Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efraima

Efraima

(Efràima) [Manan-taranaka Avo Roa Heny].

1. Zanakalahy naterak’i Josefa tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona. Zandrin’i Manase i Efraima, ary teraka tany Ejipta talohan’ilay mosary naharitra fito taona. Ny rainy no nanome azy an’ilay anarana hoe Efraima, “satria hoy izy: ‘Efa nomen’Andriamanitra taranaka aho, eto amin’ity tany nahitako fahoriana mafy ity.’”​—Ge 41:50-52.

Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jakoba, dia natsangany ho zanany i Efraima sy Manase zafikeliny, ka nataony nitovy zo tamin’ireo zanany naterany. (Ge 48:5) Nanana zanakalahy maro i Jakoba, nefa i Josefa no nomena ny zon’ny lahimatoa. Nahazo anjaran-droa avy tamin’ny fananan’i Jakoba rainy àry i Josefa, ka ny anjara iray lasa lovan’ny fokon’i Efraima ary ny iray lasan’ny fokon’i Manase. (1Ta 5:1; ampit. Ge 48:21, 22; De 21:17; Js 14:4.) Nomen’i Jakoba tombony i Efraima rehefa nitso-drano azy mirahalahy izy. Naminany izy fa hahery kokoa i Efraima.​—Ge 48:13-20.

Hita ao amin’ny 1 Tantara 7:20-27 ny lisitr’ireo zanakalahin’i Efraima sy ny taranany tatỳ aoriana, ary voatonona farany i Josoa, ilay nitarika ny Israelita hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Azo inoana fa anisan’ireo zanakalahin’i Efraima i Ezera sy Elada, izay novonoin’ny lehilahy tao Gata. Niteraka an’i Beria i Efraima, taorian’izay.

2. Efraima koa no iantsoana an’ilay foko avy amin’i Efraima. Herintaona teo ho eo taorian’ny Fanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, dia nisy 40 500 ny mpiady efraimita, 20 taona no ho miakatra. Latsaka 8300 izany, raha oharina amin’ny vatan-dehilahy tao amin’ny fokon’i Manase. (No 1:1-3, 32-35) Rehefa avy nirenireny 40 taona tany an-tany efitra kosa ny Israelita, dia 32 500 sisa ny lehilahy tao amin’ny fokon’i Efraima, izany hoe latsaka 20 200 amin’ny lehilahy tao amin’ny fokon’i Manase. (No 26:34, 37) Naminany anefa i Mosesy, tamin’izy nitso-drano ny Israelita, fa hahery ny fokon’i Efraima. Nilaza mantsy izy hoe ho ‘alinalina’ i Efraima, fa ho ‘arivoarivo’ kosa i Manase.​—De 33:17.

Nasaina nitoby teo andrefan’ny tranolay masina, teo anilan’ny fokon’i Manase sy Benjamina ny Efraimita, tany an-tany efitra. I Elisama no mpiadidy teo amin’izy ireo tamin’izay. Io fizarana nisy foko telo io no niainga fahatelo rehefa nifindra lasy ny Israelita.​—No 2:18-24.

Faritanin’ilay foko. Teo afovoan’i Kanana, teo andrefan’i Jordana, no faritany nomena ny fokon’i Efraima. Ny faritanin’ny fokon’i Manase no teo avaratra, ary ny an’ny fokon’i Benjamina sy Dana kosa no teo atsimo. (Js 16:1-9) Be tendrombohitra sy havoana ny faritanin’i Efraima, nefa lonaka be. Rakotra ala izy io, fahiny. (Js 17:15, 17, 18) Nanana tanàna tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Manase koa io foko io. I Kemoela no mpiadidy teo aminy, ary nofidin’Andriamanitra hisolo tena an’ilay foko izy rehefa nozaraina ho lovan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina.​—No 34:18, 24.

Napetraka tao Silo, tao amin’ny faritanin’i Efraima, ny tranolay masina. (Js 18:1) Nisy tanàna maromaro nomena ny Levita koa tao amin’ny faritanin’i Efraima, ka anisan’izany i Sekema, tanàna fialokalofana. (Js 21:20-22; 1Ta 6:66-69) Anisan’ireny tanànan’ny Levita ireny i Gazera. Tsy noroahin’ireo Efraimita niala tao ny Kananita, fa nampanaovin’izy ireo asa an-terivozona kosa.​—Js 16:10; Mpts 1:29.

