Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela-parana

Ela-parana

(Èla-paràna) [Hazobe tao Parana].

Toa ilay toerana farany atsimo nandehanan’i Kedorlaomera sy ireo mpiray dina taminy, rehefa nanafika ny tany Kanana izy ireo. (Ge 14:5, 6) Voalaza fa tany “akaikin’ny tany efitr’i Parana” na tany amin’ny “sisin’ny tany efitr’i Parana” () no nisy an’i Ela-parana. Mety ho tany amin’ny sisiny atsinanan’ny “tany efitr’i Parana” àry no nisy azy io. (Ge 21:21) Misy manam-pahaizana milaza fa Ela-parana no anarana taloha niantsoana an’i Elata.