Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elia

Elia

(Elìa) [Andriamanitro i Jehovah].

1. Iray tamin’ireo mpaminany lehibe teo amin’ny Israely. Toa avy any amin’ny tanàna kelin’i Tisbe izy, any Gileada, any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. (1Mp 17:1) Nanomboka naminany teo amin’ny Israely izy, tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka (nanomboka nanjaka t. 940 T.K.) ka hatramin’ny andron’i Ahazia zanak’i Ahaba (nanomboka nanjaka t. 919 T.K.). (1Mp 22:51) Tany amin’ny faramparan’ireo valo taona nitondran’i Jorama mpanjakan’ny Joda (nanomboka nanjaka tamin’ny 913 T.K.) no voaresaka farany hoe naminany tany Joda i Elia.​—2Ta 21:12-15; 2Mp 8:16.

Nampiasa an’i Elia i Jehovah mba hanarenana ny fivavahana marina, satria nivavaka tamin’ny andriamani-diso ny Israely, ary tena ratsy fitondran-tena. Notohizan’i Ahaba Mpanjaka zanak’i Omry mantsy ny fivavahana tamin’ny zanak’omby, izay natombok’i Jeroboama, ary nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina izy. I Jezebela no nitarika an’i Ahaba hampiely ny fivavahana tamin’i Bala, ka izy no nanota indrindra tamin’izay mpanjakan’ny Israely talohany. Nihamaro ny mpisorona sy mpaminanin’i Bala, ary niharatsy be ny fiaraha-monina. Tsy tia an’i Jehovah mihitsy i Jezebela. Nenjehiny sy novonoiny àry ny mpaminanin’i Jehovah, ka voatery niafina tany anaty lava-bato.​—1Mp 16:30-33; 18:13.

Nanome sakafo azy ny goaika. Tamin’i Elia nasain’i Jehovah nanambara ny sazy hanjo ny Israely noho ny fahotan’izy ireo, dia izao no teniny voalohany: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay eo anatrehany no itsanganako.” Nampitain’i Elia ny tenin’i Jehovah ilay Andriamanitra velona teo amin’ny Israely. Nilaza izy fa tsy hisy orana na ando mandritra ny taona maromaro, raha tsy noho ny baiko avy amin’i Elia. Izany tokoa no nitranga nandritra ny telo taona sy tapany. (1Mp 17:1; Jk 5:17) Nasain’i Jehovah nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kerita, tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, i Elia avy eo. Tany amin’io lohasaha tany amin’ny tanin’ny fokon’i Gada io ny goaika no nanome sakafo an’i Elia tamin’ny fomba mahagaga. Ny rano teo amin’ilay lohasaha no nosotroiny mandra-paharitran’izy io noho ilay hain-tany. Nasain’i Jehovah nankany ivelan’ny tanin’ny Israely i Elia, ka nirahiny ho any Zarefata, tanàna fenisianina nofehezin’i Sidona. Tany amin’ny tanànan’i Sidona no nanjaka i Etibala rafozandahin’i Ahaba Mpanjaka. (1Mp 16:31) Tany akaiky tany no nisy mpitondratena iray nikarakara sakafo farany tamin’ny ambina lafarinina sy menaka kely, ho azy sy ny zanany lahy. Nangataka mofo taminy i Elia, ary nampanantena fa hanome sakafo an’ilay vehivavy foana i Jehovah mandritra ilay hain-tany. Fantatr’ilay vehivavy fa lehilahin’Andriamanitra i Elia, ka nomeny mofo, ary notahina izy. (Ampit. Mt 10:41, 42.) Maty ny zanak’io vehivavy io raha mbola tao aminy i Elia. Nivavaka tamin’Andriamanitra àry i Elia, ka niverina indray ny ain’ilay zaza. Io no fitsanganana amin’ny maty voatantara voalohany ao amin’ny Baiboly, ary fahatelo tamin’ireo fahagagana valo nataon’i Elia.​—1Mp 17.

Ahoana no nanaporofoan’i Elia tamin’ny Israely fa i Jehovah no tena Andriamanitra?

