Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ejipta, Ejipsianina

Ejipta, Ejipsianina

Resahina ao amin’ny Baiboly im-700 mahery i Ejipta sy ny mponina any. Antsoina matetika hoe Mizraima (Mitsrayim) (ampit. Ge 50:11) i Ejipta, ao amin’ny Soratra Hebreo. Be dia be angamba ny taranak’i Mizraima zanak’i Hama tany amin’io faritra io. (Ge 10:6) Na ankehitriny aza mbola antsoin’ny Arabo hoe Misr i Ejipta. Antsoina hoe “tanin’i Hama” kosa izy io, ao amin’ny salamo sasany.​—Sl 105:23, 27; 106:21, 22.

Sisin-tany sy mombamomba an’ilay tany. (SARINTANY, Boky 1, p. 531) Ny Reniranon’i Neily no tena mamelona an’i Ejipta, na taloha na ankehitriny. Manamorona azy io ny lohasaha lavalava iray maitso mavana sy lonaka. Mamakivaky tany ngazana ilay lohasaha, any Afrika Avaratratsinanana. Anisan’ilay antsoina hoe “Ejipta Ambany” ny faritry ny Vinany lehibe. Teo amin’ilay Vinany ny ranon’i Neily no nisampana dimy, fara fahakeliny, ary nivarina tany amin’ny Ranomasina Mediterane. Misampana roa sisa izy izao. Misy 160 km eo ho eo hatreo amin’ny fisampanan’i Neily (ao amin’ny faritr’i Le Caire ankehitriny) ka hatrany amoron-dranomasina. Teo avaratra kelin’i Le Caire no nisy ny tanànan’i Heliopolisy fahiny (antsoin’ny Baiboly hoe Ona). Kilaometatra vitsivitsy eo atsimon’i Le Caire kosa i Memfisa (antsoin’ny Baiboly matetika hoe Nofa). (Ge 46:20; Je 46:19; Ho 9:6) Teo atsimon’i Memfisa i “Ejipta Ambony”, izay mirefy 960 km eo ho eo. Manomboka eo amin’ilay lohasaha izy io ka mipaka hatrany amin’ny riandrano voalohany ao Assouan (Syena fahiny). Tokony hantsoina hoe “Ejipta Afovoany” anefa ny tapany avaratr’io faritra io, araka ny hevitry ny manam-pahaizana maro. Lemaka ny Lohasahan’i Neily eo amin’ny faritr’i Ejipta Afovoany sy Ejipta Ambony manontolo, ary tsy mihoatra ny 20 km ny sakany, amin’ny ankapobeny. Harambato vatosokay sy vatovary no eo amin’ny andaniny roa, manaraka ny sisin’ny tany efitra.

Tsy lavitra an’ilay riandrano voalohany no nisy an’i Etiopia fahiny. Izany no nahatonga ny Baiboly hilaza hoe mipaka “hatrany Migdola [angamba tany avaratratsinanan’i Ejipta] ka hatrany Syena sy ny sisin-tanin’i Etiopia” i Ejipta. (Ezk 29:10) Matetika no ilazana an’i Ejipta manontolo ilay teny hebreo hoe Mitsrayim. Mihevitra anefa ny manam-pahaizana maro fa ilazana an’i Ejipta Ambany sy Ejipta Afovoany izy io indraindray, fa i Ejipta Ambony kosa no antsoina hoe “Patrosa.” Miresaka ny amin’i “Ejipta [Mizraima] sy Patrosa sy Kosy” ny Isaia 11:11. Mifanitsy amin’ny faritr’i ‘Mosor, Patorisy, sy Koso’ ao anaty lisitry ny faritra nanjakan’i Esara-hadona, mpanjaka asyrianina, izy ireo.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 290.

Ny Ranomasina Mediterane no eo amin’ny sisiny avaratr’i Ejipta, ilay riandrano voalohany sy Nobia-Etiopia no eo atsimo, ny Tany Efitr’i Lybia (anisan’i Sahara) no eo andrefana, ary ny Tany Efitry ny Ranomasina Mena no eo atsinanana. Somary mitokana ihany àry i Ejipta, ka sarotra tafihina sy tsy mora itsofohan’ny kolontsaina vahiny. Mampitohy azy amin’i Azia anefa ny andilan-tanin’i Sinay eo avaratratsinanana (1Sa 15:7; 27:8), ka teo no nidiran’ny mpivaro-mandeha (Ge 37:25), ny mpila ravinahitra, ary ny tafiky ny fahavalo, tatỳ aoriana. “Ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta”, na ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish eo amin’ny Saikinosin’i Sinay, kosa no farany avaratratsinanan’i Ejipta. (2Mp 24:7) Avy eo indray no nanomboka ny tany Kanana. (Js 15:4) Tany efitra ny faritra andrefan’i Neily, nefa nisy tany lonaka dimy, fara fahakeliny, izay lasa anisan’i Ejipta koa. Iray tamin’izy ireny i Faiyoum, izay lehibe ihany. Tany amin’ny 72 km teo ho eo tany atsimoandrefan’i Memfisa fahiny izy io, ary lakandrano nampitohy azy tamin’i Neily no nahazoany rano.

I Neily no nampandeha ny toe-karena. Tsy misy bibidia ny faritra ngazana manamorona ny Lohasahan’i Neily ankehitriny, satria zara raha misy zavamaniry, na tsy misy mihitsy aza. Nisy biby maro nohazain’ny Ejipsianina kosa ireo lohasaha falehan-driaka fahiny. Tsy dia nisy orana firy anefa tamin’izany, ary zara raha misy koa ankehitriny (angamba 5 sm isan-taona ny rotsakorana ao Le Caire). Ny ranon’i Neily àry no tena namelona an’i Ejipta.

Any amin’ireo tendrombohitr’i Etiopia sy ireo tany eo akaikiny no ipoiran’ny ranon’i Neily. Ampy tsara ny orana tany amin’ireo tany ireo ka nampisondrotra an’ilay renirano. Nanjary tondraka i Neily tany Ejipta isan-taona, ny volana Jolay ka hatramin’ny Septambra. (Ampit. Am 8:8; 9:5.) Nahazoana rano ho an’ny lakandrano fanondrahana voly sy ho an’ny dobo izany. Nahalonaka ny tany koa ny antsanga sy dilatra nentin’ny rano. Lonaka tokoa ny Lohasahan’i Neily sy ny Vinany. Nampitovina tamin’ny ‘zaridainan’i Jehovah, tahaka ny tany Ejipta’ àry ilay faritr’i Sodoma sy Gomora azon-drano tsara tazan’i Lota. (Ge 13:10) Tsy tondraka anefa ilay renirano indraindray, ka kely ny vokatra niakatra ary nisy mosary. (Ge 41:29-31) Ho loza tokoa raha tsy tondraka intsony i Neily, satria ho lasa ngazana tanteraka i Ejipta!​—Is 19:5-7; Ezk 29:10-12.

Ny vokatra. Vokatra be tany Ejipta ny vary orza, varimbazaha, vary spelta, ary rongony (nanaovana lamba rongony tena tsara izay naondrana tany amin’ny firenena maro). (Ek 9:31, 32; Oh 7:16) Nisy koa ny tanimboaloboka sy ny hazo fihinam-boa toy ny antrendry, aviavy, ary ampongabendanitra. Teo koa ny legioma isan-karazany toy ny kôkômbra, pasteky, poarô, tongolobe, ary tongolo lay. (Ge 40:9-11; No 11:5; 20:5) Voalaza fa ‘nampiditra rano tamin’ny tongony’ ny Ejipsianina. (De 11:10) Nampiasa kodiarana novoizina tamin’ny tongotra angamba ry zareo, araka ny fiheveran’ny manam-pahaizana sasany. Na mety ho ny tongony no nanokafany na nanidiany lakandrano nitarihana rano fanondrahana voly.

Matetika no nidina nankany Ejipta ny olona teny amin’ny firenena manodidina, rehefa tratran’ny mosary. Izany, ohatra, no nataon’i Abrahama, teo am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. (Ge 12:10) Lasa sompitry ny faritra maro teny akaikin’ny Ranomasina Mediterane i Ejipta. Sambo mpitondra voamadinika, ohatra, ilay sambo avy tany Aleksandria, any Ejipta, niakaran’ny apostoly Paoly tao Myra. Ho any Italia io sambo io tamin’izay.​—As 27:5, 6, 38.

Nanondrana zozoro be dia be koa i Ejipta. Zavamaniry telo rirana naniry teny amin’ny honahonan’ny Vinany (Ek 2:3; ampit. Jb 8:11) ny zozoro, ary nanaovana taratasy papyrus. Tsy nisy ala anefa tany Ejipta ka voatery nanafatra hazo avy tany Fenisia ny Ejipsianina, indrindra fa hazo sedera avy tany amin’ireo tanàna nisy seranan-tsambo toa an’i Tyro. Tian’ny mponin’i Tyro kosa ny lamba rongony maro loko avy tany Ejipta. (Ezk 27:7) Vato granita no nanaovana tempoly sy tsangambato. Nampiasaina koa ny vato malemy kokoa toy ny vatosokay, izay nisy be dia be teny amin’ireo havoana manamorona ny Lohasahan’i Neily. Biriky tany kosa no nanaovana ny trano tsotra sy ny lapa mihitsy koa aza. Biriky mantsy no tena fampiasa tamin’ny fanorenana. Nahitana volamena sy varahina ny toeram-pitrandrahana teny amin’ireo havoana manamorona ny Ranomasina Mena (sy teny amin’ny Saikinosin’i Sinay). Naondrana koa ny halimo vita tamin’ireny varahina ireny.​—Ge 13:1, 2; Sl 68:31.

Andry iankinan’ny toe-karenan’i Ejipta ny fiompiana. Tany Ejipta i Abrahama no nahazo ondry sy omby, ary ampondra sy rameva, izay samy biby mpitondra entana. (Ge 12:16; Ek 9:3) Voalaza fa nisy soavaly tany, tamin’i Josefa nitantan-draharaha (1737-1657 T.K.). Azo inoana fa avy tany Azia izy ireny. (Ge 47:17; 50:9) Novidin’ny Ejipsianina angamba izy ireny tamin’ny voalohany, na azony babo tamin’ny fanafihana ireo firenena tany avaratratsinanana. Efa nanana be dia be i Ejipta tamin’ny andron’i Solomona. Lasa entam-barotra sarobidy teo amin’ny tsenan’ny varotra iraisam-pirenena àry ny soavaly sy ny kalesin’i Ejipta.​—1Mp 10:28, 29.

