Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela-betela

Ela-betela

(Èla-betèla) [Ilay Andriamanitr’i Betela].

Anarana nomen’i Jakoba an’ilay toerana nanorenany an’ilay alitara nasain’Andriamanitra naoriny. (Ge 35:1, 7) Misy manam-pahaizana mihevitra fa tsy mety ho anaran-toerana ny hoe “Ilay Andriamanitr’i Betela.” Voamarik’izy ireo fa nesorina ilay “Ela” eo am-piandohan’ilay anarana, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, Vulgate latinina, Peshitta syriàka, ary fandikan-teny arabo sasany. Tsara hotadidina anefa fa nampahatsiaro zavatra maro an’i Jakoba ilay faritra nanodidina an’i Betela. Tao, ohatra, Andriamanitra no niseho taminy tao amin’ny nofy, 20 taona mahery talohan’io, ka nampanantena ny hiaro azy. Niaiky toy izao mihitsy io loham-pianakaviana fahiny io: “Tena eto amin’ity toerana ity i Jehovah.” (Ge 28:10-22) Rehefa nanome an’ilay anarana àry i Jakoba, tatỳ aoriana, dia te hilaza hoe ‘tao Betela Andriamanitra.’​—Ampit. Ge 33:20.