Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eglaima

Eglaima

(Eglàima).

Anisan’ny sisin-tanin’i Moaba. ‘Hidradradradra’ izy io rehefa horobaina ilay firenena, araka ny Isaia 15:1, 8. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy azy io. Nilaza i Eusèbe (Onomasticon, 36, 19-21) fa 12 km teo ho eo atsimon’i Rabata-moaba no nisy an’i Eglaima sy Agalima (anarana mitovitovy amin’i Eglaima). Angamba mbola ahitana an’ireo anarana ireo ilay hoe Rojm el-Jilimeh any amin’io faritra io, na ilay hoe Kirbet Jeljol any amin’ny 7 km atsimo kokoa, izay efa nisy tamin’ny andron’ny Nabateanina sy ny Romanina. Mihevitra ilay manam-pahaizana atao hoe Yohanan Aharoni fa i Mazraʽ, tany lonaka any an’efitra, avaratratsinanan’ny Saikinosin’i Lisana, no Eglaima.