Eliho
(Elìo) [Ny Andriamanitro dia Izy].
1. “Zanak’i Barakela Bozita, avy amin’ny fianakavian’i Rama.” Taranak’i Boza i Eliho, ka azo inoana fa havan’i Abrahama lavitra izy. (Jb 32:1, 2, 6; Ge 22:20, 21) Azo antoka fa nihaino tsara hatramin’ny farany i Eliho, rehefa niady hevitra i Joba sy izy telo lahy nihambo ho mpampionona azy. Be taona kokoa noho i Eliho izy ireo, ka tsy niteny mihitsy i Eliho raha tsy efa tapitra ny tenin’izy rehetra. Misy mpitsikera milaza fa be kabary sy lava resaka loatra i Eliho. Tsy marina anefa izany satria tsy toy ireny zatovo miteny tsy misy fanajana ireny izy. Fantany tsara fa tsy ny zokiolona ihany no manam-pahendrena, ary ny fanahin’Andriamanitra no ahazoana ny tena fahendrena. Tena nitady ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra foana àry izy, ka tsikariny izay tena tao an-tsain’i Joba. Tsikariny fa tsy azon’i Joba hoe i Jehovah aloha no mila porofoina hoe marina fa tsy ny olombelona. Tsikaritr’i Eliho koa fa nanendrikendrika an’Andriamanitra hoe ratsy fanahy izy telo lahy naman’i Joba.—Jb 32:2-9, 18.
Tsy nanavakavaka i Eliho, ary tsy nampiasa anaram-boninahitra mba handokafana olona. Niaiky izy fa samy natao tamin’ny tanimanga na izy na i Joba, ary ilay Mahery Indrindra no Mpamorona azy. Tsy nieritreritra ny hampahatahotra an’i Joba izy fa niresaka taminy toy ny tamin’ny namana akaiky. Nanonona ny anaran’i Joba izy, fa i Elifaza sy Bildada ary Zofara kosa tsy nanao toy izany mihitsy.—Nasehon’i Eliho tamin’izay rehetra nolazainy ny marina momba an’ilay tena Andriamanitra, anisan’izany ny hoe manao ny rariny ilay Mahery Indrindra ka mamaly ny tsirairay araka izay ataony. Tsy miangatra izy rehefa mitsara, ary hitany daholo izay ataon’ny olona. Henony ny fitarainan’ny ory. Mampianatra ny olona izy ka lasa hendry noho ny biby ny olona. Izay olona manao ny tsy marina ihany no tsy henoin’Andriamanitra, ka nampirisika an’i Joba i Eliho mba hiandry Azy. Nanome toky an’i Joba koa i Eliho fa nomba azy Andriamanitra. Nilaza koa izy hoe tsy hotsimbinin’Andriamanitra ny ain’ny ratsy fanahy, fa ny androm-piainan’izay manompo Azy kosa “hiafara amin’ny zava-tsoa.” (Jb 36:11) Nampirisihina i Joba avy eo mba hankalaza ny asan’Andriamanitra, ilay Mpanome sakafo be dia be. Nasain’i Eliho nisaintsaina an’ireo zavatra lehibe nataon’Andriamanitra sy ny fahaizany mifehy ny herin’ny natiora i Joba. Nampirisika an’i Joba izy mba ‘hifantoka amin’ny asa mahatalanjon’Andriamanitra.’ (Jb 37:14) Teny mavesa-danja no namaranan’i Eliho ny teniny, ka hoy izy momba an’ilay Mahery Indrindra: “Lehibe amin’ny hery izy, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny rariny sy ny fahamarinana. Koa aoka hatahotra azy ny olona.”—Jb 37:23, 24; toko 34-37.
Ny fanahin’Andriamanitra ihany no afaka nanampy an’i Eliho tsy ho diso hevitra sy hilaza an’ity faminaniana ity, izay tanteraka tamin’i Joba: “Aoka izy tsy ho lasa any an-davaka! Efa nahita vidim-panavotana aho! Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.” Tanteraka tokoa izany rehefa tafarina indray ny fiainan’i Joba.—Jb 33:24, 25.
2. Razamben’i Samoela mpaminany. “Zanak’i Toho” i Eliho. (1Sa 1:1) Azo inoana fa anaran’i Eliho koa ny hoe Eliaba sy Eliela.—1Ta 6:27, 34.
3. Noheverina fa i Eliaba zokin’i Davida Mpanjaka lahimatoa i Eliho. Lasa andrianan’ny fokon’i Joda izy.—1Ta 27:18, 22; ampit. 1Sa 16:6; jereo ELIABA No. 4.
4. Anisan’ireo mpifehy ny arivo i Eliho, ary avy amin’ny fokon’i Manase. Nivadika tamin’i Saoly izy ka nanaraka an’i Davida tany Ziklaga.—1Ta 12:20.
5. Korahita iray taranak’i Obeda-edoma. Voatendry ho mpiandry vavahady tao an-tranon’Andriamanitra izy, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.—1Ta 26:1, 4, 7, 8.