Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Elima

Elima

(Elìma) [Hazobe].

Toerana faharoa nitobian’ny Israelita teny ampitan’ny Ranomasina Mena. (Ek 15:27; 16:1; No 33:9, 10) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Elima, nefa araka ny lovantsofina dia ny Lohasaha Falehan-driaka Gharandel eo amin’ny Saikinosin’i Sinay izy io, any amin’ny 88 km eo ho eo any atsimo atsimoatsinanan’i Suez. Malaza ho toerana azon-drano sy be zavamaniry sy hazo palmie io lohasaha io, mitovy amin’ilay Elima fahiny izay nisy “loharano roa ambin’ny folo sy hazo palmie fitopolo.”