Elifeleho
(Elìfelèho) [mety hidika hoe Andriamanitra Anie Hanao Izay Hampiavaka Azy].
Levita mpitendry zavamaneno tao amin’ny fizarana faharoa. Anisan’ireo mpitarika teo amin’ny fitendrena harpa izy tamin’ny fotoana namindrana ny Vata masina avy tao an-tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema.—1Ta 15:17, 18, 21.