Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eglona

Eglona

(Eglôna) [Zanak’omby Kely].

1. Mpanjakan’i Moaba tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nampahory an’ireo Israelita nandritra ny 18 taona izy, “satria nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” izy ireo. (Mpts 3:12-25) I Eglona no mpitarika ny tafik’i Moaba sy Amona ary Amaleka, rehefa niady tamin’ny Israely izy ireo. Nivadika anefa ny rasa rehefa nanolotra azy ny fanomezana mahazatra i Ehoda, lehilahy kavia, ary niteny hoe: “Misy tsiambaratelo tiako holazaina aminao, ry mpanjaka ô!” Tao amin’ilay efitranony mangatsiatsiaka tany an-tampon-trano i Eglona tamin’izay, ary nasainy nivoaka daholo ny mpanompony. Nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany izy, mba hihaino an’izay nolazain’i Ehoda hoe “tenin’Andriamanitra.” Natsatok’i Ehoda teo amin’ny kibony ngezabe anefa ny sabatra roa lela, ka “difotra mbamin’ny tahon’ilay sabatra” ary “nanomboka nivoaka ny malotony.” Hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Clarke, momba ny Mpitsara 3:22: “Mety ho nipotsaka avy teo amin’ilay ratra ny tao anaty tsinainy, na nivoaka tany ambany noho izy natahotra sy nanaintaina.”

2. Tanànan’ny mpanjaka kananita iray. Nanafika an’i Gibeona io mpanjaka io sy ny mpanjaka efatra niray dina taminy, satria nanaiky hihavana tamin’i Josoa sy ny Israely ny mponina tao. Novonoin’i Josoa ireo mpanjaka dimy ireo, nahantony tamin’ny tsato-kazo ny fatiny, ary nobaboiny i Eglona rehefa avy naripany ny mponina tao. (Js 10:1-5, 22-27, 34, 35; 12:12) Lasa anisan’ny faritanin’ny fokon’i Joda i Eglona, tatỳ aoriana. (Js 15:39) Misy mihevitra azy io ho i Tell el-Hesi, 25 km eo ho eo atsinanana avaratratsinanan’i Gaza, ary 11 km eo ho eo andrefan’i Lakisy, izany hoe akaikin’ny Lemak’i Filistia. Mbola ahitana an’ilay anarana ihany anefa ao Kirbet ʽAjlan, izay toerana efa ravarava tsy lavitra eo.