Elaha
(Elàha).
[1-5: mifandray amin’ny teny heb. ʼEl, “Andriamanitra”]
1. Lehibem-poko edomita, izay azo inoana fa nonina tao amin’ny tanàna kelin’i Elata.—Ge 36:40, 41, 43; 1Ta 1:52; jereo ELATA, ELOTA; TIMNA No. 3.
2. Zanakalahin’i Kaleba mpitsikilo. Rain’i Kenaza avy amin’ny fokon’i Joda izy.—1Ta 4:15.
3. Mpanjaka fahefatra tamin’ireo mpanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Tamin’ny 952 T.K. tany ho any i Elaha no niakatra teo amin’ny seza fiandrianana, rehefa maty i Basa rainy. Nanjaka roa taona latsaka kely tao Tirza izy. (1Mp 16:8) Tamin’izy mamo, dia namono azy i Zimry, lehiben’ny antsasak’ireo kalesy, mba hahazoana ny fanjakana. Novonoin’i Zimry daholo, avy eo, ny ankohonan’i Basa mba hahatanteraka ny faminanian’i Jehovah.—1Mp 16:1-14.
4. Rain’ilay Hosea mpanjaka farany teo amin’ny fanjakana tany avaratra.—2Mp 15:30; 17:1; 18:1, 9.
5. Taranak’i Benjamina nonina tao Jerosalema.—1Ta 9:3, 7, 8.
Nanao ahoana ny toerana niadian’i Davida sy Goliata?
6. [Hazobe]. Lemaka iva na lohasaha. Nantsoina hoe Elaha angamba izy io noho ny hazo lehibe iray naniry teo. Teo “amin’ny lemaka ivan’i Elaha” no nifanandrina ny Israelita sy ny Filistinina izay nanana an’i Goliata ho solontenany. (1Sa 17:2, 19; 21:9) Maro no mihevitra an’i Elaha ho ny Lohasaha Falehan-driaka es-Sant, iray amin’ireo lohasaha falehan-driaka lehibe izay miainga avy any amin’ireo tany lemaky ny Filistinina, mamakivaky an’i Sefela, mandalo eo anelanelan’ny toerana voalaza fa nisy an’i Azeka sy Soko (1Sa 17:1), ary tonga hatrany amin’ireo faritra be tendrombohitr’i Joda. Any amin’ny 25 km eo ho eo any atsimoandrefan’i Jerosalema àry no misy azy io. Azon-drano tsara ilay tany lemaka, izay mirefy 500 m eo ho eo ny sakany. Nifanatrika teo amin’io lohasaha io ireo tafika mpifahavalo. Samy mety tsara ny toerana nisy azy ireo teo amin’ny tehezan’ny tendrombohitra: Teny ampita atsimo angamba no nisy ny Filistinina ary teny ampita avaratra na avaratratsinanana no nisy ny Israelita. Teo amin’ilay lemaka iva no nisy ny “lohasaha falehan-driaka.” Mety hoe mbola maina ny lalan’ny rano tamin’izay. (1Sa 17:40) Mbola niandry “efapolo andro” ireo tafika roa ireo, satria angamba ho voa mafy izay midina eo amin’ilay lohasaha ka hiakatra hamely ny fahavalo eny ampita. (1Sa 17:16) Nifidy vato dimy malama teo amin’ilay lohasaha falehan-driaka i Davida rehefa niampita teo mba hamely an’i Goliata. Taorian’ny fandresen’i Davida, dia nandositra ny tafiky ny Filistinina izay resy, ka nidina nanaraka an’ilay lohasaha nankany amin’ny tany lemaky ny Filistinina hatrany Gata sy Ekrona.—1Sa 17:52.