Eliho-enay
(Elìho-enày) [Mitodika any Amin’i Jehovah ny Masoko].
1. Lehilahy iray korahita notendren’i Davida ho mpiandry vavahady. I Eliho-enay no fahafito tamin’ireo zanakalahin’i Meselemia, izay anisan’ny fokon’i Levy.—1Ta 26:1-3.
2. Zanakalahin’i Zerahia. Niaraka tamin’i Ezra i Eliho-enay sy ny 200 lahy, avy tamin’ny fianakaviamben’i Pahata-moaba, rehefa niala tany Babylona i Ezra ka niverina tany Jerosalema.—Ezr 8:1, 4.