Tamin’ny andron’i Josoa ka hatramin’ny andron’i Davida. Nisy zava-nitranga niavaka maro tao amin’ny faritanin’i Efraima. Tao Sekema, ohatra, ilay Efraimita atao hoe Josoa, izay nandimby an’i Mosesy, no namory an’ireo fokon’ny Israely ary niangavy azy ireo mba hanompo an’i Jehovah sy tsy hivadika aminy. (Js 24:1, 14, 15) Tao Sekema koa no nandevenana ny taolambalon’i Josefa. Tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima no nalevina i Josoa sy Eleazara zanak’i Arona. (Js 24:29-33) Tany koa, tatỳ aoriana, no namorian’ilay Benjamita mpitsara atao hoe Ehoda an’ireo Israelita mba hiady tamin’ny Moabita. (Mpts 3:26-30) Nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Debora mpaminanivavy, ary avy tany no nampanantsoiny i Baraka, satria io no voatendrin’i Jehovah hanafaka ny Israely izay nampahorin’i Jabina Mpanjaka. Nandresy i Baraka, ka namoron-kira izy sy Debora. I Efraima no foko voatonona voalohany tao amin’ilay hira. (Mpts 4:1-7; 5:14) Nisy mpitsara atao hoe Tola, tatỳ aoriana. Anisan’ny fokon’i Isakara izy ary nonina tany Samira, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Mpitsara teo amin’ny Israely nandritra ny 23 taona izy. (Mpts 10:1, 2) Teraka tany Rama, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, i Samoela mpaminany, avy amin’ny fokon’i Levy. Nanorim-ponenana tany izy rehefa lehibe.​—1Sa 1:1, 2, 19, 20; 7:15-17.

Nanambony tena sy naniry mafy halaza ny Efraimita, ka nampisy olana teo aminy sy ireo foko hafa izany. Niseho izany toetra izany, raha vao nanomboka ny andron’ny mpitsara. Nila ady tamin’i Gideona, ohatra, izy ireo satria tsy niantso azy ireo hiady tamin’ny Midianina i Gideona. Soa ihany fa nahay nandanjalanja i Gideona rehefa namaly azy ireo, ka voasoroka ny ady. (Mpts 8:1-3) Nihevitra koa izy ireo, tatỳ aoriana, hoe nanao tsinontsinona azy i Jefta, satria tsy niantso azy hiady tamin’ny Amonita. Izy ireo anefa no tsy nety nanampy, fa tsy hoe i Jefta no tsy niantso azy. Niady tamin’i Jefta izy ireo, ka resy ary afa-baraka satria an’arivony no maty teo amin’ireo toerana fiampitana an’i Jordana. Mody nilaza hoe tsy Efraimita izy ireo, rehefa tonga teo. Fantatra ihany anefa ny marina, satria tsy nahay nanonona ny hoe “Shiboleta” izy ireo fa nilaza hoe “Siboleta.”​—Mpts 12:1-6; jereo koa 2Ta 25:10.

Nisy lehilahy efraimita 20 800 anisan’ireo tonga tany Hebrona mba hamindra ny fanjakan’i Saoly ho amin’i Davida, rehefa maty i Saoly.​—1Ta 12:23, 30.

Foko natanjaka tao amin’ilay fanjakana tany avaratra. Nanomboka nalaza ratsy ny fokon’i Efraima rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka. I Efraima no foko nisongadina sy nahery indrindra tao amin’ilay fanjakana tany avaratra. (Ho 13:1) Ilay Efraimita atao hoe Jeroboama no mpanjaka voalohany tao, ary namorona fivavahana tamin’ny zanak’omby tany Dana sy Betela izy. (1Mp 11:26; 12:25-30) Tsy afaka tao intsony izany fanompoan-tsampy izany.

