Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elifaza

Elifaza

ELIFAZA

(Elifàza).

1. Lahimatoan’i Esao tamin’i Ada, ilay vadiny kananita. Nanana zanakalahy enina na fito lasa lehibem-pokon’i Edoma i Elifaza, ka anisan’ireny i Temana sy Omara ary Amaleka.—Ge 36:4, 10-12, 15, 16; 1Ta 1:35, 36; jereo LEHIBEM-POKO.

2. Anisan’izy telo lahy naman’i Joba. (Jb 2:11) Temanita izy, ka azo inoana fa taranak’i Elifaza No. 1. Taranak’i Abrahama àry izy sady havan’i Joba lavitra. Nirehareha noho ny fahendreny izy sy ny taranany. (Je 49:7) Samy nolazaina hoe “mpampionona” izy telo lahy, saingy i Elifaza no niavaka sy to teny indrindra. Mety ho izy koa àry no zokiny indrindra. Izy foana no niteny voalohany tamin’ireo adihevitra intelo nisesy, ary lava kokoa ny teniny.

Izao no votoatin-kevitr’i Elifaza tamin’izy niteny voalohany: “Iza moa no tsy nanan-tsiny ka maty? Ary taiza no nisy olo-marina naringana?” Te hilaza àry izy fa tsy maintsy ho nanao ratsy i Joba matoa nosazin’Andriamanitra. (Joba toko 4, 5) Mbola nanome tsiny ihany izy rehefa niteny fanindroany, ka nambaniny ny fahendren’i Joba. Hoy izy: “Fahalalana poakaty ve no hoentin’ny olon-kendry hamaly? Sa hofenoiny fanirian-dratsy ny fony? ... Fa inona moa no fantatrao ka tsy mba fantatray?” Hoatran’ny te hilaza i Elifaza hoe “te hiseho ho ambony kokoa noho ilay Mahery Indrindra” i Joba. Namarana ny teniny i Elifaza Edomita tamin’izy niteny fanindroany, ka nanendrikendrika an’io olo-marina io hoe mpivadi-pinoana nipetraka tao amin’ny tranolain’ny mpanao kolikoly ary namorom-pitaka. (Joba 15) Mbola namely an’i Joba ihany ny tenin’i Elifaza rehefa niteny fanintelony izy, ka niampanga azy ho nanao an-keriny, sy tsy nanome rano sy sakafo ho an’ireo sahirana, ary nampahory an’ireo mpitondratena sy kamboty.—Jb 22.

Hain’i Joba tsara ny namaly rehefa avy namelively azy fanindroany i Elifaza. Hoy izy: “Mpampionona mandreraka daholo ianareo! Hisy farany ve izany teniteny foana izany?” (Jb 16:2, 3) I Jehovah mihitsy no niteny toy izao tamin’i Elifaza, rehefa tapitra ny adihevitra rehetra: “Tezitra mafy aminao sy ny namanao roa lahy aho, satria tsy nilaza ny marina momba ahy ianareo, tsy mba tahaka an’i Joba mpanompoko.” Nilaza izy fa tokony hanolotra fanatitra i Elifaza sy ny namany, ary hivavaka ho azy ireo i Joba avy eo.—Jb 42:7-9.