Elale
(Elalè).
Toerana tononina foana miaraka amin’i Hesbona, any ambanivohitra atsinanan’i Jordana. Ny fokon’i Robena no “nanorina” (na nanorina indray) an’ilay tanàna, taoriana kelin’ny nandresena azy io. (No 32:3-5, 37) Taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’io tanàna io nofehezin’i Moaba, dia naminany i Isaia sy Jeremia fa ‘hiantsoantso’ noho ny fianjeran’i Moaba i Elale. (Is 15:4; 16:9; Je 48:34) Maro no mihevitra an’i Elale hoe teo amin’ny havoana iray any el-ʽAl, tokotokony ho 3 km any avaratratsinanan’i Hesbona.