Elasara
(Elasàra).
Fanjakana na tanàna nofehezin’i Arioka, tamin’ny andron’i Abrahama sy Lota. (Ge 14:1) Nitambatra ny tafik’i Arioka mpanjakan’i Elasara sy Amrafela mpanjakan’i Sinara sy Kedorlaomera mpanjakan’i Elama ary Tidala mpanjakan’i Goima, mba hiady tamin’ireo mpanjaka nikomy avy any Sodoma, Gomora, Adma, Zeboima, ary Bela na Zoara. Nifanandrina teo amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima na Ranomasin-tsira izy ireo. Resy ireo mpikomy, ary anisan’ireo nentina ho babo nankany avaratra i Lota, izay tao Sodoma. Nanenjika an’ireo mpanjaka efatra nandresy anefa i Abrama (Abrahama) sy ireo nanao fifanekena taminy, dia i Mamre sy Anera ary Eskola. Tratrany tao Dana izy ireo ary resiny ka nandositra. Azon’i Abrahama indray i Lota sy ny olona ary ny fananana rehetra.—Ge 14:1-16, 24.
Mbola tsy fantatr’ireo mpikaroka hoe taiza marina no nisy an’i Elasara.