Ny biby. Maro be ny vorona mpihaza sy mpihinana fatim-biby. Anisan’izany ny vaotoro, papango, voromahery, ary hitsikitsika lehibe. Nisy vorondrano maro koa, toy ny voronosy sy ny vano misy sangany. Be trondro tao amin’i Neily (Is 19:8), ary nisy hipopotama sy voay koa. (Ampitahao amin’ny fanoharana ao amin’ny Ezk 29:2-5.) Tany an-tany efitra kosa ny alikadia isan-karazany sy ny liona, ary ny bibilava isan-karazany sy ny biby mandady.

Ny mponina. Taranak’i Hama ny Ejipsianina, angamba avy amin’i Mizraima zanany lahy. (Ge 10:6) Nety ho nifindra monina nankany Afrika Avaratra ny ankamaroan’ny taranak’i Mizraima, toy ny Lodima, Anamima, Lehabima, Naftohima, ary Patrosima (Ge 10:6, 13, 14), rehefa niparitaka avy tao Babela ny olona. (Ge 11:8, 9) Patrosa (Patrosima, mr.) no ilazana an’i Ejipta Ambony, araka ny efa hitantsika terỳ aloha. Nipetraka tao amin’ny faritry ny Vinany ny Naftohima.

Nisy foko samy hafa ny Ejipsianina. Efa hatry ny ela be mantsy i Ejipta no nozarazaraina ho nomes, na faritany. Mbola nitohy izany rehefa natambatra teo ambany fahefan’ny mpitondra iray i Ejipta, mandra-paharavan’ilay fanjakana. Nisy 42 ireo faritany, ka 20 tany Ejipta Ambany, ary 22 tany Ejipta Ambony. Tsy nitovy ny vohon-tany tany Ejipta Ambony sy Ejipta Ambany, ka izany angamba no antony nanavahana azy ireo. Nety ho tsy nitovy koa anefa ireo foko nipetraka tany amin’ireo faritra ireo. Tena nizara ho Ambony sy Ambany i Ejipta rehefa nihena ny fahefan’ny mpanjaka, ary saika nizara ho fanjakana kely be dia be isaky ny faritany mihitsy aza.

Hita amin’ny sary hoso-doko tranainy sy ny faty voatahiry hatramin’izao fa fohy sy manifinify ary zarazara hoditra ny Ejipsianina fahiny. Tsy toy izany daholo anefa izy ireo, araka ny hita amin’ny sary hoso-doko sy sary sokitra hafa.

Ny fiteny. Misy manam-pahaizana ankehitriny milaza fa ao anatin’ny sokajy “semitika hamitika” ny teny ejipsianina (fitenin’ireo taranak’i Sema ny semitika, fa an’ireo taranak’i Hama kosa ny hamitika). Teny hamitika ilay izy, raha ny marina, saingy misy itovizany be amin’ny teny semitika, hono, ny fitsipi-pitenenany sy ny voambolany. Hoy anefa ny manam-pahaizana iray: “Be dia be ny tsy itovizan’ny teny ejipsianina amin’ireo teny semitika. Mihoatra lavitra noho ny tsy fitovian’ny samy teny semitika izany. Mbola tsy fantatra mazava koa izay ifandraisany amin’ny teny afrikanina. Tena azo antoka anefa fa tsy ao anatin’ny sokajin’ny teny semitika izy io.” (Fitsipi-pitenenana Ejipsianina, nataon’i A. Gardiner, Londres, 1957, p. 3) Nampiasa mpandika teny ejipsianina i Josefa rehefa niresaka tamin’ireo rahalahiny, mba tsy hahafantaran’izy ireo azy.​—Ge 42:23.

Tena sarotra ny milaza hoe nanao ahoana marina ny endrik’ireo fiteny voalohany tany Ejipta. Nahoana? Noho ny endri-tsoratra ejipsianina. Marika sy sary (mampiseho biby, vorona, zavamaniry, na zavatra hafa) ary tsipitsipika sy boribory izy io, ary nantsoin’ny Grika hoe hieroglifa. Nisy marika koa nampiasaina mba hamantarana ny vaninteny. Marika fanampiny fotsiny anefa ireny fa tsy tena solon’ny soratra hieroglifa. Tsy fantatra koa ankehitriny ny tena fanononana an’ireny vaninteny ireny. Nahafahana nahita mangirana kely anefa ny asa soratra miendri-pantsika fahiny niresaka momba an’i Ejipta, tany antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K. tany ho any. Soa ihany koa fa nisy nanoratra tamin’ny teny grika ny anarana sy teny ejipsianina sasany, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina A.K. Nisy nanoratra tamin’ny teny aramianina koa ny teny ejipsianina sasany nanomboka tamin’ny taonjato fahafito, ka tena nanampy izany. Mbola ny teny kôpta, izay teny ejipsianina nampiasaina nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo, anefa no tena iaingana mba hamantarana ny fomba nanononana ny teny ejipsianina fahiny. Tombantombana fotsiny àry ny famaritana ny fitsipi-pitenenana sy voambolana ejipsianina tany am-boalohany, indrindra fa ny talohan’ny nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta. Jereo, ohatra, NO, NO-AMONA.

Tsy dia misy mahay firy koa ankehitriny ny teny hamitika hafa nampiasaina fahiny tany Afrika. Sarotra àry ny mamantatra ny fifandraisan’ny teny ejipsianina tamin’izy ireny. Soratra amin’ny teny afrikanina fampiasa tamin’ny taonjato voalohany ihany koa no mbola hita hatramin’izao. Tena marina ny fitantaran’ny Baiboly hoe nasafotofoto ny fitenin’ny olona. Tsy teny semitika fa teny hafa mihitsy àry no nampiasain’ny Ejipsianina fahiny, izay taranak’i Mizraima zanak’i Hama.

Tamin’ny tsangambato sy ny sary hoso-doko amin’ny rindrina no tena nampiasana ny soratra hieroglifa, izay tena nokalina tsara. Nampiasaina foana ny hieroglifa hatramin’ny taonjato voalohany, indrindra fa ho an’ny soratra ara-pivavahana. Nisy endri-tsoratra tsotra kokoa anefa noforonin’ny mpitan-tsoratra (na mpanora-dalàna). Nampiasa tarehin-tsoratra mifaingoka izy ireo, ary ranomainty no nanoratany azy teo amin’ny hodi-biby sy taratasy papyrus. Nantsoina hoe hieratika io soratra io. Nisy indray tatỳ aoriana ny soratra atao hoe demôtika, izay nampiasana tarehin-tsoratra mifaingoka kokoa. Nampiasaina indrindra nanomboka tamin’ny andron’ny “Tarana-mpanjaka Faha-26” (taonjato fahafito sy fahenina T.K.) izy io. Efa tamin’ny 1799 vao fantatra ny hevitry ny soratra ejipsianina. Hita tamin’izay mantsy ilay antsoina hoe Vaton’i Rosette, izay any amin’ny Tranombakoka Britanika izao. Misy didy natao ho fanomezam-boninahitra an’i Ptolémée Faha-5 (Epifana) io vato natao tamin’ny 196 T.K. io. Nisy soratra ejipsianina hieroglifa sy demôtika ary grika teo amin’ilay izy, ka ilay grika no nahafantarana ny hevitr’ireo soratra ejipsianina.

Ny fivavahana. Nivavaka tamin’ny andriamanitra maro be ny Ejipsianina. Samy nanana ny andriamaniny ny tanàna kely sy lehibe, ary nantsoina hoe “Tompon’ny Tanàna” ilay andriamanitra. Misy anaran’andriamanitra 740 eo ho eo ny lisitra iray hita tao amin’ny fasan’i Thoutmosis III. (Ek 12:12) Matetika no nanambady andriamanibavy ilay andriamanitra. Lahy ny zanak’izy ireo, ary “lasa andriamanitra telo mitambatra izy telo mianaka. Tsy ilay ray foana anefa no filoha, fa vadin’ilay mpanjakavavy fotsiny izy. Ilay andriamanibavy kosa no tena notompoin’ny tao an-tanàna.” (Rakipahalalana Vaovao Momba ny Angano, frantsay, 1968, p. 10) Tao amin’ny tempoly tsy azon’ny besinimaro nidirana ny andriamanitra lehibe tsirairay. Ny mpisorona no nanao fanompoana ho azy, ka namoha azy isa-maraina tamin’ny hira, nampandro sy nampiakanjo ary “nanome sakafo” azy, sady nanao asa hafa ho azy. (Ampifan. Sl 121:3, 4; Is 40:28.) Toa noheverina ho nisolo tena an’i Farao ireo mpisorona ireo, satria ninoana ho andriamanitra zanak’i Ra andriamanitra i Farao. Tsy mahagaga àry raha namaly an’avona i Farao hoe: “Fa i Jehovah moa no iza no tokony hihaino ny feony aho, ka handefa ny Israely?” (Ek 5:2) Tena nila herim-po tokoa i Mosesy sy Arona rehefa nankeo anatrehany, mba hilaza ny baikon’ilay tena Andriamanitra.

Tsy fantatra firy ny zavatra ninoan’ny Ejipsianina, na dia betsaka aza ny zavatra nofongarin’ny mpikaroka avy any ambanin’ny tany, toy ny tempoly, sarivongana, sary hoso-doko ara-pivavahana, ary asa soratra. Tsy ampy ny fanazavana ao amin’ireo soratra ara-pivavahana, satria be dia be ny zavatra tsy resahiny. Ny fandinihana ny zavatra efa hita fotsiny na ny fanazavan’i Hérodote sy Plutarque, mpanoratra grika, no nahafantarana ny fombafomban’ny Ejipsianina sy ny mombamomba ny andriamanitr’izy ireo.