Foko natanjaka indrindra tamin’ilay fanjakan’ny foko folo tany avaratra i Efraima, ka ny anarany no nanjary notononina rehefa te hiresaka momba ny foko folo. (2Ta 25:7; Je 7:15) Nilaza faminaniana nanameloka mafy an’i Efraima àry i Hosea sy Isaia. I Hosea, ohatra, nanameloka an’i Efraima satria nifangaroharo tamin’ireo firenena izy, ka nianatra ny fanaon’ireny ary nanompo ny sampiny. Toy ny mofo boribory tsy navadika i Efraima, ka masaka na may mihitsy aza ny ilany nefa tsy masaka ny ilany. (Ho 7:8; ampit. Sl 106:35, 36; Ho 4:17; 12:14.) Tsy niverina tamin’i Jehovah izy, na dia lanin’ny hafa firenena aza ny heriny. Naleony nangataka fanampiana tamin’i Ejipta sy nanao fifanekena tamin’i Asyria. Toy ny voromailala mora ambakaina izy, ka tsy afa-mandositra ny fandrika harato.​—Ho 7:9-12; 8:9; ampit. 2Mp 17:4; Ho 12:1.

Naminany momba ny “mpimamon’i Efraima” nanambony tena i Isaia. Nanjary toy ny mamo izy ireo, satria nisaraka tamin’ny fanjakan’ny Joda sy nanao fifanekena tamin’i Syria sy ny firenena hafa. Hahita loza anefa izy ireo.​—Is 7:1, 2, 5-9, 17; 9:9-12; 17:3; 28:1-3.

Nilaza mialoha ny mpaminanin’i Jehovah fa tsy hifampialona sy hifankahala intsony i Efraima (fanjakan’ny foko folo) sy Joda (fanjakan’ny foko roa). (Is 11:13; Je 31:6) Ho tafaray i Joda sy Efraima, ary hanjary hankasitrahan’Andriamanitra indray i Efraima.​—Je 31:18-20; 50:19; Ezk 37:16-19; Za 10:7.

Nisy nanao ny tsara ihany ireo anisan’ny fokon’i Efraima, na dia nalaza ratsy aza ilay foko. Nisy Efraimita maro, ohatra, niala tamin’ny Israely ka niaraka tamin’i Asa mpanjakan’ny Joda, rehefa hitan’izy ireo fa nitahy an’i Asa i Jehovah. (2Ta 15:9) Nisy Efraimita maro koa, tatỳ aoriana, tonga tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Hezekia. Anisan’ny nandrava an’ireo zavatra nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo, taorian’izay. (2Ta 30:18; 31:1) Rehefa nanasa an’ireo Israelita tany avaratra mba hankalaza ny Paska anefa i Hezekia, dia naneso sy nanaraby an’ireo mpihazakazaka nirahiny ny olona maro anisan’ny Efraima sy Manase ary Zebolona. Nieboebo izy ireny fa tsy nanetry tena, ka tsy tonga mba hankalaza ny Paska tany Jerosalema.​—2Ta 30:10, 11.

3. Misy tanàna iray nantsoina hoe Efraima. Maro no mihevitra azy io ho i Efraina, izay resin’i Abia mpanjakan’ny Joda sy nalainy avy tamin’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely. (2Ta 13:19) Nankany Efraima, tany amin’ny faritra akaikin’ny tany efitra, i Jesosy Kristy sy ny mpianany, rehefa nikaon-doha hamono an’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany. (Jn 11:53, 54) Heverina fa ny tanànan’i et-Taiyiba ankehitriny i Efraima. Any amin’ny 6 km any atsinanana avaratratsinanan’i Betela no misy azy io, ary 3 km any atsinanana atsimoatsinanan’ny toerana noheverina fa nisy an’i Bala-hazora. (2Sa 13:23) Milaza ilay Jiosy mpahay tantara hoe Josèphe fa noresen’i Vespasien i Efraima, rehefa nandeha nanafika an’i Jerosalema io jeneraly romanina io.​—Ny Adin’ny Jiosy, IV, 551 (ix, 9).

4. Nantsoina hoe “alan’i Efraima” ny faritra iray teo atsinanan’i Jordana. Tao ny tafik’i Davida Mpanjaka no niady tamin’ny tafik’i Absaloma zanany, izay nikomy taminy. (2Sa 18:6-8) Tsy fantatra intsony ankehitriny ny tena nisy an’io alan’i Efraima io tany Gileada. Angamba izy io tany akaikin’i Mahanaima.​—2Sa 17:22, 24, 26.