Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eliela

Eliela

(Elièla) [Andriamanitra ny Andriamanitro].

1. Anisan’ireo lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase. Lehilahy natanjaka sy nahery fo ary nalaza i Eliela, toa an’ireo lohan’ny fianakaviambe hafa.​—1Ta 5:24.

2. Levita iray anisan’ny fianakavian’ny Kehatita ary razamben’i Samoela mpaminany. (1Ta 6:33, 34) Azo inoana fa izy ilay antsoina hoe Eliho ao amin’ny 1 Samoela 1:1, ary Eliaba ao amin’ny 1 Tantara 6:27.

3. Taranak’i Simey avy amin’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 8:1, 20, 21.

4. Taranak’i Sasaka avy amin’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 8:1, 22, 25.

5. Anisan’ireo lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Antsoina hoe Eliela Mahavita izy.​—1Ta 11:26, 46.

6. Lehilahy iray hafa anisan’ireo lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida.​—1Ta 11:26, 47.

7. Gadita iray niala an-daharana mba hiandany tamin’i Davida, izay mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly Mpanjaka. Haingam-pandeha sy nahery fo ary lehilahy natanjaka i Eliela. Naharesy miaramila zato ny kely indrindra tamin’ireo Gadita ireo, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.​—1Ta 12:1, 8, 11, 14.

8. Taranak’i Hebrona, ary anisan’ny lohan’ny fianakaviamben’ny Levita nofidin’i Davida mba hitondra ny Vata masina ho any Jerosalema.​—1Ta 15:9, 11, 12.

9. Levita mpiadidy izay nanampy an’i Konania ary niandraikitra “ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena ary ny zava-masina”, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.​—2Ta 31:11-13.