Ondrilahy sarivongan’i Amona miaraka amin’i Farao Taharka (Tiraka). Midika izy io hoe miaro an’ilay mpitondra ilay andriamanitra

Miharihary anefa fa tsy nitovy ny zavatra ninoan’izy ireo, arakaraka ny faritra nisy azy. Nino angano maro be nisafotofoto izy ireo, ary matetika izy ireny no nifanohitra. Nomena bika sy anarana 75, ohatra, i Ra andriamanitra. Toa vitsy kely tamin’ireo andriamanitra an-jatony anefa no nivavahana eran’i Ejipta. Ny tena be mpitia dia i Osiris, Isis vadiny, ary Horus zanany lahy, izay andriamanitra telo mitambatra. Anisan’ny be mpitia koa ireo andriamanitra eo amin’izao rehetra izao, toy ny volana, lanitra, rivotra, tany, reniranon’i Neily, sns., ka i Ra, andriamanitra masoandro, no ambony indrindra. Nalaza indrindra tao Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No) i Amona andriamanitra, ary nantsoina mihitsy aza tatỳ aoriana hoe Amona-Ra na “mpanjakan’ireo andriamanitra.” (Je 46:25) Nentina nandehandeha eran’ny tanàna ireo andriamanitra, tamin’ny fotoanan’ny fety. (Je 46:17) Rehefa nentin’ny mpisorona nandehandeha, ohatra, ny sarivongan’i Ra, dia tonga nijery azy daholo ny olona mba hahazo fitahiana. Efa nanao ny adidiny ara-pivavahana mantsy, hono, izy ireo tamin’izany, ka tokony hitahy azy ireo kosa i Ra. Te hahazo fitahiana sy harena avy taminy fotsiny izy ireo, fa tsy te hifandray taminy. Betsaka ny zavatra itovian’ireo andriamanitra lehibe tany Ejipta sy ireo tany Babylona, ka azo inoana fa avy tany Babylona izy ireny.​—Jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY.

Tsy nahasoa na nampahery ny Ejipsianina izany fivavahana tamin’andriamanitra maro izany. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-8, p. 53): “Nisy olona taloha sy ankehitriny nihevitra fa nino zava-miafina mahatalanjona nifono fahamarinana lalina, ny Ejipsianina. Nino zava-miafina tokoa izy ireo, sahala amin’ireo Ashanti sy Ibo [foko afrikanina]. Tsy marina anefa ny hoe nifono fahamarinana ireny zava-miafina ireny, dia fahamarinana tsy fantatr’izay tsy nianatra azy.” Porofoin’ny zava-misy kosa fa nifototra tamin’ny herin’ny maizina sy ny finoanoam-poana ny fivavahan’ny Ejipsianina. (Ge 41:8) Nampiasa herin’ny maizina izy ireo mba hisorohana aretina, ary maro be ny “mpilalao ody”, “mpamoha angatra”, ary “mpilaza ny hoavy.” (Is 19:3) Nitondra ody atao fiaro sy ody mahatsara vintana ny olona, ary niambozona taratasy papyrus kely misy soratra fiarovana amin’ny fanahy ratsy. (Ampit. De 18:10, 11.) Niseho ho nahavita fahagagana toy izay nataon’i Mosesy sy Arona tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ireo mpisorona sy mpilalao ody tao an-dapan’i Farao. Tsy maintsy niaiky anefa izy ireo tamin’ny farany fa tsy nahavita intsony.​—Ek 7:11, 22; 8:7, 18, 19.

Fivavahana tamin’ny biby. Nanjary nivavaka tamin’ny biby ny Ejipsianina, noho ny finoanoam-poana. Fanao faran’izay mampietry anefa izany. (Ampit. Ro 1:22, 23.) Nanana vatan’olona sy lohana biby na vorona ny ankamaroan’ny andriamanitra nalaza indrindra, rehefa natao sary. Nanana lohana hitsikitsika, ohatra, i Horus andriamanitra, ary i Thoth kosa nanana lohana voronosy na rajako. Nitafy vatam-biby mihitsy aza, hono, ilay andriamanitra indraindray. Noheverina fa naka endriky ny ombilahy Apis, ohatra, i Osiris andriamanitra. Nompiana tao amin’ny tempoly iray ilay ombilahy, ary nanaovana fandevenana manetriketrika rehefa maty. Masina koa, hono, ny biby sasany, toy ny saka, babakoto, voay, alikadia, ary vorona samihafa, satria nisy ifandraisany tamin’ny andriamanitra sasany. Nokarakaraina tsy ho lo àry ny fatin’ny biby an-jatony toy ireny, ary nalevina tao amin’ny fasana manokana.

Nanala baraka an’i Apis, andriamanitra ombilahy, ny nandripahan’i Jehovah ny biby fiompin’i Ejipta

Nahoana i Mosesy no nanizingizina fa ho “zava-maharikoriko amin’ny Ejipsianina” ny sorona hataon’ny Israelita?

Maro be ny biby nohamasinina eran’i Ejipta. Tsy mahagaga àry raha nangataka foana tamin’i Farao i Mosesy, mba handefa ny Israelita hanao sorona any an-tany efitra. Hoy izy: “Eritrereto hoe eo imason’ny Ejipsianina izahay no hanao sorona zava-maharikoriko aminy! Tsy hotorahany vato ve izahay?” (Ek 8:26, 27) Ho nanafintohina ny Ejipsianina tokoa ny ankamaroan’ny sorona nataon’ny Israelita. (Zanak’omby nateraky ny ombivavin’ny lanitra, ohatra, no sary nampisehoana an’i Ra andriamanitra masoandro, indraindray.) Nampihatra didim-pitsarana tamin’ny “andriamanitra rehetran’i Ejipta” anefa i Jehovah ka nampietry tanteraka azy ireny, rehefa nandefa an’ireo Loza Folo tany. Nanjary nalaza eran’i Ejipta àry ny anaran’i Jehovah, araka ny hita ao amin’ny hoe ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY.​—Ek 12:12.

Nisy Israelita nanaraka an’izany fivavahan-diso izany, nandritra ny 200 taona nipetrahany tany Ejipta. (Js 24:14) Azo inoana fa izany no nahatonga azy ireo hanao ratsy, raha vao niala kely an’i Ejipta fotsiny. Nasain’i Jehovah narian’ny Israelita ireo “sampy maharikorikon’i Ejipta”, nefa tsy nariany. (Ezk 20:7, 8; 23:3, 4, 8) Nanaraka ny fanaon’ny Ejipsianina koa ny Israelita sasany, matoa nanamboatra sarivongana zanak’omby volamena sy nivavaka tamin’izy io tany an-tany efitra. (Ek 32:1-8; As 7:39-41) Mbola nampitandrina ny Israelita indray i Jehovah, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina, mba tsy hampiasa sarina biby na zavatra eny amin’ny lanitra, rehefa mivavaka aminy. (De 4:15-20) Nipoitra indray anefa taonjato maro tatỳ aoriana ny fivavahana tamin’ny biby, rehefa lasa mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra i Jeroboama. Vao avy tany Ejipta izy, ary nanamboatra zanak’omby volamena roa mba hivavahana. (1Mp 12:2, 28, 29) Tsara homarihina kosa fa tsy ahitana taratry ny fanompoan-tsampy sy finoanoam-poana ejipsianina mihitsy, ny boky ao amin’ny Soratra Masina nosoratan’i Mosesy.

Tsy tia zavatra ara-panahy sady tsy tsara toetra. Nilaza ny manam-pahaizana sasany fa naka tahaka ny fiheveran’ny Israelita ny ota ny Ejipsianina, araka ny hita ao amin’ny soratra ara-pivavahana ejipsianina sasany. Tsy mba niaiky heloka anefa ny Ejipsianina, fa nitanisa fotsiny an’izay tsy nataony. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-8, p. 56): “Rehefa nibaboka [ny Ejipsianina], dia tsy niteny hoe ‘Meloka aho’ fa hoe ‘Tsy meloka aho.’ Izay zavatra tsy nataony ihany no notanisainy. Anjaran’ireo mpitsara àry ny nijery ny onus probandi [ireo porofo]. Namoaka didy foana anefa ireo mpitsara ireo hoe tsy meloka ilay olona, raha vakina ny taratasy papyrus ho an’ny maty, na fara faharatsiny, nantenaina na nampoizina fa hamoaka didy toy izany.” (Ampifan. Sl 51:1-5.) Fanaovana fombafomba sy teny averimberina fotsiny ny fivavahana tany Ejipta fahiny, mba hahazoana fitahiana avy tamin’andriamanitra iray na maromaro.

Nisy nilaza fa nino andriamanitra tokana ny Ejipsianina, tamin’ny andro nanjakan’i Farao Amenofisy III sy Amenofisy Faha-4 (Akhenaton), satria saika i Aton andriamanitra masoandro irery no nivavahan’ny rehetra. Tsy tena marina anefa izany. Mbola nivavahana foana mantsy i Farao. Tsy mba nampirisika ny hananana toetra tsara koa ireo soratra ara-pivavahana. Fiderana fotsiny an’i Aton andriamanitra masoandro noho izy nanome hafanana mamelona, ohatra, ny hira natao ho azy, fa tsy nisy fankasitrahana na fiderana toetra tsara na toetra ahafahana mifandray tsara aminy. Tsy marim-pototra mihitsy àry ny filazana hoe avy tamin’ny Ejipsianina ny finoana Andriamanitra tokana noresahin’i Mosesy.

Finoana momba ny maty. Tena nampiavaka ny fivavahan’ny Ejipsianina ny fiahiany ny maty, sy ny fitadiavany izay hahasambatra sy hahasoa azy aorian’ny fahafatesana. Foto-pinoan’izy ireo ny hoe tsy mety maty ny fanahy fa mifindra any amin’ny vatana hafa. Nino koa anefa izy ireo hoe tsy maintsy tehirizina ilay vatana mba hahafahan’ilay fanahy hiverina hampiasa azy io indraindray. Izany no nahatonga azy ireo hikarakara an’ireo faty mba tsy ho lo. Ninoany fa ‘tranon’ilay’ olona maty ny fasany. Trano goavam-be ho an’ny mpanjaka nodimandry, ohatra, ireo piramida. Notehirizina tao am-pasana ireo zavatra tena ilaina amin’ny fiainana sy mampiadana, toy ny firavaka, fitafiana, fanaka, ary sakafo, mba hampiasain’ilay olona efa maty. Nasiana soratra (toy ilay “Boky ho An’ny Maty”) sy ody koa tao, mba hiarovana azy tamin’ny fanahy ratsy. (SARY, Boky 1, p. 533) Tsy nahavita niaro azy akory anefa izany soratra izany. Norobain’ny mpamaky fasana mantsy ny ankamaroan’ny fasana lehibe.

