Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ehoda

Ehoda

(Ehòda).

1. Lehilahy natanjaka sy nahery fo, taranak’i Jediaela avy tamin’i Bilana, anisan’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 7:6, 10, 11.

2. Zanakalahin’i Gera avy amin’ny fokon’i Benjamina. (Mpts 3:15) Nofidin’Andriamanitra i Ehoda mba hanafaka ny Israely. Navelany hampijaly sy hanandevo azy ireo nandritra ny 18 taona mantsy i Eglona mpanjakan’i Moaba, satria “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” izy ireo.​—Mpts 3:12-14.

Rehefa nanomboka niantso vonjy tamin’i Jehovah ny Israelita, dia notendreny ho “mpamonjy” azy ireo i Ehoda. Nasain’ny Israelita nanatitra hetra tany amin’i Eglona i Ehoda, indray andro. Efa nanao sabatra roa lela i Ehoda, ka “iray hakiho [heb.: gômed] ny halavan’ilay izy.” Tsy fantatra marina ny halavan’io refy io. Misy mihevitra azy io ho hakiho fohy, izany hoe 38 sm teo ho eo. I Ehoda dia kavia [a.b.t.: lehilahy tsy afaka mampiasa ny tanany havanana]. Tsy midika anefa izany hoe kilemaina izy. Io teny io ihany koa mantsy no nampiasaina tamin’ireo Benjamita mpiady 700 lahy, izay tsy azo inoana hoe nanana kilema ara-batana fa “kavia” sady toa kavia no kavanana. (Mpts 3:15, 16; ampit. 1Ta 12:2.) Mety ho sady kavia no kavanana i Ehoda, na dia tsy milaza an’izany mivantana aza ny Baiboly. Nataony teo amin’ny andilany, teo amin’ny feny ankavanana, tao anaty akanjony ny sabany satria izy kavia.

Rehefa avy natolotra ilay hetra, dia naterin’i Ehoda hatreny amin’ny toerana famakiam-bato tany Gilgala ireo nitondra izany, fa izy kosa niverina tany amin’i Eglona. Tao amin’ilay efitranony mangatsiatsiaka tao an-tampon-trano io mpanjaka moabita io tamin’izay, ary hoy i Ehoda taminy: “Misy tenin’Andriamanitra holazaiko aminao.” Nahaliana an’i Eglona izany, ka nitsangana avy teo amin’ny seza fiandrianany izy. “Natsotran’i Ehoda ny tanany havia, ka notsoahany ilay sabatra teo amin’ny feny ankavanana”, ary natsatony tany amin’ny kibon’i Eglona matavy be. “Difotra mbamin’ny tahon’ilay sabatra, ary nikombona nanarona ny lelan-tsabatra ny tavin’i Eglona.” Raha kavanana ny olona iray, dia nanatsoaka ny sabany teo amin’ny ilany havia. Tsy nampoizin’i Eglona mihitsy àry hoe hanatsoaka sabatra teo amin’ny feny havanana ny tanana havian’i Ehoda. Maty ilay mpanjaka fahavalo, ary nakaton’i Ehoda sy nohidiany lakile ny varavaran’ilay efitrano, ka nivoaka avy teo amin’ny lavaka fidiran-drivotra izy. Nosokafan’ny mpanompon’i Eglona ny varavarana tamin’ny farany, ka “efa maty nitsitra tamin’ny tany ilay tompony!”​—Mpts 3:15-25.

Nandositra tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Ehoda. Nangoniny ny tafiky ny Israelita sady nilazany hoe: “Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo.” Nambenan’izy ireo àry izay toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana, mba tsy ho afaka handositra any amin’ny taniny ny Moabita. Azo antoka fa kivy be izy ireo satria maty ny mpanjakany. “Lehilahy vaventy sy mahery fo daholo ireo” Moabita 10 000 matin’ny Israelita, “ary tsy nisy afa-nandositra na iray aza.” “Tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny valopolo taona”, rehefa resin’ny Israely i Moaba ary i Ehoda no lasa mpitarika azy ireo.​—Mpts 3:26-30.

Tsy “Mpitsara” no ilazan’ny Baiboly an’i Ehoda, fa “mpamonjy.” (Mpts 3:15) Diniho anefa i Otniela, izay velona tamin’ny andron’ny Mpitsara. Sady nantsoina hoe “mpamonjy” izy no nantsoina koa hoe “mpitsara.” (Mpts 3:9, 10) Toa mpitsara koa àry i Ehoda fa tsy “mpamonjy” fotsiny.

3. Anarana hita ao amin’ny lisitry ny taranak’i Benjamina, ao amin’ny 1 Tantara 8:1, 6.