Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Egleta-selisia

Egleta-selisia

(Eglèta-selisì) [mety hidika hoe Egleta Fahatelo].

Anarana notononin’i Isaia (15:5) sy Jeremia (48:34), rehefa nanambara ny fanamelohana an’i Moaba izy ireo. Mety ho toerana tany Moaba izy io. Misy milaza fa tanàna telo no nitovy anarana tao amin’ny faritra iray, ka ilay fahatelo (“ilay Egleta Fahatelo”, AT) no noresahin’i Isaia sy Jeremia. Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy an’ireo tanàna ireo.

Manam-pahaizana maro anefa no milaza fa tsy tokony ho anaran-toerana no nandikana an’ilay teny hebreo (ʽeglat shelishiyah). Teny an’ohatra mantsy, hono, izy io, ka tokony hadika hoe “ombivavy kely telo taona.” (Prot., f.a.p.; JM) Raha izany no izy, dia mety ho nampitahain’ireo mpaminany tamin’ny ombivavy kely matanjaka nefa ‘nitaraindraina’ be fotsiny i Moaba rehefa resy.