Marina fa nokarakaraina ny fatin’i Jakoba sy Josefa. Natao toy izany anefa ny fatin’i Jakoba, mba ho azon’ny Israelita nafindra tany amin’ny fasana iray tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Ny an’i Josefa kosa nokarakarain’ny Ejipsianina, angamba ho fanajana sy fanomezam-boninahitra azy.​—Ge 47:29-31; 50:2-14, 24-26.

Fiainana andavanandro sy kolontsaina. Nolazain’ny manam-pahaizana hatry ny ela fa ny kolontsaina ejipsianina no ‘tranainy indrindra’, ary tany Ejipta no nipoiran’ny ankamaroan’ny zava-bita sy fandrosoana niely eran-tany. Nihamaro anefa tato ho ato ny porofo mampiseho fa ny kolontsaina tany Mezopotamia no voalohany. Heverina fa avy tany no nahaizan’ny Ejipsianina teknika sasany amin’ny fanaovan-trano sy nahaizany nampiasa kodiarana. Tany koa angamba no nahazoany ny fototry ny fitsipi-panoratany, ary indrindra ny foto-pinoany. Tsy mahagaga izany satria lazain’ny Baiboly fa niparitaka ny olona taorian’ny Safodrano.

Ireo piramida ao Guizèh nataon-dry Farao Khoufou (Kheops) sy Khephren ary Mykérinos, anisan’ny “Tarana-mpanjaka Faha-4”, no zavatra naorina malaza indrindra any Ejipta. Ilay nataon’i Khoufou no lehibe indrindra, satria mirefy 5,3 ha eo ho eo ny velaran’ny fototra, ary 137 m eo ho eo ny haavony (mitovy amin’ny trano misy rihana 39). Tombanana ho 2 300 000 ny bolongam-bato nampiasaina tamin’izy io, ary nilanja 2,3 taonina ny tsirairay. Voapaika tsara ireo vato ka tsy nisy elanelany rehefa narafitra. Nisy tempoly goavam-be koa naorina. Ilay ao Karnak, ao Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No; Je 46:25; Ezk 30:14-16), no misy ireo andry makadiry indrindra vitan’olombelona.

Toy ny hoe mpiambina an’ireo piramida ilay Sphinx goavam-be ao Guizèh

Fanaon’ny Ejipsianina efa hatry ny ela koa ny famorana, ary resahin’ny Baiboly ho anisan’ny voafora izy ireo.​—Je 9:25, 26.

Sekoly ho an’ny mpitan-tsoratra no fianarana nisy tamin’izany, ary mpisorona no mpampianatra. Sady nahay soratra ejipsianina ireo mpitan-tsoratra niasa ho an’ny mpanjaka, no nahay tsara ny soratra aramianina miendri-pantsika. Efa teo antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K. no nifandray an-tsoratra tsy tapaka tamin’ny teny aramianina, ny mpitondra tany Syria sy Palestina sy ireo tany Ejipta. Azo lazaina fa nahay matematika ny Ejipsianina matoa nahavita nanorina piramida sy tempoly mahatalanjona. Nahay jeometria sy alzebra kely koa izy ireo. Tsara homarihina fa “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” i Mosesy. (As 7:22) Tsy marina avokoa ny zavatra fantatr’izy ireo, nefa nisy nahasoa ihany.

Teo am-pelatanan’i Farao, na ny mpanjaka, ny fitondrana sy ny lalàna. Noheverina ho andriamanitra naka endrik’olombelona mantsy izy. I Farao no nitondra ny tany sy ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisitra sy andriana isam-paritra, izay nila hitovy fahefana taminy mihitsy rehefa nihena ny fahefany. Angamba noheverin’ny olom-peheziny ho toy ny mpanjaka mihitsy ireny andriana ireny, matoa ny Baiboly niresaka momba “ireo mpanjakan’i Ejipta” tamin’ny fotoana sasany. (2Mp 7:6; Je 46:25) Nisy governora nantsoina hoe “ny zanaky ny mpanjakan’i Kosy” nitondra an’i Nobia-Etiopia tany atsimo, taorian’ny nandresen’i Ejipta azy io. Toa nisy governora ejipsianina koa tany Fenisia.

Tsy nisy fehezan-dalàna tany Ejipta, fa izay lalàna navoakan’ny mpanjaka ihany no narahina. Toy izany, ohatra, ilay didy hoe handevozina hanao biriky ny Israelita, sy ilay hoe hatsipy anaty rano daholo ny lahikely israelita vao teraka. (Ek 1:8-22; 5:6-18; ampit. Ge 41:44.) Nakana hetra ny vokatra rehetra, ary toa nanomboka tamin’ny andron’i Josefa izany. Lasa fananan’i Farao daholo mantsy tamin’izay ny tany rehetra, afa-tsy ny an’ny mpisorona. (Ge 47:20-26) Nakana hetra koa ny biby fiompy. Tsy maintsy nanao miaramila ny Ejipsianina, ary tsy maintsy nandray anjara rehefa nisy tetikasam-panjakana. Izay tratra nanao heloka bevava dia notapahina ny orony, na nalefa hiasa an-terivozona tany amin’ny toeram-pitrandrahana, na novelezina tamin’ny hazo, na nogadraina, na novonoina ho faty (matetika notapahin-doha).​—Ge 39:20; 40:1-3, 16-22.

Teo amin’ny sehatry ny fanambadiana, dia nahazo nampirafy ny Ejipsianina. Nahazo nifanambady koa ny mpianadahy, ary mbola nisy nanao toy izany hatramin’ny taonjato faharoa. Nisy Farao nanambady ny anabaviny ihany. “Andriamanitra” mantsy, hono, izy, ary tsy nisy vehivavy hafa azo lazaina ho masina ka mendrika ny hanambady azy! Noraran’ny Lalàna tsy hanambady havana akaiky anefa ny Israelita rehefa niala tany Ejipta. Hoy ny Levitikosy 18:3, 6-16: ‘Aza manao toy ny fanaon’ny tany Ejipta. Ary aza manao toy ny fanaon’ny tany Kanana.’

Matetika no lazaina ho efa nandroso sy mifanaraka amin’ny siansa ankehitriny ny fitsaboana nataon’ny Ejipsianina fahiny. Hainy tokoa ny mombamomba ny firafitry ny vatan’olombelona. Hainy koa ny fomba fandidiana tsotra sasany, ary nataony lisitra izany. Maro be koa anefa ny zavatra tsy hainy. Noresahin’ny taratasy papyrus iray, ohatra, fa misy fantsona mampifandray ny vatana manontolo amin’ny fo. Nolazainy koa anefa hoe tsy ra no mikoriana ao amin’ireo fantsona ireo, fa rivotra sy rano sy tsirinaina ary ranoka maditidity. Tsy azon’ny Ejipsianina mihitsy ny fomba fiasan’ny vatana, ary feno finoanoam-poana sy fianteherana amin’ny herin’ny maizina ireo soratra momba ny fitsaboana. Teny averimberina mba hahasitrana, ohatra, no betsaka ao. Raokandro no natao fanafody. Nisy koa anefa nasaina nampifangaro ran’ny totozy, pipỳ (amany), na tain-dalitra sady namerimberina teny “mba ho rikoriko be ny demonia tao amin’ilay olona, ka hivoaka tao.” (Tantaran’ny Olombelona, nataon’i J. Hawkes sy Atoa Leonard Wooley, 1963, Boky I, p. 695) Izany tsy fahalalana izany angamba no nampisy ny sasany tamin’ireo ‘aretina nampahatahotra tany Ejipta’, toy ny ongobe sy bongabe, fivalanan-dra, nendra, pesta, fivontosan’ny maso ary aretina hafa. Ho voaro tsy ho azon’ireny aretina ireny ny Israelita, raha nankatò sy tsy nivadika. (De 7:15; ampit. De 28:27, 58-60; Am 4:10.) Tena niavaka be ny fahadiovana notakina tamin’ny Israelita niala tany Ejipta, raha ampitahaina amin’ny fanao maro noresahin’ny soratra ejipsianina.​—Le 11:32-40; jereo ARETINA SY FITSABOANA.

Asa tanana mahazatra no nataon’ny Ejipsianina: Nanao vilany tany, nanenona, nanefy vy sy firavaka, nanao ody fiaro, ary nanamboatra zavatra maro hafa. (Is 19:1, 9, 10) Efa foiben’ny fanamboarana fitaratra i Ejipta, tany antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K. tany ho any.​—Ampit. Jb 28:17.

Ny Reniranon’i Neily no tena nampiasaina tamin’ny fitaterana. Natosiky ny rivotra avy tany avaratra ny sambolay nanohitra ny fikorianan’ny rano, fa nentin’ny rano nisosa nidina fotsiny kosa ny sambo avy tany atsimo. Nisy lakandrano maro sy lalana vitsivitsy koa, ary nisy lalana tonga hatrany Kanana.

Nifampiraharaha ara-barotra tamin’ny firenen-kafa i Ejipta: Nisy mpivaro-mandeha tonga hatrany amin’ny tany afrikanina hafa, ary nisy sambo nivezivezy teo amin’ny Ranomasina Mena. Nisy sambo lehibe koa nitondra olona sy entana nankany amin’ireo seranana teny amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.

Tsotra ny fitafian’ny Ejipsianina. Karazana tablie kely ambany fotsiny no nanaovan’ny lehilahy fahiny. Nafatotra teo anoloana izy io, ary nasiana mivalombalona madinika. Tatỳ aoriana vao ny olon-tsotra ihany no nitafy tapaka. Ny vehivavy kosa nanao akanjo lava manara-batana, ary nisy tadiny kely teo amin’ny soroka. Matetika no vita tamin’ny lamba rongony tena tsara ilay akanjo. Tsy nanao kapa ny olona, ka izany angamba no anisan’ny nampihanaka aretina sasany.

Asehon’ny sary hoso-doko ejipsianina fa nohetezana fohy kely ny volon’ny lehilahy na nosolaina mihitsy aza, ary noharatany madiodio ny volombavany. (Ge 41:14) Nampiasa makiazy kosa ny vehivavy.

Tsotsotra ny tranon’ny mahantra, fa trano lehibe nisy zaridaina sy saham-boankazo ary dobo kosa ny an’ny mpanankarena. Azo inoana fa trano tsara tarehy toy izany ny an’i Potifara, satria tandapan’i Farao izy. (Ge 39:1, 4-6) Nisy tokotany anatiny ny ankamaroan’ny trano. (Ampit. Ek 8:3, 13.) Matetika no teo an-tokotany no namolavolana koba sy nandrahoana sakafo. Tsotsotra ny fanaka sasany, nefa nisy koa seza mirenty isan-karazany. Azo inoana fa mofo vita tamin’ny vary orza, ary legioma sy trondro (be dia be sady mora; No 11:5) no sakafon’ny ankamaroan’ny Ejipsianina. Labiera kosa no fisotrony. Nisy koa nihinan-kena raha takatry ny volany izany.​—Ek 16:3.

