Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eliasafa

Eliasafa

(Eliasàfa) [Andriamanitra dia Nanampy (Nampitombo)].

1. Zanakalahin’i Doela (na Regoela) avy amin’ny fokon’i Gada. Anisan’ireo mpiadidy 12 nofidin’i Jehovah i Eliasafa mba hanampy an’i Mosesy sy Arona hanisa ny lehilahy rehetra afaka niantafika. (No 1:1-4, 14; 2:14) Izy no nifehy ny miaramila tao amin’ny fokon’i Gada, izay anisan’ireo foko telo tao amin’ny fizarana nisy ny tobin’i Robena. (No 2:10-15; 10:18-20) Niara-nitondra fanatitra tamin’ireo mpiadidy hafa izy, rehefa voatsangana ny tranolay masina. Nitondra ny fanatiny manokana koa izy tamin’ny andro fahenina rehefa notokanana ny alitara.​—No 7:1, 2, 10, 42-47.

2. Zanakalahin’i Laela sady mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Gersonita. Izy no nitarika ny Gersonita tamin’ny fitondrana ny rakotry ny tranolay, ny lamba fanakonana ny fidirana amin’ny tranolay, ny lamba fanakonana ny fidirana mankao an-tokotany, ary ny fefy lamban’ny tokotany mbamin’ny tady fanenjanan-day.​—No 3:21-26.