Nokarohin’i Ahaba hatraiza hatraiza i Elia mba hovonoina nefa tsy hitany mihitsy. (1Mp 18:10) Nasain’Andriamanitra niseho tany amin’i Ahaba àry izy tamin’ny farany. Rehefa nihaona izy ireo, dia nasain’i Elia novorina ireo mpaminanin’i Bala 450 sy ireo mpaminanin’ny tsato-kazo masina (Aseraha) 400. Novorin’i Ahaba teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, akaikin’ny Ranomasina Mediterane, ireo mpaminany ireo. (SARY, Boky 1, p. 950) Mba hahitana hoe iza no tena Andriamanitra, dia nanao fanamby tamin’ny vahoaka i Elia hoe izay Andriamanitra mandefa afo mba handoroana ny sorona vantotr’ombilahy no tsy maintsy eken’ny rehetra. Nety tsara tamin’ny vahoaka izany, ka nekeny. I Bala no nantsoina voalohany, fa tsy namaly mihitsy. Tsy nitsahatra nivavaka ireo mpaminaniny, ary efa nandidididy ny vatany mihitsy aza, nefa tsy nisy afo nilatsaka sady tsy nisy porofo hoe andriamanitra velona i Bala. Nihinjakinjaka nanodidina an’ilay alitara teo ambanin’ny masoandro nigaingaina hatramin’ny tolakandro izy ireo. Nanesoeso azy ireo i Elia, ka vao mainka nihinjakinjaka izy ireo.​—1Mp 18:18-29.

Anjaran’i Elia amin’izay izao. Naka vato 12 izy, ary nanamboatra alitara iray efa rava (angamba noravan’i Jezebela). Nasain’i Elia notondrahan’ny olona rano intelo ilay fanatitra sy ilay alitara avy eo, ka feno rano hatramin’ilay tatatra nanodidina ny alitara, izay teo amin’ny velaran-tany nirefy 32 m2 angamba. (1Mp 18:30-35) Nivavaka tamin’i Jehovah indray mandeha monja izy, tamin’ny fotoana fanolorana fanatitra varimbazaha tamin’ny hariva, dia nandatsaka afo avy tany an-danitra i Jehovah. Levon’ny afo àry ilay fanatitra sy ny kitay sy ny vaton’ilay alitara, ary ny rano tao amin’ilay tatatra. (1Mp 18:36-38) Rehefa nahita izany ny vahoaka, dia niankohoka sady nilaza hoe: “I Jehovah no tena Andriamanitra! I Jehovah no tena Andriamanitra!” Nasain’i Elia novonoina tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona àry ireo mpaminanin’i Bala 450. Namaly ny vavaka nataon’i Elia i Jehovah, ka nandefa oram-be nivatravatra. Nifarana teo àry ilay hain-tany. Nomen’i Jehovah hery i Elia ka nihazakazaka hatrany Jezirela (angamba 30 km), ary nihoarany ny kalesin’i Ahaba.​—1Mp 18:39-46.

Nandositra an’i Jezebela. Ren’i Jezebela Mpanjakavavy ny namonoana an’ireo mpaminanin’i Bala, ka nivoady izy fa hamono an’i Elia. Natahotra i Elia ka nandositra tany Beri-sheba, 150 km teo ho eo tany atsimoandrefana, tany andrefan’ny tapany atsimon’ny Ranomasina Maty. (SARINTANY, Boky 1, p. 949) Navelany tao ny mpanompony, fa mbola nanohy ny diany tany an-tany efitra izy ary nangataka ny ho faty. Nisy anjelin’i Jehovah niseho taminy tany, ary nanampy azy mba ho vonona hanao dia lavitra hatrany amin’ny “tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra”, tany Horeba (Sinay). Nanatanjaka azy ny sakafo nohaniny ka afaka nandeha 300 km mahery tao anatin’ny 40 andro izy. Rehefa tany Horeba izy, dia nampiseho ny heriny tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah, ka nampisy rivotra sy horohoron-tany ary afo. Niteny taminy i Jehovah avy eo. Tsy tao amin’ireny afo sy horohoron-tany ary rivotra ireny mihitsy anefa i Jehovah, sady tsy ilay rivotra koa no Andriamanitra na ilay horohoron-tany na ilay afo, fa fomba nampisehoany ny heriny fotsiny ireny. Nampahafantarin’ilay Mahery Indrindra fa mbola misy asa tiany hampanaovina an’ilay mpaminany. Nahitsin’i Jehovah koa i Elia satria noheveriny fa izy irery sisa no mpanompon’ilay tena Andriamanitra teo amin’ny Israely. Nilaza taminy àry i Jehovah fa mbola nisy 7000 ny olona tsy niankohoka tamin’i Bala. Nasainy niverina nanompo tany Israely i Elia mba hanosotra na hanendry olona telo hanao asa ho an’i Jehovah: I Hazaela ho mpanjakan’i Syria, i Jeho ho mpanjakan’ny Israely, ary i Elisa ho mpandimby azy.​—1Mp 19:1-18.