Fitaovam-piadiana nahazatra tamin’izany no nentin’ny miaramila: Tsipìka sy zana-tsipìka, lefona, kibay misy lohany vy boribory, famaky, ary sabatra kely. Nitondra kalesy notarihin-tsoavaly koa izy ireo. Tsy nampiasaina firy taloha ny akanjo mifono vy. Efa tatỳ aoriana vao tena nampiasaina izy io sy ny fiarovan-doha, izay matetika nasiana volom-borona. Marina tsara àry ny faminanian’i Jeremia (46:2-4) momba ny tafika ejipsianina tamin’ny taonjato fahafito T.K. Toa Ejipsianina voantso ho miaramila ny ankamaroan’ny tao amin’ny tafika, fa tatỳ aoriana vao nisy mpikarama an’ady hafa firenena.​—Je 46:7-9.

Tantara. Tsy azo antoka firy izay resahin’ireo soratra sy tsangambato momba ny tantaran’i Ejipta, indrindra fa ny tany aloha kokoa.​—Jereo FANISAN-TAONA (Fanisan-taona ejipsianina).

Fitsidihan’i Abrahama. Ny taranak’i Hama no nipetraka tany Ejipta, taorian’ny Safodrano (2370-2369 T.K.) sy taorian’ny niparitahan’ny olona avy tao Babela. Efa nisy Farao (tsy resahin’ny Baiboly ny anarany) nitondra an’ilay tany, tamin’ny fotoana (teo anelanelan’ny 1943 T.K. sy 1932 T.K.) nisian’ilay mosary nanery an’i Abrahama (Abrama) hiala tany Kanana ka hidina tany Ejipta.​—Ge 12:4, 14, 15; 16:16.

Toa tia nandray vahiny ny Ejipsianina, ary tsy nisy nila ady tamin’i Abrahama, mpifindrafindra monina sy nipetraka an-day. Marim-pototra anefa ilay tahotr’i Abrahama hoe sao hisy hamono izy noho ilay vadiny tsara tarehy. Midika izany fa tsy dia nanaraka fitsipika momba ny fitondran-tena ny Ejipsianina. (Ge 12:11-13) Niharan-doza i Farao satria naka an’i Saraha nankao an-tranony. Vokatr’izany dia nasainy niala tany Ejipta i Abrahama. Lasa àry izy ary nentiny ny vadiny. Nitondra fananana be dia be koa izy. (Ge 12:15-20; 13:1, 2) Tamin’i Abrahama tany Ejipta angamba no nahazoan’i Saraha an’i Hagara mpanompovaviny. (Ge 16:1) Lasa renin’i Ismaela (1932 T.K.) zanak’i Abrahama i Hagara. Nakan-dreniny vady avy any Ejipta i Ismaela rehefa lehibe. (Ge 16:3, 4, 15, 16; 21:21) Ejipsianina àry no tena fiavian’ny Ismaelita, ary teny akaikin’ny sisin-tanin’i Ejipta izy ireo indraindray no nitoby.​—Ge 25:13-18.

Nisy mosary indray tamin’ny andron’i Isaka, ary tsy tratran’ilay mosary i Ejipta. Notenenin’i Jehovah anefa i Isaka tamin’izay (taorian’ny nahafatesan’i Abrahama tamin’ny 1843 T.K.), mba tsy hifindra tany.​—Ge 26:1, 2.

Josefa tany Ejipta. Namidy tamin’ny mpivaro-mandeha midianita sy ismaelita i Josefa zanak’i Jakoba, efa ho 200 taona taorian’ny nandalovan’i Abrahama tany Ejipta. Namidin’izy ireo tamin’ny lehilahy iray tandapan’i Farao indray izy rehefa tonga tany (1750 T.K.). (Ge 37:25-28, 36) Nohazavain’i Josefa tamin’ny rahalahiny tatỳ aoriana fa navelan’Andriamanitra hitranga izany, ho fitsinjovana ny fianakavian’i Jakoba mandritra ny mosary iray faran’izay mafy. (Ge 45:5-8) Marina tsara ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Ejipta, rehefa niresaka momba izay nitranga tamin’i Josefa. (Jereo JOSEFA No. 1.) Azo hamarinina amin’ireo tsangambato sy sary ary soratra ejipsianina ny anaram-boninahitra, fanao, fitafiana, fampiasana herin’ny maizina, ary tsipiriany hafa resahin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’izay hita eo amin’ny soratra ejipsianina sy ny sary amin’ny rindrina, ohatra, ny fomba nanomezan’i Farao fahefana an’i Josefa (Ge 41:42) ho mpitondra lefitra.​—Ge toko 45-47.

Naharikoriko an’ireo Ejipsianina ny niara-nisakafo tamin’ny Hebreo, toy ny rehefa nasain’i Josefa nisakafo tany aminy ny rahalahiny. Nirehareha ny amin’ny fivavahany na ny firazanany angamba izy ireo, na nitsara an-tendrony. Nety ho naharikoriko azy ireo koa ny mpiandry ondry. (Ge 43:31, 32; 46:31-34) Ny iray tamin’ireto angamba no anton’izany: Nisy saranga samy hafa teo amin’izy ireo, ka toa anisan’ny saranga ambany ny mpiandry ondry. Na koa kely ny tany azo novolena, ka halan’izy ireo izay nitady kijana.

“Andron’ny Tarana-mpanjaka Hyksosa.” Milaza ny manam-pahaizana maro fa tamin’ilay fotoana fantatry ny besinimaro hoe Andron’ny Tarana-mpanjaka Hyksosa no nankanesan’i Josefa sy ny rainy ary ny fianakavian-drainy tany Ejipta. Hoy anefa i Merrill Unger (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, 1964, p. 134): “Mampalahelo fa anisan’ny tsy mazava indrindra amin’ny tantaran’i Ejipta [io fotoana io], ary tsy azo mihitsy hoe tamin’ny fomba ahoana no nandresen’ny Hyksosa.”

Milaza ny manam-pahaizana sasany fa “Tarana-mpanjaka Faha-13 ka Hatramin’ny Faha-17” ny Hyksosa, izany hoe nanjaka 200 taona. Ny hafa kosa milaza fa “Tarana-mpanjaka Faha-15 ka Hatramin’ny Faha-17” izy ireo, ka nanjaka 150 taona, na 100 taona monja. Misy milaza fa “Mpanjaka Mpiandry Ondry” no dikan’ny hoe Hyksosa, ary misy kosa milaza fa “Mpanjaka avy any An-tany Hafa.” Samy manombantombana momba ny firazanana na fiavian’izy ireo koa ny manam-pahaizana: Karàna Eoropeanina avy any Caucase, hono, izy ireo na avy any Azia Afovoany, na koa Hetita, na mpitondra syrianina palestinianina (kananita na amorita), na foko arabo.

Lazain’ny mpikaroka sasany fa firenena avy any avaratra ireo Hyksosa nandresy an’i Ejipta. Nitaingina kalesy haingam-pandeha, hono, izy ireo namakivaky an’i Palestina sy Ejipta. Ny hafa indray milaza fa nandresy tsikelikely an’i Ejipta izy ireo. Foko mpifindrafindra monina, hono, izy ireo, ary niditra tsikelikely tany Ejipta, ka azony miandalana ny fitondrana na azony vetivety tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana. Hoy i Jacquetta Hawkes, mpikaroka, ao amin’ilay boky hoe Ny Tontolo Fahiny (Fizarana Faha-5, 1963, p. 444): ‘Tsy misy mihevitra intsony hoe Aziatika nandresy an’i Ejipta ireo mpitondra Hyksosa. Toa hoe Mpitondra ny Faritra Ambony no dikan’ilay anarana, ary Semita nifindrafindra monina efa tonga hatry ny ela tany Ejipta izy ireo, mba hanao raharaham-barotra sy raharaha hafa, fa tsy hiady.’ Mety ho izany no hevitry ny mpikaroka maro ankehitriny, nefa tsy voazavan’izy ireo hoe nahoana no afaka nandrombaka fahefana tany Ejipta ireny “foko nifindrafindra monina” ireny. Natanjaka be mantsy ny firenen’i Ejipta tamin’ny andron’ny “Tarana-mpanjaka Faha-12”, nialoha ny andron’ny Hyksosa.

Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky Faha-14, p. 595): “I Manéthon, mpanoratra fahiny, no hany niresaka tsipiriany momba azy ireo [ny Hyksosa]. Efa very anefa ilay asa sorany, ary tsy azo antoka koa ilay fitantarany izay noresahin’i Josèphe tamin’izy namaly an’i Apion.” Ny asa soratr’i Manéthon, hoy i Josèphe, no nahitana voalohany ny anarana hoe Hyksosa. Nilaza ho namerina ny tenin’i Manéthon fotsiny i Josèphe, ary mahaliana ny filazany hoe ny Israelita ihany no Hyksosa tamin’i Manéthon. Toa niombon-kevitra taminy i Josèphe, nefa tsy nekeny mihitsy kosa ny tsipiriany maro tao amin’ilay fitantarana. Nilaza izy, ohatra, fa tokony hoe “mpiandry ondry babo” ny dikan’ny hoe Hyksosa, fa tsy hoe “mpanjaka mpiandry ondry.” Notantarain’i Manéthon, hono, fa nandresy an’i Ejipta ny Hyksosa nefa tsy nila niady akory. Nandrava tanàna sy “tempolin’ireo andriamanitra” izy ireo, sady nandravarava sy nandripaka. Nipetraka tao amin’ny faritry ny Vinany, hono, izy ireo. Nikomy anefa, hono, ny Ejipsianina tamin’ny farany, ka niady tamin’izy ireo. Naharitra ela ilay ady nahatsiravina. Miaramila ejipsianina 480 000 no nanao fahirano azy ireo tao Avaris renivohiny. Mahagaga anefa fa nifanaraka avy eo ny roa tonta hoe havela hiala soa aman-tsara tany Ejipta ny Hyksosa, miaraka amin’ny vady aman-janany sy ny fananany. Nankany Joda àry, hono, izy ireo ka nanorina an’i Jerosalema.​—Diso Hevitra i Apion, I, 73-105 (14-16); 223-232 (25, 26).

