Elata
(Elàta) [mety hidika hoe Ondrilahy; na Toeran’ny Ondrilahy], Elota (Elòta [milaza maro]).
Toerana voaresaka voalohany tamin’i Mosesy nanao jery todika an’ireo 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra. (De 2:8) Voatonona miaraka amin’i Eziona-gebera i Elata, ary “teo amoron’ny Ranomasina Mena, tany Edoma” no nisy azy. (1Mp 9:26) Tany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba àry no nisy azy io, izany hoe tany amin’ilay sampany avaratratsinanana amin’ny Ranomasina Mena. Nilaza i Jérôme (taonjato faha-4 sy faha-5) fa i Elata ilay tanàna nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe Aila, izay an’ny Nabateanina. Miombon-kevitra amin’izany ny manam-pahaizana. Teo amin’ilay tanàna arabo ankehitriny hoe ʽAkaba, na teo akaikin’izy io àry no nisy an’i Elata. Eo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny Hoalan’i ʽAkaba no misy an’i ʽAkaba, fa eo amin’ny zorony avaratrandrefana kosa no misy an’ilay tanàna jiosy hoe Eilat.
Anisan’ny faritanin’i Edoma i Elata, tamin’ny Israelita nandalo an’iny faritra iny rehefa hiditra tao Kanana. Nofongarina tany Elata ny zavatra maromaro vita tamin’ny tanimanga nisy anarana edomita hoe “Kosʽanal, mpanompon’ny mpanjaka.” Milaza ny mpikaroka fa tamin’ny taonjato fahafito T.K. izy ireo.
Resin’i Davida i Edoma, ka lasa nofehezin’ny Jodianina i Elata sy Eziona-gebera, izay teo akaiky teo. (2Sa 8:13, 14) Tao amin’ireo tanàna ireo i Solomona no nanamboatra sambo. (1Mp 9:26; 2Ta 8:17) Lazaina hoe “teo akaikin’i Elota” i Eziona-gebera. Mety hidika izany fa i Elata (Elota) no lehibe kokoa noho i Eziona-gebera.
Toa lasan’i Edoma indray i Elata tamin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Joda. (2Mp 8:20-22) Tafaverina tamin’i Joda anefa izy io, ny taonjato nanaraka, ary nanorina azy io indray i Ozia Mpanjaka (Azaria). (2Mp 14:21, 22; 2Ta 26:1, 2) Nalain’ny Syrianina teo an-tanan’i Joda anefa i Elata, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.). Ny Edomita no niverina nipetraka tao, ary tsy tafaverina tamin’ny fokon’i Joda intsony izy io. (2Mp 16:6) Tsy Edoma (heb.: ʼEdôhm) anefa no hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa “Syria” na “Arama” (heb.: ʼAram). Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tokony ho Edoma no ho eo amin’ny sisim-pejy. Nifandiso, hono, ny litera hebreo nosoratan’ny mpanao dika soratra ka rehsh (ר) no voasorany fa tsy daleta (ד) satria mitovitovy ireo litera ireo.
Faritra lonaka any an-tany efitra i Elata, ka tao no niato ireo mpanao dia lavitra avy tany atsimo tany Arabia nankany Ejipta, na Kanana, na Damaskosy. Tao Elata sy Eziona-gebera no niantsona ny “andian-tsambon’i Tarsisy”, izay nivezivezy avy tany Arabia, Afrika Atsinanana, ary mety ho avy tany India koa. (1Mp 10:22; 9:26, 27) Nahitana asa soratra aramianina tao, anisan’izany ny rosia momba ny fivarotana divay tamin’ny andron’ny fanjakana persianina. Nahitana vazy tanimanga ambony karazana vita grika koa tao, ary angamba saika haondrana an-tsambo nankany Arabia.