Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Elia sy Elisa Mpaminany

Elia sy Elisa Mpaminany

NANAO fanamby i Elia mpaminany teo amin’ny Tendrombohitra Karmela mba hahitana hoe iza no tena Andriamanitra. Niely nanerana ny fanjakana tany avaratra mantsy ny fivavahana tamin’i Bala. Sahy nanasa an’ireo mpaminanin’i Bala 450 anefa i Elia, mba hanaporofoana raha i Bala no tena Andriamanitra. Nihinjakinjaka nivavaka nandritra ny ora maro izy ireo, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Nataon’i Elia teo ambony kitay ny sorona, notondrahany rano imbetsaka, ary nivavaka tamin’i Jehovah izy avy eo. Nisy afo nilatsaka tampoka avy tany an-danitra, ka levona ilay sorona ary ritra ilay rano. Hoy ny vahoaka rehefa nahita izany: “I Jehovah no tena Andriamanitra!” Nasain’i Elia novonoina ireo mpaminanin’i Bala avy eo.​—1Mp 18:18-40.

Natahotra anefa i Elia rehefa fantany fa nifofo ny ainy i Jezebela Vadi-mpanjaka. Nandositra àry izy ka nandeha lalana 150 km teo ho eo nankany Beri-sheba, ary mbola nandeha 300 km fanampiny hatrany amin’ny Tendrombohitra Sinay. Tsy be herim-po intsony izy, nefa tsy naharitra izany. Na izany aza, dia tsy nahafoy azy i Jehovah. Nanome toky azy kosa aza Izy hoe mbola misy asa tiany hampanaovina an’ilay mpaminany.​—1Mp 19:1-18.

I Elisa no nandimby an’i Elia. Feno kalesin’adin’ny Syrianina nanodidina an’i Elisa, indray andro. Nanam-pinoana anefa i Elisa ka fantany fa ny tafika syrianina no tena voahodidina tafik’anjely nitondra kalesy.​—2Mp 6:15-17.

SARITANY: Elia sy Elisa

Tendrombohitra Karmela sy ny Ranomasina Mediterane. Nandefa afo i Jehovah teo mba hanaporofoana fa Izy no tena Andriamanitra fa tsy i Bala (1Mp 18:21-39)

Tendrombohitra Sinay (Horeba). Tonga hatreo i Elia, rehefa nandositra an’i Jezebela, izay tany amin’ny 450 km teo ho eo (1Mp 19:1-18)

Toerana tazana avy eo Tell Dothan. Teo i Elisa sy ny mpanompony no voahodidin’ny tafika syrianina, nefa nataon’i Jehovah izay hahitan’izy ireo fa feno anjely sy kalesy afo teo amin’ilay faritra be tendrombohitra (2Mp 6:13-17)