Nisy anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra Tsara”, “Zanak’i Reʽ”, Hik-kôsvet (na “Mpitondra avy any An-tany Hafa”) teo alohan’ny anaran’ireny mpitondra ireny, tao amin’ny asa soratra tamin’izany fotoana izany. Avy tamin’io anaram-boninahitra farany io ny teny hoe “Hyksosa.” Nantsoina hoe Aziatika kosa izy ireo, tao amin’ny asa soratra ejipsianina natao avy hatrany taorian’ny nanjakany. Hoy i C. DeVries momba ny andron’ny Hyksosa: “Nisy manam-pahaizana niezaka nampifandray ny tantaran’i Ejipta amin’izay voalazan’ny Baiboly, ka nitady hampifanitsy ny fotoana nandroahana ny Hyksosa sy ny fotoana nialan’ny Israelita tany Ejipta. Tsy mifanitsy anefa ireo fotoana ireo, ary tsy marim-pototra ilay hevitra noho ny antony hafa. ... Tsy fantatra ny tena fiavian’ny Hyksosa. Avy any Azia any ho any izy ireo, ary nanana anarana semitika ny ankamaroany.”​—Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i G. Bromiley, 1982, Boky Faha-2, p. 787.

Andriamanitra, raha ny marina, no nanandratra an’i Josefa sy nahatonga ny Israelita handray soa avy tamin’izany. Tsy ilaina àry ny mitady antony hafa, toy ny hoe nisy “Mpanjaka Mpiandry Ondry” tsara fanahy nanampy ny Israelita. (Ge 45:7-9) Angamba koa lovantsofina tsy marina noforonin’ny Ejipsianina fahiny ny fitantaran’i Manéthon, izay niavian’ilay hevitra hoe Hyksosa. Io angamba no fomba nanazavan’izy ireo izay nitranga tany Ejipta tamin’ny Israelita nipetraka tany. Tsy maintsy nanome fanazavana ofisialy momba ireto zava-nitranga ireto mantsy ny Ejipsianina: Ny vokatry ny fiakaran’i Josefa teo amin’ny fitondrana (Ge 41:39-46; 45:26); ny fiovana lehibe naterak’izany, ka nahatonga ny Ejipsianina hivarotra ny taniny sy ny tenany tamin’i Farao (Ge 47:13-20); ny hetra naloan’izy ireo, dia ny ampahadimin’ny vokatra (Ge 47:21-26); ny nitoeran’ny Israelita 215 taona tao Gosena, ka lasa nihoatra noho ny an’ny teratany ny isan’izy ireo sy ny heriny, araka ny tenin’i Farao (Ek 1:7-10, 12, 20); ny Loza Folo nanimba tanteraka ny toe-karenan’i Ejipta sady nanozongozona mafy ny zavatra ninoany sy nampihena ny lazan’ny mpisorona (Ek 10:7; 11:1-3; 12:12, 13); ny nialan’ny Israelita taorian’ny nahafatesan’ny lahimatoa rehetra tany Ejipta; ary ny nahalany ripaka ny miaramila ejipsianina sangany tao amin’ny Ranomasina Mena.​—Ek 12:2-38; 14:1-28.

Tsy tokony hohadinoina mihitsy fa ny mpisorona no tompon’andraikitra tamin’ny firaketana an-tsoratra ny tantara sy nampiofana ny mpitan-tsoratra, na tany Ejipta izany na tany amin’ny firenena maro tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Tsy mahagaga àry raha namorona fanazavana izy ireo, ho an’ilay hoe nahoana ireo andriamanitry ny Ejipsianina no tsy nahasakana ny loza nampiharin’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Ejipta sy ny vahoakany. Fahita matetika amin’ny tantara koa, na ankehitriny aza, ny fanovana ny zava-misy ka ny ampahorina indray no lazaina hoe mpampahory, ary ny tsy manan-tsiny hoe mampidi-doza sy lozabe. Lovantsofina nampitampitain’ny Ejipsianina nifandimby angamba ny fitantaran’i Manéthon (izay natao 1 000 taona mahery taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta), raha nisy marina ihany ilay voatahirin’i Josèphe. Io no nentin’izy ireo hanazavana ny tantaran’ny Israelita tany Ejipta. Ny fitantaran’ny Baiboly ihany anefa no tena marina.​—Jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA (Marina ny voalazan’ny Eksodosy).

Ny nanandevozana ny Israelita. Tsy resahin’ny Baiboly ny anaran’ilay Farao nampahory ny Israelita (Ek 1:8-22), na ilay Farao nohatonin’i Mosesy sy Arona sy nahita ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 2:23; 5:1) Niniana nesorina tao amin’ny soratra ejipsianina izany tantara izany, na nopotehina ny soratra nisy an’ilay izy. Tsy fantatra àry hoe tarana-mpanjaka iza na Farao iza no nanjaka tamin’izany fotoana izany. Matetika no lazaina fa Ramsès (Ramesesa) II (anisan’ny “Tarana-mpanjaka Faha-19”) ilay Farao nampahory ny Israelita, satria hoe ny Israelita no nanorina ny tanànan’i Pitoma sy Ramesesa. (Ek 1:11) Heverina fa tamin’ny andron’i Ramsès II ireo tanàna ireo no naorina. Hoy i Merrill Unger (Ny Arkeolojia sy ny Testamenta Taloha, p. 149): “Efa fahazaran’i Ramesesa II anefa ny mihambo ho nahavita zavatra, nefa mpanjaka teo alohany no nanao ilay izy raha ny marina. Azo antoka àry fa naoriny indray na nohalehibeaziny fotsiny ireny tanàna ireny.” Toa faritra lehibe efa nisy tamin’ny andron’i Josefa ilay nantsoina hoe “Ramesesa.”​—Ge 47:11.

Sarivongana ao Abou Simbel, ho fanomezam-boninahitra an’i Ramsès II

Nantsoin’ny Baiboly hoe “trano fanandevozana” sy “fatana fandrendreham-by” i Ejipta. Nampiasa an’i Mosesy àry Andriamanitra mba hanafahana ny firenen’Israely tao. (Ek 13:3; De 4:20; Je 11:4; Mi 6:4) Nanomboka naka ny tany Kanana ny Israelita, 40 taona taorian’izay. Nisy niezaka hampifandray an’io zava-nitranga io tamin’izay voatantara ao amin’ny takelaka hita tao Tell el-Amarna teo amoron’i Neily, tokony ho 270 km any atsimon’i Le Caire. Nosoratan’ny mpitondra kananita sy syrianina maromaro (anisan’izany ny tao Gazera sy Jerosalema ary Lakisy) ny ankamaroan’ireo takelaka ireo, ary nalefany tany amin’i Farao (izay matetika no Akhenaton). Nirakitra fitarainana noho ny fanafihana sy ny fandroban’ny “Habiro” (ʽapiro), ny ankamaroany. Nolazain’ny manam-pahaizana sasany fa Hebreo, na Israelita, ny “Habiro.” Tsy marina anefa izany raha jerena ny voalazan’ireo takelaka ireo. Mpandroba fotsiny ny Habiro, ary indraindray dia niray dina tamin’ny mpitondra kananita sasany avy tamin’ny tanàna sy faritra nifandrafy. Anisan’ny tanàna notadiavin’ny Habiro hotafihina, ohatra, i Byblos tany avaratr’i Libanona, izay lavitra be ny faritra notafihin’ny Israelita. Tsy noresahin’ireo takelaka koa hoe niady tamin’ny firenena maro sy nahazo fandresena lehibe toa an’ireo Israelita tany Kanana ny Habiro.​—Jereo HEBREO, I (Ny “Habiro”).

Tsy nohadinoin’ny Israelita mihitsy ny nipetrahany tany Ejipta. Nampahatsiahivina azy foana ny nanafahana azy tany tamin’ny fomba mahagaga, izay porofo lehibe ny maha Andriamanitra an’i Jehovah. (Ek 19:4; Le 22:32, 33; De 4:32-36; 2Mp 17:36; He 11:23-29) Izany no nahatonga Azy hiteny hoe: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatry ny fony ianao tany Ejipta.’ (Ho 13:4; ampit. Le 11:45.) Tsy nisy zava-nitranga hafa lehibe noho iny, raha tsy tamin’ny nanafahana ny Israelita tany Babylona, ho porofo fanampiny hoe manan-kery hanafaka i Jehovah. (Je 16:14, 15) Voasoratra tao amin’ny Lalàna nomena azy ireo ny zavatra niainany tany Ejipta. (Ek 20:2, 3; De 5:12-15) Izay nitranga tany no nahatonga azy ireo hankalaza ny Paska (Ek 12:1-27; De 16:1-3); ho tsara fanahy tamin’ny mpivahiny (Ek 22:21; Le 19:33, 34) sy ny mahantra nivarotra ny tenany ho mpanompo. (Le 25:39-43, 55; De 15:12-15) Izay nitranga tany koa no nahatonga an’i Jehovah hifidy sy hanamasina ny fokon’i Levy mba hanompo tao amin’ny toerana masina. (No 3:11-13) Azo nekena ho anisan’ny fiangonan’Israely ny Ejipsianina nahafeno fepetra sasany, satria efa mba mpivahiny tany Ejipta ny Israelita. (De 23:7, 8) Natahotra be ireo Kananita sy firenena teny akaikiny rehefa nandre momba ny namelezan’Andriamanitra an’i Ejipta, ka mora tamin’ny Israelita ny nandresy azy ireo. (Ek 18:1, 10, 11; De 7:17-20; Js 2:10, 11; 9:9) Mbola tsaroana ny loza nanjo ny Ejipsianina, taonjato maro tatỳ aoriana. (1Sa 4:7, 8) Nihira momba izany foana ny firenen’Israely manontolo.​—Sl 78:43-51; Sl 105 sy 106; 136:10-15.

Taorian’ny nandresen’ny Israelita an’i Kanana. Efa tamin’ny andron’i Farao Merneptah, zanak’i Ramsès II (faramparan’ny “Tarana-mpanjaka Faha-19”), vao niresaka mivantana momba ny Israelita ny Ejipsianina. Izay ihany aza, raha ny marina, no niresahan’ny soratra ejipsianina fahiny azy ireo toy izany, araka ny fantatra hatramin’izao. Nandresy tanàna maromaro tany Kanana i Merneptah, ka nirehareha toy izao, araka ny hita eo amin’ny tsangambato iray: “Lao ny tanin’i Israely, ary ripaka ny vahoakany.” Toa fireharehana fotsiny io, nefa porofo koa fa tena efa nipetraka tany Kanana ny Israelita.

