Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elifeleta

Elifeleta

(Elifelèta) [Ny Andriamanitro dia Fandosirana; Andriamanitry ny Fandosirana].

1. Zanakalahin’i Ahasbay, sady anisan’ny lehilahy maherin’i Davida. (2Sa 23:34) Mety ho izy ihany ilay Elifala resahin’ny 1 Tantara 11:35.

2. Zanakalahin’i Davida teraka tany Jerosalema. (1Ta 3:5, 6) Miantso azy hoe Elipeleta ny 1 Tantara 14:5.

3. Zanakalahin’i Davida voalaza fa teraka farany tany Jerosalema. (2Sa 5:16; 1Ta 3:8; 14:7) Tsy miverina ao amin’ny bokin’ny Tantara ny anarany. Misy mpivaofy teny mihevitra fa tsy fahadisoan’ny mpanao dika soratra izany, fa efa maty ilay Elifeleta voalohany, izay vao teraka ilay zanak’i Davida hafa nantsoina koa hoe Elifeleta.

4. Zanakalahy fahatelo naterak’i Eseka taranak’i Saoly Mpanjaka.​—1Ta 8:33, 39.

5. Taranak’i Adonikama, izay anisan’ireo niala tany Babylona niaraka tamin’i Ezra mba hiverina tany Jerosalema.​—Ezr 8:1, 13.

6. Anisan’ireo lehilahy nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka azy ireny noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:33, 44.