Nanendry an’i Elisa handimby azy. Nankany Abela-mehola, tanàna niavian’i Elisa i Elia avy eo. Nahita an’i Elisa teo am-piasana tany izy, ka natsipiny teny amin’i Elisa ilay akanjona mpaminany nanaovany. Midika izany fa nanendry an’i Elisa na nanosotra azy izy. Nanaraka an’i Elia foana i Elisa nanomboka teo, ary lasa mpanompony. Azo antoka fa teo izy rehefa naminany ny fanamelohana hihatra amin’i Ahaba i Elia. Tsy nahalala onony mantsy io mpanjaka nivavaka tamin’i Bala io, ka nalainy tsy ara-drariny ny tanimboaloboka izay anjara lovan’i Nabota Jezirelita. Izy no namela an’i Jezebela vadiny haka vavolombelona mandainga sy mpitsara tsy marina, mba hiampanga an’i Nabota sy hampamono azy. Hitan’i Elia tao amin’ny tanimboalobok’i Nabota i Ahaba, ka nolazainy fa ny ran’i Ahaba dia holelafin’ny alika eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota, ary ho toy izany koa no hiafaran’i Jezebela.​—1Mp 19:19; 21:1-26.

Maty tany an’ady i Ahaba, telo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nosasana teo akaikin’ny dobon’i Samaria ny kalesin’adiny, ary nilelaka ny rany teo ny alika. Toa 15 taona tatỳ aoriana kosa i Jezebela no novonoina. Nandimby an’i Ahaba i Ahazia zanany lahy. Nanao ratsy toa an-drainy ihany i Ahazia Mpanjaka, satria i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona no nanontaniany mba hahalalana raha ho sitrana tamin’ny ratra nahazo azy izy na tsia. Nasain’i Elia nolazaina taminy ny tenin’i Jehovah hoe ho faty tokoa izy noho ny nanaovany izany. Intelo i Ahazia no nandefa andia-miaramila nisy 50 lahy sy ny lehibeny mba haka an’i Elia. Niantso afo avy tany an-danitra ilay mpaminany, ka nandevona an’ireo andia-miaramila roa. Nitalaholaho tamin’i Elia kosa ny lehiben’ny andia-miaramila fahatelo, ka nandeha niaraka taminy i Elia ary notononiny tamin’i Ahazia ilay fanamelohana.​—1Mp 22:1, 37, 38; 2Mp 1:1-17.

Nandimby azy i Elisa. Efa taona maromaro izay no lasa hatramin’ny nanendren’i Elia an’i Elisa, ary tonga ny fotoana tokony hanomezany ny akanjona mpaminany ho an’i Elisa, izay efa tsara ofana. I Jorama rahalahin’i Ahazia no mpanjakan’ny Israely, tamin’izay. Nankany Betela aloha i Elia, dia tany Jeriko, ary nidina nankany Jordana, nefa nanjohy azy teny foana i Elisa. Novalian-tsoa i Elisa noho izy tsy niovaova mihitsy. Nahita kalesy afo sy soavaly afo nitondra an’i Elia niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra àry i Elisa. Noraisiny ilay akanjona mpaminany latsaka avy teny amin’i Elia. Nahazo “anjaran’olon-droa” (anjaran’ny lahimatoa) koa izy tamin’ny fanahy niasa tamin’i Elia, izany hoe ny toe-tsainy. Be herim-po mantsy i Elia ary “nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika.”​—2Mp 2:1-13; 1Mp 19:10, 14; ampit. De 21:17.

Mbola tsy maty i Elia tamin’izay, sady tsy lasa tany an-danitra. Voatendry haminany tany an-toeran-kafa fotsiny izy. (Jn 3:13) Tsy nisaona azy mihitsy mantsy i Elisa. Mbola velona i Elia, taona maro taorian’ny niakarany tao anaty tafio-drivotra, ary mbola naminany, saingy tany amin’ny mpanjakan’ny Joda. Nanao ratsy mantsy i Jorama mpanjakan’ny Joda, ka nanoratra tany aminy i Elia mba hanambara ny fanamelohan’i Jehovah azy. Tanteraka tokoa izany taoriana kelin’izay.​—2Ta 21:12-15; jereo LANITRA (Miakatra any an-danitra).