Tsy nisy fifandraisana tamin’i Ejipta i Israely tamin’ny andron’ny Mpitsara na tamin’ny andron’i Saoly sy Davida, raha tsy tamin’ilay fitantarana hoe nisy miaramilan’i Davida niady tamin’ny Ejipsianina “goavam-be” iray. (2Sa 23:21) Nifandray tsara kosa ireo firenena roa tonta tamin’ny andron’i Solomona (1037-998 T.K.), ka nanao fifanarahana tamin’i Farao i Solomona, ary naka ny zanany vavy ho vadiny. (1Mp 3:1) Tsy voalaza anefa ny anaran’io Farao io na ny fotoana nandreseny an’i Gazera, izay nomeny an’ilay zanany vavy ho fanaovam-beloma azy na ho haren-jazavavy. (1Mp 9:16) Nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Ejipta koa i Solomona, ka nividy soavaly sy kalesy taminy.​—2Ta 1:16, 17.

Nialokaloka tany Ejipta anefa ny olona sasany fahavalon’ny mpanjakan’i Jerosalema. Nandositra tany, ohatra, i Hadada Edomita, rehefa noravan’i Davida i Edoma. Semita i Hadada, nefa nomen’i Farao trano sy sakafo ary tany. Nanambady havan’ny mpanjaka izy, ary nentina toy ny zanak’i Farao i Genobata zanany. (1Mp 11:14-22) Nisy fotoana koa i Jeroboama nialokaloka tany Ejipta, tamin’ny andron’i Sisaka. Lasa mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra izy, rehefa maty i Solomona.​—1Mp 11:40.

Nanomboka teo amin’i Sisaka (na hoe Sesônka I, ao amin’ny soratra ejipsianina) ny tarana-mpanjaka libyanina (ny “Tarana-mpanjaka Faha-22”), ary tao Bobastis ny renivohiny, teo amin’ny faritra atsinanan’ny Vinany. Nanafika an’i Joda i Sisaka tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama zanak’i Solomona (993 T.K.), ka nitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly maro be, ary koa miaramila nandeha an-tongotra nisy Libyanina sy Etiopianina. Namabo tanàna maro izy, ary efa saika azony tanteraka i Jerosalema. Tsy rava i Jerosalema noho ny famindram-pon’i Jehovah, nefa natolotra an’i Sisaka ny harem-be tao. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:2-9) Asehon’ny sary mivohitra iray eo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak ny fanafihan’i Sisaka sy ny anaran’ny tanàna maro nobaboiny tany Israely sy Joda.

Azo inoana fa tany Ejipta i Zera Etiopianina no niainga, rehefa nitondra miaramila etiopianina sy libyanina iray tapitrisa mba hanafika an’i Asa mpanjakan’ny Joda (967 T.K.). Resy tanteraka anefa ny tafik’i Zera teo amin’ny lohasahan’i Zefata, teo atsimoandrefan’i Jerosalema.​—2Ta 14:9-13; 16:8.

Tsy nanafika an’i Joda sy Israely intsony i Ejipta nandritra ny 200 taona. Toa nisy korontana be tany Ejipta tamin’izay, ary nisy tarana-mpanjaka vitsivitsy niara-nitondra mihitsy aza. I Asyria indray no firenena natanjaka indrindra, ka lasa teo ambany fahefany i Hosea, mpanjaka farany tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely (t. 758-740 T.K.). Nikomy i Hosea tatỳ aoriana ka niray tetika tamin’i So mpanjakan’i Ejipta. Tsy nahomby anefa ilay tetika, ary tsy ela dia resin’i Asyria ilay fanjakan’ny Israely tany avaratra.​—2Mp 17:4.

Toa saika nofehezin’i Nobia-Etiopia tanteraka i Ejipta tamin’izany, satria nosokajina ho etiopianina ilay “Tarana-mpanjaka Faha-25.” Nilaza tamin’ny mponin’i Jerosalema i Rabsake, manamboninahitra nirahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, fa toy ny miantehitra amin’ny “bararata torotoro” ny miantehitra amin’i Ejipta. (2Mp 18:19-21, 24) Matetika no lazaina fa i Farao Taharka, izay Etiopianina nanjaka tany Ejipta, ilay Tiraka mpanjakan’i Etiopia nanafika an’i Kanana tamin’izany (732 T.K.), sady nifanandrina vetivety tamin’ny tafik’i Asyria. (2Mp 19:8-10) Toa manamarina izany ny faminanian’i Isaia (Is 7:18, 19) talohan’izay, hoe “hisioka an’ireo lalitra any amin’ny faran’ireo lakandranon’i Neily any Ejipta sy ireo tantely any amin’ny tanin’i Asyria” i Jehovah. Nifanandrina teo amin’ny tanin’i Joda tokoa àry ireo firenena roa ireo, ka mafy ny nanjo an’i Joda. Hoy i Franz Delitzsch: “Mifanaraka amin’ny toetoetran’ireo tany roa ireo koa ilay fanoharana: Ny lalitra dia mety tsara ilazana an’i Ejipta feno [heniheny sy] bibikely, ... ary ny tantely ilazana an’i Asyria be tendrombohitra sy ala.”​—Ny Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-7, Isaia, p. 223.

Toa naminany momba ny korontana tany Ejipta nandritra ny faramparan’ny taonjato fahavalo sy ny voalohandohan’ny taonjato fahafito T.K. i Isaia, rehefa nilaza fanamelohana an’i Ejipta. (Is 19) Nilaza izy fa hisy ady an-trano sy fisaratsarahana any Ejipta, “ka ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.” (Is 19:2, 13, 14) Nahita porofo ny mpahay tantara ankehitriny hoe nisy tarana-mpanjaka samy nitondra faritra samy hafa tany Ejipta, tamin’izany fotoana izany. Tsy nahasakana an’i Ejipta tsy hatolotra teo “an-tanan’ny mpitondra masiaka” ny “fahendrena” nireharehany sy ny ‘andriamaniny tsy misy dikany ary ny mpilalao odiny.’​—Is 19:3, 4.

Ny fanafihan’ny Asyrianina. Nanafika an’i Ejipta i Esara-hadona mpanjakan’i Asyria (niara-belona tamin’i Manase mpanjakan’ny Joda [716-662 T.K.]). Namabo an’i Memfisa tany Ejipta Ambany izy ka nanao sesitany Ejipsianina maro. Mbola i Taharka (Tiraka) no nanjaka tany tamin’izay.

Nanafika koa i Asorobanipala ka nandroba ny tanànan’i Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No-amona) tany Ejipta Ambony, izay nisy tempoly nirakitra harena be indrindra. Noresahin’ny Baiboly fa mbola nisy Etiopianina sy Libyanina ary firenena afrikanina hafa koa nanampy an’i Ejipta tamin’izay.​—Na 3:8-10.

Nesorina tany Ejipta ny toby miaramila asyrianina tatỳ aoriana, ka niarina indray ny toe-karenany ary nihanatanjaka izy. Efa natanjaka tsara ny tafik’i Ejipta (nampian’ny miaramila mpikarama an’ady) rehefa resin’ny Medianina sy ny Babylonianina i Asyria. I Farao Neko (II) no nitarika ny tafika ejipsianina, izay vonona hanampy an’i Asyria. Teny an-dalana anefa, dia nila ady taminy tao Megido i Josia mpanjakan’ny Joda. Voatery niady tamin’i Josia àry izy. Resiny i Joda ary maty i Josia. (2Mp 23:29; 2Ta 35:20-24) Telo volana taorian’izay (tamin’ny 628 T.K.), dia nesorin’i Neko tsy ho mpanjakan’ny Joda i Joahaza zanak’i Josia, ka nosoloany an’i Eliakima rahalahiny (novany anarana hoe Joiakima). I Joahaza kosa nentiny ho babo tany Ejipta. (2Mp 23:31-35; 2Ta 36:1-4; ampit. Ezk 19:1-4.) Tsy maintsy nandoa hetra tamin’i Ejipta àry i Joda, ka vola nitentina 1 046 000 dolara teo ho eo no naloany voalohany. Tamin’izany fotoana izany i Oria mpaminany no nandositra tany Ejipta nefa tratra ihany.​—Je 26:21-23.

Resin’i Nebokadnezara. Niezaka hifehy an’i Syria sy Palestina indray i Ejipta. Tsy naharitra ela anefa izany satria tsy maintsy hisotro ny kaopy teny an-tanan’i Jehovah i Ejipta, izany hoe tsy maintsy ho resy, araka ny faminanian’i Jeremia (25:17-19). Nanomboka nihena ny heriny tamin’ny 625 T.K., rehefa resin’i Nebokadnezara printsy babylonianina tao Karkemisy, teo akaikin’ny Reniranon’i Eofrata, izy. Niresaka momba izany ny Jeremia 46:2-10 sy ny tantara babylonianina.

Lasa mpanjakan’i Babylona i Nebokadnezara. Resiny i Syria sy Palestina, ary teo ambany fahefany i Joda. (2Mp 24:1) Mbola te hiseho ho firenena matanjaka tany Azia ihany anefa i Ejipta, ka nandefa tafika hanohana an’i Zedekia Mpanjaka. Nikomy tamin’i Babylona mantsy i Zedekia tamin’ny 609-607 T.K., ka nangataka fanampiana tamin’i Farao (tsy noresahin’ny Baiboly ny anarany). Niala vetivety ny tafika babylonianina nanao fahirano an’i Jerosalema, rehefa tonga ny tafik’i Ejipta. Voatery nody anefa ny Ejipsianina, ka rava ihany i Jerosalema tamin’ny farany.​—Je 37:5-7; Ezk 17:15-18.

