Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Ejipta Fahiny

Ejipta Fahiny

MIRESAKA tsipiriany maro momba an’i Ejipta ny Baiboly, satria nifandray imbetsaka tamin’io firenena io ny Israelita. Nitondra dera lehibe ho an’ny anaran’i Jehovah ny zava-nitranga tany.

SARITANY: Ejipta Fahiny

Nivavaka tamin’andriamanitra maro ny Ejipsianina. Nataony andriamanitra ny biby sasany, ary nisy koa natokany ho an’andriamanitra sasany. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Mosesy fa ho nampiasa herisetra ny Ejipsianina, raha nanao sorona biby ho an’i Jehovah tao Ejipta ny Israelita. (Ek 8:26) Tsy mahagaga koa raha nampiasa sarivongana zanak’omby ny Israelita tamin’ilay hoe “fety ho an’i Jehovah”, rehefa nanembona an’i Ejipta izy ireo tany an-tany efitra.​—Ek 32:1-5.

Tena nampiavaka ny Ejipsianina koa ny finoany ny fiainana any ankoatra. Izany no nahatonga azy ireo hikarakara faty, sy hanao fasana goavana ho fanomezam-boninahitra ny maty.

“Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” i Mosesy. (As 7:22) Tsy nahitana soritry ny zavatra ninoan’izy ireo mihitsy anefa, ireo didy nosora-tan’i Mosesy momba ny fivavahana amin’i Jehovah. Avy tamin’Andriamanitra mantsy ireo didy ireo, fa tsy avy tamin’olombelona.

Sarivongan’i Amenofisy III, mirefy efa ho 18 m ny haavony, any akaikin’i Thèbes. Azo antoka fa natao hampiaiky volana ny olona ny sarivongana lehibe hoatran’io

Tsangambato mitantara ny asa fanorenana nataon’i Toutankhamon. Novan’i Horemheb Mpanjaka anefa ilay soratra, ka toy ny hoe izy indray no nanao ilay asa. Imbetsaka no nisy nanova toy izany ireo tantaran’i Ejipta fahiny

Andriamanitra telo mitambatra: Farao Ramsès II eo afovoan’i Amona sy Mout. Noheverina ho i Horus, andriamanitra mitafy vatan’olombelona, i Farao

Mandohalika eo anatrehan’i Horus i Farao Taharka, izay nihambo ho i Horus mitafy vatan’olombelona. Maro ny biby nivavahana tany Ejipta

Andrin’ny tempoly ao Louxor.

Sphinx (sarivongana liona manana lohan’olona) mitandahatra eo amin’ny sisin’ny lalana mankao amin’ny tempolin’i Amona-Ra ao Louxor

Nout, andriamanibavy lanitra, voahodidina marika fijerena tononandro. Nolovan’ny fivavahana ejipsianina tamin’i Babylona ny fanandroana

Ampahany amin’ilay “Boky ho An’ny Maty”, nampiarahina tamin’ny faty notehirizina tsy ho lo. Nisy soratra tokony hovakin’ilay olona maty izy io, mba ho voaro sy hahazo tari-dalana izy rehefa hotsaraina any ankoatra

Ilay lohasaha lonaka lavalava kely manamorona ny Reniranon’i Neily no nahazoan’i Ejipta sakafo. Hita eto fa tany efitra avy hatrany no eo akaikin’ilay lohasaha

Farao mitaingina kalesy. Nampiasain’ny miaramila ejipsianina tany an’ady ny kalesy hoatran’io, ary nisy koa namidiny tamin’ny firenen-kafa

Tantaran’ny fandresen’i Séti I tany an’ady, eo amin’ny rindrin’ny tempolin’i Amona-Ra ao Karnak. Noraisiny tamin’ny volony ireo babo. Hita eo amin’ireo soratra ejipsianina fa nirehareha erỳ izy ireo rehefa nandresy