Ekrona
(Ekrôna).
Tanàn-dehibe tany Filistia. Toa izy io no avaratra indrindra tamin’ireo tanànan’ny andriana dimy mpiray dinan’ny Filistinina. (Js 13:3) Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy azy. Maro anefa no mihevitra azy io ho Kirbet el-Mokannaʽ (Tel Mikne), 18 km eo ho eo atsinanan’i Asdoda. Vao haingana no nisy nanao fikarohana tao, ka nahita ny sisa tavela tamin’ilay tanàna lehibe indrindra tamin’ny fotoan’androny, izay heverin’ny maro fa i Ekrona.
Niova foana ny firenena nifehy an’i Ekrona. Tsy anisan’ireo tanàna resin’i Josoa izy io, fa tatỳ aoriana kokoa vao azon’ny Jodianina. (Js 13:2, 3; Mpts 1:18) Tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Joda i Ekrona, na dia teo amin’ny sisin-tanin’i Joda sy Dana aza tamin’ny fotoana nizarana ny Tany Nampanantenaina. (Js 15:1, 11, 45, 46; 19:40-43) Efa an’ny Filistinina indray anefa izy io, rehefa lasan’izy ireo ny Vata misy ny fifanekena. Nentina tany Ekrona ilay Vata, ka “nisahotaka ny olona” tao ary “maro no maty.” Naverina tany amin’ny Jiosy àry ilay Vata. (1Sa 5:10-12; 6:16, 17) Nofehezin’ny Israelita i Ekrona taorian’izay. Toa efa teo ambany fifehezan’ny Filistinina indray anefa izy io, tamin’i Davida namono an’i Goliata. (1Sa 7:14; 17:52) Nilaza i Sisaka, faraon’i Ejipta tany am-piandohan’ny taonjato fahafolo T.K., fa resiny i Ekrona. Nitantara kosa i Sankeriba 200 taona teo ho eo taorian’izay, fa nanohana an’ireo Asyrianina i Padi mpanjakan’i Ekrona.