Nampitandreman’i Jeremia (Je 42:7-22) ny mponina sisa tavela tao Joda mba tsy hialokaloka tany Ejipta. Tsy nety anefa izy ireo fa nankany ihany, mba hiaraka tamin’ny Jiosy efa tany. (Je 24:1, 8-10) Ireto avy ny tanàna nipetrahany: Tapanesa, izay toa tanàna voaro mafy teo amin’ny faritry ny Vinany (Je 43:7-9); Migdola; ary Nofa, izay heverina fa i Memfisa ihany (renivohitr’i Ejipta Ambany fahiny) (Jer 44:1; Ezk 30:13). “Ny fitenin’i Kanana” (azo antoka fa teny hebreo) àry no nampiasain’ireo mpitsoa-ponenana ireo tany Ejipta. (Is 19:18) Nanompo sampy indray izy ireo tany. Tena hadalana izany, satria noho izany ihany no efa nanamelohan’i Jehovah an’i Joda. (Je 44:2-25) Tanteraka tamin’izy ireo àry ny faminanian’i Jehovah, rehefa notafihin’i Nebokadnezara i Ejipta ka resiny.​—Je 43:8-13; 46:13-26.

Nisy soratra babylonianina natao tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara (588 T.K.), niresaka momba ny fanafihana iray tany Ejipta. Asa raha ilay fanafihana voalohany io, na fanafihana tatỳ aoriana. Azon’i Nebokadnezara ihany anefa ny harenan’i Ejipta, ho karamany tamin’ny nanafihany an’i Tyro. Nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah mantsy izy tamin’izay, satria nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra i Tyro.​—Ezk 29:18-20; 30:10-12.

Nambaran’ny Ezekiela 29:1-16 fa ho lao mandritra ny 40 taona i Ejipta. Nitranga taorian’ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Ejipta angamba izany. Nilaza anefa ny manam-pahaizana sasany fa nanan-karena be i Ejipta nandritra ny 40 taona mahery, tamin’ny andro nanjakan’i Amasisy (Ahmôsé) II, ilay nandimby an’i Hofra. Ny fitantaran’i Hérodote, izay nitsidika an’i Ejipta 100 taona mahery tatỳ aoriana, no nahatonga azy ireo hilaza izany. Hoy anefa Ny Rakipahalalana Britannica (1959, Boky Faha-8, p. 62) momba ny fitantaran’i Hérodote an’iny vanim-potoana (t. 664-525 T.K.) iny: “Tsy tena azo antoka ny fitantarany, rehefa jerena ny porofo vitsy kely hita tany Ejipta.” Nilaza i F. Cook tao amin’ny boky iray manazava ny Baiboly fa tsy noresahin’i Hérodote akory ny nanafihan’i Nebokadnezara an’i Ejipta. Hoy izy avy eo: “Noraketin’i Hérodote an-tsoratra tsara daholo izay hitany sy reny tany Ejipta. Fantatra anefa fa avy tamin’ireo mpisorona ejipsianina no nahafantarany ny mombamomba an’i Ejipta fahiny. Ninoany befahatany fotsiny izay notantarain’izy ireo. ... Miovaova be sady feno angano ilay fitantarana [nataon’i Hérodote] momba an’i Apriesy [Hofra] sy Amasisy, ka rariny raha misalasala isika hoe marina ve ilay izy. Tsy mahagaga mihitsy raha namorona tantara hafa ireo mpisorona mba tsy hahafa-baraka an’i Ejipta tamin’izy nofehezin’ny firenena hafa.” (Fanamarihana B., p. 132) Tsy ahitana porofon’ny fahatanterahan’ilay faminanian’i Ezekiela ny tantara. Afaka matoky anefa isika fa marina ny voalazan’ny Baiboly.

Teo ambany fitondran’i Persa. Nanohana an’i Babylona i Ejipta tatỳ aoriana rehefa niady tamin’ny Medianina-Persianina, izay nihanahery. Resin’i Cambyse II, zanak’i Kyrosy Lehibe, anefa i Ejipta tamin’ny 525 T.K., ka lasa nofehezin’i Persa. (Is 43:3) Niala tany Ejipta ny Jiosy maro ka niverina tany an-tanindrazany (Is 11:11-16; Ho 11:11; Za 10:10, 11), fa ny hafa kosa nijanona tany ihany. Nisy Jiosy maromaro nipetraka àry tao Éléphantine (Yeb amin’ny teny ejipsianina), nosy eo amin’i Neily. Akaikin’i Assouan io nosy io, any amin’ny 690 km atsimon’i Le Caire. Nisy taratasy papyrus hitan’ny mpikaroka, niresaka momba ny fiainana tao amin’io nosy io nandritra ny taonjato fahadimy T.K., tamin’ny fotoana naha tany Jerosalema an’i Ezra sy Nehemia. Amin’ny teny aramianina ireo taratasy ireo, ary ahitana ny anarana hoe Sanbala avy any Samaria (Ne 4:1, 2) sy Johanana mpisoronabe. (Ne 12:22) Mahaliana fa misy didy navoaka tamin’ny andron’i Dariosy II (423-405 T.K.) ao, hoe tokony hankalaza “ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay” (Ek 12:17; 13:3, 6, 7) ireo Jiosy tao amin’ilay nosy. Tsara homarihina koa fa miverimberina imbetsaka ao ilay anarana hoe Yaho, endriny hafa amin’ny hoe Jehovah (na Iaveh; ampit. Is 19:18.). Hita ao anefa fa tena nanompo sampy ireo Jiosy.

Teo ambany fitondran’i Gresy sy Roma. Mbola nofehezin’i Persa foana i Ejipta, mandra-pahazon’i Aleksandra Lehibe azy tamin’ny 332 T.K. Nanafaka azy tamin’ny fitondran’i Persa, hono, i Aleksandra, nefa namarana tanteraka ny fitondran’ireo mpanjaka teratany izy raha ny marina. ‘Tsy fanjakana natanjaka intsony’ tokoa àry i Ejipta!​—Ezk 29:14, 15.

Tamin’ny andron’i Aleksandra no nanorenana ny tanànan’i Aleksandria. Ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Ptolémée no nitondra an’i Ejipta, rehefa maty i Aleksandra. Namabo an’i Jerosalema i Ptolémée I tamin’ny 312 T.K., ary lasa faritany nofehezin’i Ejipta i Joda hatramin’ny 198 T.K. Niady tamin’ny fanjakan’ny taranak’i Séleucus nitondra an’i Syria anefa i Ejipta. Naharitra ela ilay ady. Resin’i Antiokosa III mpanjakan’i Syria ihany ny tafik’i Ptolémée Faha-5, ka tsy nifehy an’i Palestina intsony i Ejipta. Nanjary nofehezin’i Roma tsikelikely i Ejipta taorian’izay. Niady tamin’i Octave, zafikelin’ny anabavin’i Jules César, tao Aktioma i Cléopâtre mpanjakavavin’i Ejipta, sy Marc Antoine, Romanina sady olon-tiany, tamin’ny 31 T.K. Nialan’i Cléopâtre anefa i Antoine sy ny andian-tsambony, ary resin’i Octave i Antoine. Nandresy an’i Ejipta i Octave tamin’ny 30 T.K., ka lasa faritany romanina i Ejipta. Tany i Josefa sy Maria no nandositra mba tsy hovonoin’i Heroda i Jesosy zaza. Rehefa maty i Heroda vao niala tany izy ireo, ka tanteraka ny faminanian’i Hosea hoe: “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.”​—Mt 2:13-15; Ho 11:1; ampit. Ek 4:22, 23.

Noheverin’ilay mpitari-tafika tao Jerosalema fa i Paoly ilay “Ejipsianina” nandrisika olona hikomy tamin’ny fanjakana. Angamba io “Ejipsianina” io ihany koa no noresahin’i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, II, 254-263 [xiii, 3-5]) Nikomy, hono, izy io, rehefa i Néron no nitondra an’i Roma ary i Feliksa no governora tany Jodia. Mifanaraka tsara amin’ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:37-39; 23:23, 24 izany.

Tanteraka ny Deoteronomia 28:68 rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70. Jiosy maro mantsy tamin’izay no nalefa ho andevo tany Ejipta.​—Ny Adin’ny Jiosy, VI, 418 (ix, 2).

Faminaniana hafa sy heviny an’ohatra. Mampiasa teny an’ohatra ny andininy maro milaza fanamelohana an’i Ejipta. (Ezk 29:1-7; 32:1-32) Nihevitra ny Israelita fa nanana tafika mahery i Ejipta, ka haharesy izy ireo raha nanao dina taminy. Nidika hoe fianteherana tamin’ny olombelona, fa tsy tamin’i Jehovah àry, ny fianteherana tamin’i Ejipta. (Is 31:1-3) Nasehon’i Jehovah ao amin’ny Isaia 30:1-7 anefa fa fitaka fotsiny ny herin’i Ejipta. Nantsoiny hoe “Rahaba!” izy ao, ary nolazainy fa “tia mipetra-potsiny [“Ilay be rehaka tsy mahavita na inona na inona”, DIEM].” (Ampit. Sl 87:4; Is 51:9, 10.) Ankoatra an’ireo fanamelohana anefa, dia misy fampanantenana hoe hisy olona maro avy any “Ejipta” hahalala an’i Jehovah. Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Hotahina anie i Ejipta oloko.”​—Is 19:19-25; 45:14.

Voalaza fa ao anatin’ny faritra anjakan’ilay “mpanjakan’ny atsimo” an’ohatra, i Ejipta. (Da 11:5, 8, 42, 43) Resahin’ny Apokalypsy 11:8 koa fa “antsoina amin’ny heviny an’ohatra” hoe Ejipta i Jerosalema nivadika, ary tao no namantsihana an’i Jesosy Kristy Tompo. Tsy mahagaga izany satria nampahory sy nanandevo an’ireo Jiosy ny fivavahana tao Jerosalema. Tany Ejipta koa no namonoana ireo biby voalohany natao sorona tamin’ny Paska, ary tao Jerosalema kosa no namonoana an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondrin’ny Paska an’ohatra.​—Jn 1:29, 36; 1Ko 5:7; 1Pe 1:19.

Taratasy papyrus sarobidy. Maina be ny tany any Ejipta, ka tsy mahagaga raha tsy simba ireo taratasy papyrus hita tany. Azo antoka mantsy fa ho potika izy ireny raha mando kokoa any. Maro be ny taratasy papyrus hita tany, nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Anisan’izany ireo taratasy papyrus mirakitra boky ao amin’ny Baiboly, toy ireo nangonin’i Chester Beatty. Tena sarobidy izy ireo satria natao dika soratra taorian’ireo sora-tanana voalohany amin’ny Soratra Masina, nefa talohan’ireo sora-tanana tamin’ny hodi-biby.