanao hoatran’i Jeroboama mihitsy, izay nitaona an’ireo foko folo hivavaka tamin’ny sarivongana zanak’omby. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, matoa izy nanda tsy ho mpitondra ny Israely. Hoy izy: “I Jehovah ihany no ho mpitondra anareo.” (Mpts 8:22, 23) [Mitohy eo amin’ny pejy 753] [Tohin’ny pejy 736] Mety ho nividianana an’ireo firavaka sy ny zavatra hafa natao tamin’ilay efoda ny ankamaroan’ilay volamena. Mety ho nitentina 1700 sekely (218 365 dolara) tokoa ny tombam-bidin’ny efodan’i Gideona, indrindra raha nisy haingony vatosoa ilay izy.

Ho fahatsiarovana ny fandresena nomen’i Jehovah ny Israely sy ho fanomezam-boninahitra Azy no nanaovan’i Gideona an’ilay efoda, saingy ‘lasa fandrika ho azy sy ny ankohonany’ ilay izy. Nivavaka tamin’ilay izy mantsy ny Israelita. (Mpts 8:27) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nivavaka tamin’ilay izy i Gideona. Voatonona miaraka amin’ny an’ireo vavolombelon’i Jehovah ‘maro toy ny rahona’ tsy nivadika fahiny kosa ny anarany.​—He 11:32; 12:1.

Nampiasaina hanompoan-tsampy. Izany no resahin’ny Mpitsara toko faha-17 sy 18. Nanao efoda ny Efraimita iray. Nampiasa azy io ny zanany iray rehefa nanao asa fisoronana teo anatrehan’ny sary sokitra, ary avy eo ny Levita iray taranak’i Mosesy notendrena ho mpisorona, na dia tsy taranak’i Arona aza izy. Nalain’ny lehilahy avy tamin’ny fokon’i Dana ireo efoda sy sary sokitra tatỳ aoriana, ary nataon’izy ireo mpisorona ho azy ireo tany Dana ilay Levita sy ny zanany, nandritra ny andro rehetra naha tao Silo ny tranon’Andriamanitra.