Fahagagana. Valo ny fahagagana lazain’ny Baiboly fa nataon’i Elia: 1) Natsahany ny orana, 2) nataony nisy foana ny lafarinina sy ny menak’ilay mpitondratena tany Zarefata, 3) natsangany tamin’ny maty ny zanakalahin’ilay mpitondratena, 4) nivavaka izy ka nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, 5) nivavaka izy ary latsaka indray ny orana, 6) nandatsahany afo ny miaramila 50 sy ny lehiben’izy ireo izay nirahin’i Ahazia Mpanjaka, 7) nandatsahany afo koa ny andia-miaramila faharoa, izay nisy 50 lahy, sy ny lehiben’izy ireo, ary 8) nokapohiny tamin’ny akanjony ny Reniranon’i Jordana ka nizara roa. Anisan’ny fahagagana koa ny niakarany tany amin’ny lanitra, saingy Andriamanitra mihitsy no nanao izany fa tsy noho ny vavaka nataony na ny teny nolazainy.

Tena nanohana sy niaro ny fivavahana marina tamin’i Jehovah i Elia. Nandripaka mpivavaka maro tamin’i Bala tany Israely izy. Notohizan’i Elisa ny asa natombony, fa i Jeho kosa no namono an’i Jezebela sy nandrava ny fivavahana tamin’i Bala, izay avy tany amin’ny Sidonianina. Nisy 7000 ny olona tsy nivadika tamin’i Jehovah tamin’ny andron’i Elia, ary iray tamin’ireny i Obadia, mpiandraikitra ny ankohonan’i Ahaba. Azo antoka fa nampaherezin’i Elia ny sasany tamin’ireny. I Elia no nanendry an’i Elisa handimby azy, fa i Elisa kosa no nanosotra an’i Hazaela sy Jeho.

Azo antoka fa i Elia no tao an-tsain’ny apostoly Paoly tamin’izy niresaka momba an’i “Samoela mbamin’ny mpaminany hafa, izay nanam-pinoana ... nampihatra izay mahitsy ... Nisy vehivavy nandray ny havany efa maty, izay natsangana.” Anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona”, izay tsy nivadika fahiny, àry i Elia. (He 11:32-35; 12:1) I Elia no noresahin’i Jakoba mpianatr’i Jesosy, tamin’izy nanaporofo fa mandaitra ny vavaka ataon’ny olo-marina nanompo an’i Jehovah, dia olona “nanana fihetseham-po toa antsika ihany.”​—Jk 5:16-18.

Faminaniana momba ny zavatra ho avy. Tokotokony ho 450 taona taorian’ny andron’i Elia, dia naminany i Malakia fa hiseho i Elia mpaminany “alohan’ny hiavian’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” (Ml 4:5, 6) Efa niandry an’i Elia hanatanteraka an’io faminaniana io ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 17:10) Nisy nihevitra an’i Jesosy ho i Elia. (Mt 16:14) Nanao akanjo volom-biby sy nanisy fehikibo hoditra teo amin’ny andilany toa an’i Elia, i Jaona Mpanao Batisa, nefa nolazainy fa tsy i Elia izy. (2Mp 1:8; Mt 3:4; Jn 1:21) Tsy nilaza mantsy ilay anjely niseho tamin’i Zakaria rain’i Jaona hoe Elia i Jaona, fa nilaza kosa izy hoe handeha amin’ny “risi-po sy ny herin’i Elia” izy, “mba hanomana vahoaka ho an’i Jehovah, eny, vahoaka voaomana.” (Lk 1:17) Nohazavain’i Jesosy fa nanao an’io asa io i Jaona saingy tsy fantatry ny Jiosy. (Mt 17:11-13) Taorian’ny nahafatesan’i Jaona, dia niseho tao amin’ny fahitana tamin’ny fiovan-tarehin’i Jesosy i Elia sy Mosesy. Asehon’izany fa mbola hisy asa lehibe toy ny nataon’i Elia amin’ny hoavy.​—Mr 9:1-8.

2. Zanakalahin’i Jerohama avy amin’ny fokon’i Benjamina. Nonina tany Jerosalema izy, ary lohan’ny fianakaviambe.​—1Ta 8:1, 27, 28.

3. Levita mpisorona “taranak’i Harima.” (1Ta 24:8; Ezr 2:1, 2, 39) Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena izy noho ny fananaran’i Ezra.​—Ezr 10:21, 44.

4. Taranak’i Elama, ary anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:26, 44.