Efrona
(Efrôna).
1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “zanaka [serfa]”]. Hetita zanakalahin’i Zohara. I Efrona no tompon’ny saha iray tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe tao Hebrona. Novidin’i Abrahama taminy io saha io sy ilay lava-bato tao, mba handevenany an’i Saraha vadiny. (Ge 23:3-20) Sekely volafotsy 400 (880 dolara eo ho eo) no nividianan’i Abrahama an’io toeram-pandevenana io. Mbola nantsoina hoe “sahan’i Efrona” anefa izy io tatỳ aoriana, na dia efa taranaka maro aza no nifandimby.—Ge 25:9; 49:29, 30; 50:13.
2. [Toeran’ny Vovoka]. Tandavan-tendrombohitra teo anelanelan’i Neftoa sy Kiriata-jearima. (Js 15:9) Teo amin’ny sisiny avaratry ny faritanin’ny fokon’i Joda no nisy azy io.
3. Hita ao amin’ny 2 Tantara 13:19 ny hoe “Efrona”, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, sy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary ao amin’ny Baiboly sasany. “Efraina” anefa no eo amin’ny sisim-pejy amin’ny soratra nataon’ny Masoreta.—Jereo EFRAINA.