Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eliaba

Eliaba

(Eliàba).

[1-5, 7: Ny Andriamanitro dia Ray]

1. Zanakalahin’i Helona avy amin’ny fokon’i Zebolona, ary iray tamin’ireo mpiadidy 12 notendren’i Jehovah hanampy an’i Mosesy sy Arona, rehefa nisaina ny zanak’Israely afaka niantafika. (No 1:1-4, 9, 16) I Eliaba no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Zebolona, izay iray tamin’ireo foko telo tao amin’ny fizarana nisy ny tobin’i Joda. (No 2:3, 7; 10:14-16) Nandray anjara tamin’ny fanatitra niombonan’ireo mpiadidy izy rehefa voatsangana ny tranolay masina, sady nanatitra ny fanatiny manokana koa tamin’ny andro fahatelo nitokanana ny alitara.​—No 7:1-3, 10, 11, 24-29.

2. Zanakalahin’i Palo avy amin’ny fokon’i Robena, ary rain’i Nemoela. Zanak’i Eliaba koa i Datana sy Abirama, izay nanohana an’i Kora tamin’izy nanohitra an’i Mosesy. Nisokatra tamin’ny fomba mahagaga ny tany tamin’izay, ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany.​—No 16:1, 12; 26:8-10; De 11:6.

3. Levita anisan’ny fianakaviamben’ny Kehatita, ary razamben’i Samoela mpaminany. (1Ta 6:22, 27, 28, 33, 34) Miantso azy hoe Eliela ny 1 Tantara 6:34, fa Eliho kosa ny 1 Samoela 1:1.

4. Lahimatoan’i Jese rain’i Davida Mpanjaka. (1Sa 17:13; 1Ta 2:13) Nanaitra an’i Samoela ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany, ka noheveriny fa izy no nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka. I Davida anefa no nofidin’i Jehovah.​—1Sa 16:6-12.

Miaramila tao amin’ny tafik’i Saoly i Eliaba sy Abinadaba ary Sama, zanak’i Jese telo lahy voalohany, rehefa nisolo tena an’ireo Filistinina i Goliata ka nila ady tamin’ny Israely. Taloha kelin’ny nisehoan’i Goliata indray mba hihantsiana ady tamin’ny Israely, dia tonga nanatitra sakafo ho an’ireo zokiny telo lahy i Davida, satria nirahin-drainy. Nanontany an’ireo miaramila israelita izy hoe inona no ho valisoan’izay mahavita mamono an’i Goliata. Tezitra be tamin’izany i Eliaba, ka nolazainy fa nataon’i Davida tsirambina ny ondry nasaina niandraiketany. Nampangainy ho nirehareha sy ratsy fo koa izy. (Tsy miresaka an’io nanirahana an’i Davida io sy ny fahatezeran’i Eliaba ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209.)​—1Sa 17:13, 17, 26-28.

Tatỳ aoriana, dia toa lasa vadin’i Jerimota zanakalahin’i Davida i Abihaila zanakavavin’i Eliaba.​—2Ta 11:18.

5. Iray tamin’ireo Gadita nifikitra tamin’i Davida fony izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly Mpanjaka. “Lehilahy matanjaka sy mahery fo” ireo Gadita ireo, ka ny kely indrindra taminy naharesy miaramila zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.​—1Ta 12:1, 8, 9, 14.

6. [Andriamanitra dia Manafina]. Salbonita iray, anisan’ny lehilahy maherin’i Davida.​—2Sa 23:32; 1Ta 11:33.

7. Levita mpitendry zavamaneno, tao amin’ny fizarana faharoa, izay anisan’ny nitendry mozika tamin’i Davida Mpanjaka nitondra ny Vata masin’i Jehovah niala tao an-tranon’i Obeda-edoma mba hafindra tany Jerosalema.​—1Ta 15:18, 20, 25; 16:5.